Projet Mizara TSIKY

Projet Mizara TSIKY

Share

« Rehefa mbola mitsiky ianao dia mbola velon’aina »❤️

Projet MIZARA TSIKY✅

01/07/2026

Tongava maro❤️

🇲🇬♥️ L' Association JUCD & SK Social Key Madagascar-Group ont entièrement organisé notre rdv de ce vendredi donc... LET'S GO !!! 🔥🔥🔥

Formation entièrement sur l' ART ORATOIRE DES AFFAIRES 🧰🗣️

✅ Vente ✅ Négociation ✅ Pitch commercial ✅ Networking ✅ Persuasion ✅ Etc.
On aura environ deux heures ensemble pour échanger ☺️

>>>>> Ce vendredi 03 Juillet 2026

Photos from Projet Mizara TSIKY's post 26/06/2026

TANTERAKA SOA AMAN-TSARA NY FIZARANA IREO FANAMPIANA TSIRAMBIN’NY TANANA🥰

Koa etoana aho dia maneho fisaorana ireto tanisaiko manaraka ireto :

- Voalohany indrindra, misaotra an’Andriamanitra izahay noho ny nanomezany hery sy fahasalamana nahafahana nanatanteraka izao hetsika izao. 🙏❤️

- Mankasitraka manokana ny AEIT-Université de Vakinankaratra izahay tamin’ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa sarobidy. Tsy ho voavidim-bola ary tsy ho voavaly ny soa nataonareo. ✨❤️

- Isaorana ihany koa ny ekipan’ny Projet MIZARA TSIKY, izay tsy mitsahatra maneho fahavononana sy finiavana amin’ny fanatanterahana ireo asa soa nankinina tamintsika. Tena reharehanay ianareo. 🥰

- Ary misaotra mitafotafo anareo rehetra izay nanolotra ny tsirambin’ny tananareo, na lehibe na kely. Ny fandraisan’anjaranareo tsirairay no nahafahana nanatanteraka ity fizarana fanampiana ity. ✨❤️

Raha tsy teo ianareo rehetra, dia tsy ho tontosa izao asa soa izao. Koa enga anie Andriamanitra, ilay manankarena amin’ny fahasoavana, hamaly fitahiana sy hitahy anareo arivo heny. 😍🙏

Ary ny Projet MIZARA TSIKY dia vonona hatrany hiara-hiasa aminareo amin’ny hetsika rehetra natao hitondrana tsiky sy fanantenana ho an’ireo mila fanampiana. 🥰❤️

❤️ « Sambatra ny fo mahay mizara, ary vao mainka sambatra rehefa samy mandray anjara amin’ny fampitsikiana sy fanampiana ny hafa. Koa andao hiara-handroso, hiara-hifanampy, ary hanohy hizara fitiavana. » ✨



02/06/2026

Miarahaba e🥰

🌱😊 PROJET MIZARA TSIKY 😊🌱

Manentana antsika rehetra indray ny Projet MIZARA TSIKY mba hifanome tanana sy hifanampy amin’ny fanangonana fanampiana ho an’ireo olona sahirana.

Afaka mandray :
✅ Akanjo mbola azo anaovana
✅ Kiraro
✅ Fitaovana azo zaraina amin’ny olona sahirana
✅ Fitaovana afakà hanaovana fizarana
✅ Fanampiana ara-bola na ara-pitaovana

Ny fanampiana rehetra voaangona dia hozaraina amin’ireo tena mila izany amin’ny :

📅 25 Jona 2026
📍 Antsirabe

Raha te handray anjara amin’ity asa soa ity ianao dia mifandraisa aminay amin’ny :
📞 038 22 650 60

💚 “Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.”

23/03/2026

Créer un avenir meilleur pour les communautés les plus vulnérables à Madagascar.

Association Mizara Tsiky on Strikingly 07/03/2026

Miarahaba tompoko, Ny association Projet Mizara TSIKY dia manasa anao @ fanolorana izay lamba na akanjo na kiraro na zavatra izay efa tsy miasa tsony any any nefa mbol afaka ampiasaina, ho atolotsika hoan'ireo mpiray tanindrazana sahirana.

Mriako etona fa efa manomboka ny fanangonana izany ka aza misalasala miantso na manatona anay.

