¤AZA MANAHY¤
Aza manahy fa izaho tsy amela
Anao ho irery,na i
anao hitomany
Fa hanohana hatrany,
Raha mbola vitako ihany
¤
¤
Fa izaho tsy adala,
Ka amela anao hijaly
Fa sambatra aho malala
Mahita anao faly
¤
¤
Ka aza manahy
Ry ilay mamin'ny foko
Fa ianao tsy hitoloko
'Zaho tsy amadika loko
¤
¤
Fa tiako ianao,
Ka raha sitrakao,
Ianao ho hampiakariko
Ho maman'ny zanako
¤jar kely¤
Jar Akairas
Rajaonarison Sariaka
20/05/2020
🌷NENY🌷
Na mahantra ianao na manana
Na osa na matanjaka
Ity aho anolo-tanana
Adidy amin'ny maha zanaka
Misaotra indrindra anao ry neny
Tamin'ny rehetra vitanao
Indrindra,nanatra sy niteny
Mba ahatafita ity zanakao
Ireo sedra sy ady nolalovanao
Tsapa ho mafy,eny,mahamay
Lalina loatra ny fitiavanao
Neny ô!ianao tena maminay
Mankasitraka neny mankatelina indrindra
Fa tena niharitra ianao nigoaka mangidy
Nitarika anay ho tsara famindra
Neny ianao tena sarobidy
Mifona ry neny tamin'ny rehetra tsy nety
Nahatonga anao alahelo ka lasa narary
Indro aho mivalo mahatsapa fa resy
Fa tsy misy mahasolo anao raha mbola eto an-tany
Hifonako ireo adalana sy ditra
Ho soloiko ireo sentosento sy jaly
Ianao tsy avelako mbola hipitrapitra
Ny tanjoko ry neny,ianao tsy maintsy mifaly
Ny teniko izay mety nandratra
Eny ny fihetsiko mety tsy ho zaka
Mifona ry neny fa tsy hamerina intsony
Tsy hapietsi-po anao fa tena ho tony
Mangataka indrindra aminao ry Ray
Mba ahantanjaho ny sain'ity reninay
Ka mba omeo azy avokoa
Izay Fantatrao mety ahasoa
Neny,mahereza indrindra hoy ity zanakao
Mirary indrindra anao ho sambatra
Mbola betsaka mantsy ny adidinao
Ny Tompo hombanao mandrapitsahatra
Irariako indrindra ianao ho lava andro iainana
Ka ho hambinina,ho salama tsara
Ahatsapa finaritra ety amin'ity fiainana
Hiara-paly amin'ny taranaka amam-para
Jar Kely ✊Jar Kely✊
27/04/2020
ZANAKA SAHIRANA
Izao anie mafy ady
Zanaka sahirana
Ny filanjanay angady
Sao lahy anahirana😐
Fa vao mangirandratsy😥
Dia ny laharapahamehana,
Mandeha eroa,mandeha atsy
Mitady izay hameloma-tena
Tsy mba misy hantenaina,😥
Fa tsy maintsy ny heri-po,
Izay iany no handrandraina
Satria io no tsy mba loa
Tsy kivy anefa fa mitraka😊
Tsy mitaraina ihany koa
Anjara io tsy maintsy zaka
Fa fitsapana avokoa💪
Inoako mantsy any aoriana
Hoe izaho tena ahatsapa
Ny fianana feno filaliana
Zandrikely mbola ho tafa✊
⚡Jar Kely⚡
19/04/2020
Efa iny izaho variana
Maminaviana ny any aoriana
Mandinika ny zava-mitranga
Dia toa lasa gagagaga
Inona tokoa moa?
No tanjona ety
Moa tsy mbola ho loa
Izao rehetra zao?
