Union Football Academy Ampitatafika 102

Union Football Academy Ampitatafika 102

Share

École de football

17/08/2026

📢 FILAZANA ⚽️

Satria moa fotoam-pialantsasatra isika izao ka omentsika fotoana kely ny ankizy rehetra hankafia an’izany,hiato kely aloha ny entraînement ao anatin’ny fotoana fohy mba ahafahatsika rehetra miaina vacances mamikely😊.

📅 Samedi 22 & Samedi 29 Août : tsy misy entraînement.
Toy izany koa ny mercredi.

⚽️ Hiverina ara-dalàna indray kosa ny entraînement manomboka ny Samedi 05 Septembre.

🙏 Mankasitraka ny fahatakarana sy ny fiaraha-miasa avy amin’ny rehetra.

💚❤️ UNION FOOTBALL ACADEMY
L’UNION FAIT LA FORCE 🤝
Ensemble, devenons meilleurs ! ⚽️
Vive les vacances

15/08/2026

🎂🎉 JOYEUX ANNIVERSAIRE NOTRE CHER Élyze RACAP! ❤️⚽

Tsy mpilalao fotsiny ianao, fa isan’ny fianakavian’ny UNION FOOTBALL ACADEMY. 💚🤍

Amin’izao tsingerintaona nahaterahanao izao dia mirary soa anao izahay, miaraka amin’ny fitiavana sy firariantsoa mamy indrindra. ❤️🥰

Enga anie ho feno fahombiazana, hafaliana, fahasalamana ary fitahian’Andriamanitra ny fiainanao. 🙏✨

Aza mitsahatra manonofy, aza mitsahatra miezaka, ary aza mitsahatra mino ny tenanao. 🌟⚽

Ny Family UNION FOOTBALL ACADEMY manontolo dia miarahaba sy mirary soa anao amin’izao andro lehibenao izao. 🥹❤️

🏆⚽ Joyeux anniversaire Élyzè, notre petit champion ! ❤️🎂
On est fiers de toi et on te souhaite le meilleur pour la suite ! 💚🤍❤️

🤝 L’Union fait la force
✨ Ensemble, devenons meilleurs !

14/08/2026

⚽💚 UNION FOOTBALL ACADEMY ❤️⚽

📢 FANENTANANA ENTRAÎNEMENT
📅 Samedi 15 Août 2026
📍 Terrain Ankadintany
⏰ Miditra maraina avokoa ny catégorie rehetra,ka aoka mba samy hanaraka ny fandaminana

🔥 Mikotrana avokoa ny catégorie rehetra! 🔥
U6 U9 U11 U13 U15 U17

Entanina ny ray aman-dreny mba hampiomanana ny ankizy, ary samy ho tonga ara-potoana avokoa. 💪⚽

🌟 Andao isika hiezaka, hifampahery ary hanatsara hatrany ny fahaizantsika!

💚❤️ L’UNION FAIT LA FORCE ❤️💚
⚽ Ensemble, devenons meilleurs ! 🏆

13/08/2026

⚽️ VOKA-DALAO — MATCH AMICAL

🏟️ Union Football Academy 🆚 AS Ankoay
📅 Alakamisy 13 Août 2026

✨ Catégorie U8
🤝 Union 0 – 0 AS Ankoay

✨ Catégorie U11
🤝 Union 1– 1AS Ankoay

✨ Catégorie U13
🤝 Union 0 – 0 AS Ankoay

🔥 Catégorie U17
🏆 Union 2 – 1 AS Ankoay

👏 Arahabaina manokana ny U17 tamin’ny fandresena, ary deraina ihany koa ireo sokajy rehetra noho ny ezaka sy ny fahavononana nasehonareo teny an-kianja. 💪⚽️

🙏 Fisaorana lehibe ho an’ny AS Ankoay tamin’ity match amical ity, ary misaotra ny Union Football Academy ihany koa tamin’ny fandraisana anjara sy ny toe-tsaina ara-panatanjahantena naseho.

🤝 Misaotra ny mpanazatra, ray aman-dreny, mpilalao ary mpanohana rehetra tamin’ny fanohanana.

💚❤️ L’UNION FAIT LA FORCE !
⚽️ ENSEMBLE, DEVENONS MEILLEURS ! 💪🔥

13/08/2026

🎉🏆 Vaovao mahafaly!

