AJFC - Antehiroka Jeunesse Footaball Club

AJFC - Antehiroka Jeunesse Footaball Club

Share

L'AJFC (Ambohibao Jeunesse Football Club) se présente comme une véritable école de vie et de sport au cœur d'Ambohibao.

Ce club dynamique ne se contente pas de former des joueurs ; il bâtit une communauté de passionnés.

13/07/2026

Voka-dalao - Section Ambohidratrimo – D2

AJFC 0 - 0 AMFP

Nifarana tamin'ny isa ady sahala 0-0 ny fihaonan'ny AJFC sy AMFP ny Sabotsy 11 jolay lasa teo teny amin'ny Terrain Synthétique Ambohidratrimo.

Na dia tsy nisy baolina tafiditra aza, dia naneho fahavononana sy ady mafy teny an-kianja ny ekipantsika nandritra ny 90 minitra.

Misaotra anareo mpanohana rehetra tonga nanome hery sy nankahery ny AJFC. Ny fanohanana ataonareo no manosika anay hanohy hiady sy hivoatra hatrany.
🙏

Mbola mitohy ny lalana, ary mbola hiady ho an'ny fandresena isika amin'ny lalao manaraka!💚✨

( TIA - BAOLINA )

10/07/2026

Andao hiaraka hanohana ny AJFC!

Rahampitso indray no fotoana hihaonana eny an-kianja! 💪

🏆 Section Ambohidratrimo – D2

AJFC vs AMFP

📅 Sabotsy 11 Jolay
🕘 09:00 maraina
📍 Terrain Synthétique Ambohidratrimo

Tongava maro hanome hery ny ekipantsika mandritra ity lalao ity. Ny fanohananao no hery manosika anay hiady hatramin'ny farany! 👏💙

( TIA - BAOLINA )

09/07/2026

VOKATRY NY LALAO ARA-PIRAHALAHIANA ⚽

AJFC 4 - 4 Mpanjaka Kids

Lalao feno ady sy fahavitrihana no natrehintsika androany teo amin'ny Kianja Synthétique Ambohidratrimo. Na dia nifarana tamin'ny isa mitovy 4-4 aza ny fihaonana, dia hita mazava ny fandrosoana sy ny ezaka lehibe nataon'ireo ankizy. 👏🔥

Mankasitraka ny mpilalao rehetra, ny mpanazatra ary indrindra ireo ray aman-dreny sy mpanohana ❤

Mitohy ny asa, mitohy ny fandrosoana!

( TIA - BAOLINA )

Photos from AJFC - Antehiroka Jeunesse Footaball Club's post 07/07/2026
06/07/2026

Vonona indray ve isika? ✨❤

Amin'ny Alakamisy 09 Jolay amin'ny 08:00 maraina dia hifandona amin'ny Mpanjaka Kids ny AJFC ao amin'ny Kianja Synthétique Ambohidratrimo.

Lalao ara-pirahalahiana izy ity, saingy fotoana lehibe hanehoana ny ezaka sy ny fandrosoan'ireo ankizy.

🙏 Manasa antsika rehetra ho avy hanohana sy hampahery azy ireo.

Hiaraka handresy amin'ny fanohanana! Allez AJFC! 💙⚽

( TIA - BAOLINA )

30/06/2026

Revivez les meilleurs moments de notre dernier match face à Base Académie ! ⚽🔥

Une rencontre intense, de belles actions et une victoire au bout de l'effort.

🏆 Orange Challenge U20 – Match pour la 3ᵉ place
AJFC 3 - 1 Base Académie 🥉

TIA - BAOLINA )


29/06/2026

🏆 ORANGE CHALLENGE U20 : FAHA-3 HO AN’NY AJFC !

Nandresy an’i Base Académie tamin’ny isa 3-1 ny ekipantsika AJFC U20 nandritra ny lalao niadiana ny laharana faha-3 tamin’ny fifaninanana Orange Challenge U20. 🏆

Fandresena azo avy amin’ny ezaka, ny fahavononana ary ny firaisan-kina nasehon’ireo mpilalao rehetra teny an-kianja. 💪🔥

Mankasitraka sy misaotra indrindra ireo mpanohana rehetra izay nanaraka sy nanohana anay hatramin’izao dingana izao. ❤️👏
Ny fanohanana sy ny fankaherezanareo no iray amin’ireo hery nanosika ny ekipantsika hatrany.

Arahabaina ireo mpilalao sy ny staff rehetra tamin’ity vokatra tsara ity.💚

( TIA - BAOLINA )


29/06/2026

VOKA-DALAO - SECTION FOOTBALL AMBOHIDRATRIMO - SOKAJY D2

FARAN'NY LALAO | AJFC 2 - 2 Relève MS

Ady mafy sy lalao feno fientanentanana no natrehin'ny AJFC sy Relève MS, ka nifarana tamin'ny isa 2-2 ny fihaonana.

Naneho toe-tsaina niady hatramin'ny farany ny ekipantsika ary tsy nilavo lefona na dia teo aza ny fahasarotan'ny lalao. 💚🤍

Misaotra indrindra anareo mpanohana rehetra tonga teny an-kianja sy nanome hery ny AJFC. Mitohy ny dia, ary mbola hiady hatrany isika! 💪⚽

( TIA - BAOLINA )

26/06/2026

Mirary fety sambatra ho an'ny Malagasy rehetra! ❤️🤍💚

Andro iray tsy hadinoina, andro iray mampiray antsika rehetra.
Na aiza na aiza misy antsika, dia iray ihany ny fo mitempo ho an'i Madagasikara.

24/06/2026

Andao hiaraka hanohana ny AJFC!

Vonona ny hiady sy hanome ny tsara indrindra ny ekipantsika. Manasa antsika rehetra ho eny an-kianja hanohana sy hamporisika azy ireo. ⚽💚

AJFC vs Relève MS
🗓️ 27 Jona
⏰ 14:00
📍 Terrain Synthétique Ambohidratrimo

Tongava maro, hiaraka hanandratra ny lokon’ny AJFC! 💚🤍

( TIA - BAOLINA )

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antehiroka?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Address


Lot 132 A Bis Andranoro Antehiroka
Antehiroka
105