Aza mankafy,aza miankidoha
Ny zavatra ety,indrindra ihany koa,
Aza tia tena,
Fa izany no fahalemena
Mambotry firenena
Fa isika rehetra izao,
Dia samy mbola ho vovoka
Samy mbola ho rava
Eny,tsisy hijanona,fa tsy maintsy mbola handeha
Andeha ho tsaraina,
Ka aza mba malaina
Manao asa soa
Ataovy tena
Fa tsy ho very maina
Sy tsy mba hangaina
Enao rahatrizay
Fa ho hankasitrahan'i RAY
Jar Kely
15/01/2020
✊MILA MIARITRA✊
Mila miaritra letsy
Raha te ho tafavoaka
Mila koa mba fetsifetsy
Fa tsy hoe mafy dia hitsoaka
Mila mihafy koa
Raha te ahita soa
Ny hoavy ao ariana
Mba tsy ahita fahoriana
Mila heri-tsaina
Mila heri-po
Mba tsy hangaina
Na hatsiaro tena voa
Mila foana miezaka
Mila ihany koa mitraka
Aza mety ho reraka
Na inona no mety tsy ho zaka
Tratraro ny tanjonao
Na betsaka ny olana
Ny marina ihany atao
Mba hivaha ny fatorana
Aza mora kivy
Mahereza hatrany
Fa mamy sy mangidy
Ny fiainana eto an-tany
Jar Kely
05/01/2020
😢VELOMA RY TANÀNA😥
Veloma ry tanàna
Tany nahalehibehazako
Tsy hoe akory tsy tamàna
Ka andao anao ny tavako
Fa andeha aho mbola hiverina
Hitady izay mahasoa
Satria tsy azo afenina
Fa mila manomana ihanikoa
Ny hoavy rahatrizay
Ekeko hoe mafy
Matsiaro tena banga
Nefa mila miafy
Raha te ho olo-manga
Sy te ho tafita,raha te oany am_pita
Ka dia mila miaritra
Mba ho tena tafa
Fa tsy hoe finaritra
Iteny fa tsy zaka
Izay sedra kely mety andalo
'Ndrao hifaly aminao ny fahavalo
Fa mila miezaka lalandava,
Mba tsy sanatria ho rava
Fa ho mpandresy hatrany
Na inona miseho eto an_tany
Ka veloma ry tanindrazako
Fa andeha aho aloha
Eny na tsy ho tazako
Manakaiky anao ny fo
Hitady izay hatsara,
Dia ny mbola tsy tara
Ho anao ry Nosy tiako
No anton'ny efiko
Hanefako ny adidiko
Jar Kely
04/01/2020
🎉TAOM-BAOVAO🎉
Misaotra indrindra Jesoa
Fa mbola notahinao
Ka natratra soa
Ity taona vaovao
Arahabaina isika tsy akanavaka
Fa mbola velon'aina hatramin'izao
Aza adino ny mivavaka
Misaotra Ilay Tomponao
Enganie ity taom-baovao
Hitondra fahombiazana
Ka indrindra no atao
Hanamafy fihavanana
Mba ho taona sarobidy
Ho lavitry ny tomany
Ka na mamy na ho mangidy
Dia ho fenoina tsikitsiky ihany
Mirary soa ho anao
Ahita fifalina foana
Amin'ity taona vaovao
Ka mbola ho tratran'ny amin'eritaona
Jar Kely
30/12/2019
Any ianao ry tiako
Any alavitra any
Ilay efa nofidiko
Ho namako eto an-tany
Any ianao malala
Tiako ho tsapanao
Fa izaho mila ho lasa adala
Tsy eo anilanao
Any ianao ry vadiko
Mba hendre rahavako
Fa mijaly ny fanahiko
Raha sanatria ianao maditra, Ianao mantsy no hoaviko
Matoky anao ity foko
Manantena fianan_tsambatra
Lavitry ny toloko
Fa hiadana finaritra
Tsika tsy mba manam_bola
Tsy mba manankarena
Fa sambatra isika miara_midola
Amin'ny fitia tsy hay fefena
Tsika mbola vao mihary
Ny hoavitsika rahatrizay
Ka tsy azo atao ny manary
Ny fotoana sao ho fay
Ka aleo dia eny zao
Hiezaka tsika sy ianao
Ka ny mahasoa no atao
Hiatrika fiainam_baovao
Ekeko tsika mifankatia
Hirariana mba ho doria
Fa izany mila fifehezan-tena
Mba tsy ho lasa fahalemena
Jar Kely
28/12/2019
😊FARAN'NY TAONA😊
Efa hifarana ny taona
Ianao mba nanahoana
Nandritra izay fotoana
Nilamina sa hoe nõna??
Na inona niseho
Na inona nitranga
Mbola io ianao
Fa nambinin'Andriamanitra
Mety nisy jaly
Mety nitomany
Nefa koa efa faly
Fa izay ilay eto an-tany
Arahabaina ianao
Fa mbola tratra izao
Ka mirary anao
Ho tratran'ny taona vaovao
Mirary soa indrindra
Mba ho fiainana mirindra
Ka mba hiova famindra
Raha sanatria tsy nahay nandrindra👋
Jar Kely Jar Kely
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Telephone
Website
Address
Manjakandriana