Nahazo ny Consistent Post Creator Badge ny pejy Union Football Academy noho ny publication tsy tapaka sy ny fanohananareo rehetra. 🙏⚽️💚❤️

Misaotra ny ray aman-dreny, ny mpilalao, ny coachs ary ireo mpanohana rehetra. Hanohy hiezaka hatrany izahay ho fampandrosoana ny ankizy sy ny baolina kitra. 💪⚽️

L’UNION FAIT LA FORCE 🤝
ENSEMBLE, DEVENONS MEILLEURS ! 💚❤️

11/08/2026

📢⚽ MATCH AMICAL – UNION FOOTBALL ACADEMY ⚽📢

🔥 ALAKAMISY 13 AOÛT 2026 🔥

🏆 AS ANKOAY 🆚 UNION FOOTBALL ACADEMY

🏟️ Terrain : Antanimenabe
⏰ Manomboka amin’ny 08h00 maraina

⚽ Handray anjara avokoa ireo catégories rehetra :

🔹 U8
🔹 U11
🔹 U13
🔹 U15

💧 FANAMARIHANA :
Entanina ny ankizy rehetra mba samy hitondra rano fisotro madio sy sakafo maivana mandritra ny fotoana eny an-kianja.

📣 Entanina mafy ihany koa ny fahatongavan’ny rehetra mba hiaraka hanohana sy hampiseho ny firaisankina ary ny toe-tsaina maha-Union antsika! 💪🔥

❤️💚🤍 L’UNION FAIT LA FORCE !
⚽ Ensemble, devenons meilleurs ! ⚽





11/08/2026

⚽💚 ENTRAÎNEMENT – MERCREDI 12 AOÛT 2026 💚⚽

📍 Terrain Antanimenabe
⏰ Manomboka @ 2ora tolakandro
Miaraka amin’i Maître Naivo

🔥 FANENTANANA HO AN’NY ANKIZY REHETRA ! 🔥

Entanina mafy ny ankizy rehetra mba ho tonga hikotrana amin’ny Alarobia, satria manana MATCH AMICAL isika ny Alakamisy 13 Août, manomboka amin’ny 8 ora maraina, eto amin’ny Terrain Antanimenabe ihany, hihaonana amin’ny AS Ankoay. ⚽🏆

👉 Ireo catégories rehetra no handray anjara amin’izany, manomboka amin’ny:
U8 • U11 • U13 • U15

💪 Koa andao isika hiomana tsara, ho tonga ara-potoana ary hanome ny tsara indrindra eny an-kianja!

❤️ Ry Ray aman-dreny, entanina ihany koa ianareo mba hifanotrona sy hanohana ireo zanatsika amin’ity fotoana ity. Ny fanohanantsika dia hery lehibe ho azy ireo! 👏⚽

🔥 ENSEMBLE, DEVENONS MEILLEURS !
💚🤍❤️ L’UNION FAIT LA FORCE ! 💚🤍❤️

⚽ UNION FOOTBALL ACADEMY ⚽

10/08/2026

⚽️🔥 RÉSULTATS DU MATCH AMICAL 🔥⚽️

💚 U13 : Union Football Academy 3️⃣–1️⃣ AFC Ambohimamory 🏆👏
❤️ U15 : Union Football Academy 🤝 AFC Ambohimamory — Match nul !

👏 Félicitations à tous nos jeunes pour les efforts, la combativité et le bel esprit d’équipe ! 💪⚽️

🙏 Misaotra ireo Ray aman-dreny sy mpanohana rehetra nanotrona sy nanome hery ny ankizy. ❤️

💪 Tohizo hatrany ny ezaka ry zareo, aza kivy fa mbola lavitra ny lalana! 🌟🔥

🏆🔥 BRAVO LES CHAMPIONS ! 🔥🏆
🤝 L’UNION FAIT LA FORCE
💚❤️ Ensemble, devenons meilleurs !

09/08/2026

⚽🔥 MATCH AMICAL 🔥⚽

📅 Lundi 10 Août 2026

Rahampitso, Union Football Academy dia hihaona amin’ny AFC Ambohimamory 🤝⚽

💚 Catégories U13 & U15
⏰ 8h00 maraina
📍 Terrain Ambohimamory

🔥💪 Tongava maro manohana sy mamporisika ireo tanora mpilalao!

❤️💚 L’UNION FAIT LA FORCE 💚❤️
⚽ Ensemble, devenons meilleurs ! ⚽

07/08/2026

📢 FAMPAHATSIAHIVANA –

Ry Ray aman-dreny hajaina,

Mampahatsiahy am-panajana izahay fa manan-danja amin’ny fampandehanana ny fiofanana sy ny fanomezana kalitao ho an’ny ankizy ny fandoavana ara-potoana ny écolage.

Noho izany dia iangaviana amim-panajana ireo Ray aman-dreny izay mbola tsy nahavita ny fandoavana mba hanefa izany faran’izay haingana.

Ny fiaraha-miasantsika no antoky ny fandrosoan’ny ankizy sy ny fahombiazan’ny akademia.

🙏 Mankasitraka indrindra amin’ny fahatokisana sy ny fiaraha-miasa hatrany.

UNION FOOTBALL ACADEMY 💚❤️⚽
L’Union Fait la Force.

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Ambohibao?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Telephone

Website

Address


Ambohibao