18/08/2026
🏀 𝐓𝐀𝐏𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐒𝐎𝐀𝐌𝐀𝐍𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐒𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐄́𝐓𝐄́𝐑𝐀𝐍𝐒 𝐒𝐘 𝐒𝐔𝐏𝐄𝐑 𝐕𝐄́𝐓𝐄́𝐑𝐀𝐍𝐒 𝟐𝟎𝟐𝟔!🏆
Nanomboka ny 08 ka hatramin’ny 16 Aogositra 2026, niara-nankafy ny tontolon’ny basketball ny rehetra, tao anatin’ny fifaninanana, ny fifanomezan-tanana ary ny firaisankina. ⛹️♀️⛹️♂️🔥
🥇 IRETO AVY IREO EKIPA TOMPO-DAKA TAMIZANY
🏀 Vétéran Dames
🥇 Tompondaka : MBS – Analanjirofo
🥈 Laharana faharoa : La Renaissance – Atsinanana
🏀 Super Vétéran Dames
🥇 Tompondaka : PMBC – Analamanga
🥈 Laharana faharoa : JCBA – Analamanga
🏀 Vétéran Hommes
🥇 Tompondaka : BC Blindé – Analamanga
🥈 Laharana faharoa : SMBC – Analamanga
🏀 Super Vétéran Hommes
🥇 Tompondaka : TIIA BC – Analamanga
🥈 Laharana faharoa : ASTAR – Analamanga
👏 Arahabaina manokana ireo ekipa rehetra nandray anjara, ary indrindra ireo tompondaka sy ireo nahazo ny laharana faharoa noho ny ezaka sy ny fahombiazana vitan’izy ireo!
🙏 Fisaorana feno no atolotra ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Fédération Malagasy de Basketball, ny Ligue de Basketball Menabe,ireo manam-pahefana ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra : Yas, MTB, Assurance Aro, XXL Mada ary I/O’RENALA.
💚 Misaotra antsika rehetra nandray anjara, na mivantana na an-kolaka, tamin’ny fahombiazan’ity hetsika lehibe ho an’ny basketball malagasy ity.
Ny fanatanjahantena mampiray antsika, ary ny fitiavana azy no mampitambatra antsika! 🏀🇲🇬
20/07/2026
🎓 𝐁𝐀𝐂𝐂 𝟐𝟎𝟐𝟔
Tonga ny fotoana hanaporofoana ny ezakareo sy ny faharetanareo nandritra izay taona maro izay ry tanora,
Noho izany ataovy izay tsara indrindra vitanareo!
Mirary fahombiazana ho an'ireo tanora rehetra hiatrika ny fanadinana Baccalauréat 2026 izahay💜
15/07/2026
🌃 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐂𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐒𝐀𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐎𝐍𝐃𝐈𝐀𝐋𝐄 𝐟𝐫𝐚𝐧𝐜𝐞 𝐬𝐲 𝐞𝐬𝐩𝐚𝐠𝐧𝐞! ⚽🔥
Nifarana tamin'ny fandresen'i Espagne 2️⃣-0️⃣ an'i France ny demi-finale voalohany. 🇪🇸👏
Na dia teo aza ny olana teo @ famatsiana herinaratra teto @ tampotananan'ny Morondava dia tsy nanaiky ny ekipa lojistikan'ny fikambanana IO'RENALA sy ireo pankafy baolina kitra rehetra.
Niezaka nitady vahaolana izahay mba hitohizan'ny projection sy hahafahan'ireo mpankafy niara-niaina ny hafalian'ny Mondiale hatramin'ny farany. 💜
😄 Fa mba lazao anay ange e...
namanle resy sa ilay nandresy nareo omaly
Zarao aminay ao amin'ny commentaire ary hoe mba nanao akory foliantsika nankaly igny?
14/07/2026
IO'RENALA manolotra ho anao ⚽🌍
PROJECTION MONDIALE – DEMI-FINALES
🇫🇷 FRANCE (MBAPPÉ) 🆚 🇪🇸 ESPAGNE (LAMINE YAMAL)
📅 Mardi 14 Juillet 2026
🕙 22H
🔥 Ary i
🏴 ANGLETERRE (HARRY KANE) 🆚 🇦🇷 ARGENTINE (MESSI)
📅 Mercredi 15 Juillet 2026
🕙 22H
📍 Parking Dinmamod – Nahamora
🟪 Tongava maro hiara-hijery sy hiaina ny ambiance miaraka aminay!
IO'RENALA
12/07/2026
🏆💜 BASIKETY 3x3 : NAMIRAPIRATRA NY TALENTAN’NY TANORA TAO MANJA🏀
Faly izahay mizara aminareo ny vokatra azo nandritra ny fifaninanana Basket 3x3 nokarakarain’i IO’RENALA tao Manja farany teo.
🏆 Champion : UJBM (Union des Jeunes Basketteurs de Manja)
🥈 Vice-Champion : Galaxy
Tsy fifaninanana fotsiny izy ity,
fa fotoana iray nampiroboroboana ny talentan’ireo tanora mpilalao basikety,
nampahafantarana ny lanjan’ny fanatanjahantena ary nanamafisana ny firaisankina ao anatin’ny vondrom-piarahamonina.
Mankasitraka ireo ekipa rehetra nandray anjara, ireo mpanohana ary ireo rehetra niara-nanome aina ity hetsika ity. 🙌
IO’RENALA 💜
Sport • Jeunesse • Développement 🏀🌱
10/07/2026
⚽Alefaso anie ny pronostic anareo amty PROJECTION MONDIALE zay karakarainay io'renala ity🔥
🇪🇸 ESPAGNE 🆚 🇧🇪 BELGIQUE
📅 ANDROANY
⏰ 22H
📍 Parking Dinmamod – Nahamora
🎤 Animé par Haja
Venez nombreux partager un moment unique, vibrer ensemble et profiter de l’ambiance du grand football ! ⚽🔥
IO’RENALA 💜
Sport • Jeunesse • Développement
09/07/2026
📢 IO’RENALA MANASA ANAO AMIN’NY PROJECTION MONDIALE ⚽🌍
Hiaraka hijery mivantana ny fifanandrinana lehibe :
🇫🇷 FRANCE (MBAPPÉ) 🆚 🇲🇦 MAROC (HAKIMI)
📅 09 Jolay 2026
⏰ 23H
📍 Parking Dinmamod – Nahamora
🔥 Tongava maro hiara-hankafy ny lalao ao anaty hetsika mafana!
IO’RENALA – Sport • Jeunesse • Développement 💜