Manasa anao ihany koa mba hitsidika ny tranokala anay, hanaraka tsy tapaka ny fizarana sy hetsika maro isan-karazany
https://loyal-deer-103gn7c.mystrikingly.com

Mirary faran'ny herinandro mahafinaritra sy tontolo andro mamiratra hoantsika rehetra tompoko.

Association Mizara Tsiky on Strikingly Aide aux personnes pauvres

28/02/2026

Mbola mandray olona vonona handrafitra ny ekipa izahay.✨
(Association manampy ny sahirana)

Photos from Projet Mizara TSIKY's post 20/02/2026

Salama daholo✨
Tontosa soa aman-tsara ny fandefasana ilay Tolo-tanana ho an'ny Tra-boina nalefa any Toamasina ary isaorana Andriamanitra nanome fotoana sy hery nahafahana nanatanteraka izany, isaorana ihany koa KAMO restaurant - cabaret - grill et fast food à Antsirabe nanampy sy nanoro hevitra foana ho anay, isaorana koa ny mpiara miasa nanoro sy nanohana foana, isaorana koa ianareo rehetra nanome ny tolo-tanana na mivantana na an-kolaka, na fanampiana miendrika nanao ahoana na ahoana ary farany sady lehibe dia isaorana ny ekipanay Projet Mizara TSIKY rehetra teo foana nahafoy fotoana nahafahana nanatanteraka izay taona maromaro nisianay izahay🥰

Hiezaka ho eo foana izahay ho an'ny mpiara-belona dia entanina sahady ianareo izay mbola te hiara-hiasa aminay
Misokatra foana ny varavarana misy anay tompoko✨
Misaotra ireo efa teo foana ho anay ary ireo izay mbola ho eo foana❤️

❤️

Photos from Projet Mizara TSIKY's post 15/02/2026

Salama e✨

Eto izahay dia haneho fisaorana manokana ho an’ny KAMO restaurant - cabaret - grill et fast food à Antsirabe🙏💛
Tena feno fankasitrahana izahay ao amin’ny Projet Mizara TSIKY satria vitantsika soa aman-tsara ny hetsika fanampiana ireo niharam-boina any Toamasina.
Ny fanohanana sy ny fitiavan-tanindrazanareo no nahatonga izany ho zava-bita tena misy lanjany.

Misaotra manokana ihany koa ireo nanoro hevitra, ireo nanohana, ary ireo donateurs tsirairay.
Tsy zakan’ny teny ny fisaorana — fa tsapanay hatramin’ny fo ny hasarobidinareo rehetra.

Enga anie hanana hasoa sy hahazo fitahiana mitafotafo ianareo rehetra, ary hitombo hatrany ny soa averin’Andriamanitra aminareo. 🤍



📢 FANAMBARANA
Mbola mitohy ny fanentanana fanangonam-panampiana ho an’ireo vahoaka tra-boina any Toamasina, hatramin’ny Sabotsy 21 Febroary 2026.
Raisina daholo izay mety ho endrika fanampiana: sakafo, fitafiana, fanafody, rano fisotro madio, vola…
Ny kely avy aminao dia efa lehibe ho an’izay mila izany. 🙏

Mankasitraka mialoha. Aoka isika hifampitondra ho olombelona. 💛



Bonjour à tous✨

Un immense MERCI au Restaurant KAMO🙏💛
Au nom du Projet MIZARA TSIKY, nous tenons à exprimer notre profonde gratitude pour votre soutien lors de notre action destinée à aider les sinistrés de Toamasina.
Votre solidarité, votre générosité et votre humanité ont donné vie à ce projet.

Nous remercions également toutes les personnes qui ont partagé leurs conseils, ainsi que tous les donateurs qui n’ont pas hésité à tendre la main.
Vos gestes, petits ou grands, ont touché nos cœurs plus que vous ne l’imaginez.

Que Dieu vous bénisse et multiplie le bien que vous semez autour de vous. 🤍



📢 ANNONCE
La campagne de collecte pour soutenir les victimes à Toamasina se poursuit jusqu’au samedi 21 février 2026.
Toutes formes d’aides sont les bienvenues : nourriture, vêtements, médicaments, eau potable, dons financiers…
Votre petit geste peut changer une vie. 🙏

Merci du fond du cœur. Ensemble, faisons briller l’humanité. 💛

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antsirabe?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antsirabe