Manda Razafiarinivo

Manda Razafiarinivo

Share

🧠"Établir des liens intimes avec soi-même, les autres, la nature ou une réalité supérieure"

🌱 Motivation • Sens de la vie

19/08/2026

✳️Ahoana moa no hiovan'ny fiainanao kanefa ianao ary mifikitra aminy toerana mandratra anao foana isan'andro.

💫𝗠𝗮𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮 𝗶𝘀𝗶𝗸𝗮.

Mitady fiainana vaovao.
Mitady olona vaovao
Mitady fahombiazana vaovao

🧠Tsy afaka miova izany ny fiainanao rahatsy ianao mihintsy no manao dingana anova azy.

👉 Ovay ny zavatra inoanao momba ny tenanao.
👉 Ovay ny fomba iresahanao amin’ny tenanao.
👉 Ovay ny fomba fijerinao ny olana misy.
👉 Ary indrindra, aza avela ny tahotra no hamaritra ny hoavinao.

🧠Ny fiainana tinao andalovana dia miankina aminy fiovany fisainanao mihintsy aloha.

❌Aza manontany hoe:


✅Fa anontanio ny tenanao hoe?

18/08/2026

🥹 Mangalà aina..fa iny no afahanao maka bahina iatrehinao ny ampitso...
🍀Mirary torimaso feno fitoniana 😊

09/08/2026

⚠️Ho lany Tamingana ny fiainanao raha mbola manao an'izao ianao.

🚫Efa nitranga taminao ve izany hoe:

👉 Miteny "ENY" ianao kanefa ilay zavatra tsy ankasitrahany fonao akory, ary ny fonao manao "TSIA"
(Satria matahotra hoe sody ho tezitra amiko ity olona ity)

👉Mandany fotoana manao zavatra tsy tiana, mba ho tian'ny olona ivelany fotsiny 🥹

👉Lasa miteraka adintsaina mafy ho anao ilay izy satria Tsy vokatriny fonao
🚫Tsy zavatra mba tinao akory fa nohony hafa dia ataonao ihany....

✨izany olona izany no atsoina hoe
-People pleaser.......
✨izay hafaly ny hafa foana no ataony
-people pleasing.....
✨Rehefa lasa fahazarana ilay izy lasa tsy fitiavana fa matahotra ho lavina.

🎯Ny marina mantsy dia izao:
na inona na inona hataonao, dia hisy foana ny olona tsy ho faly aminao.

✅Ny torohevitra voalohany hialana amin'izany dia tsotra: Aza mamaly tonga dia eny rehefa misy mangataka zavatra aminao. Lazao fotsiny hoe: "Hojereko aloha raha afaka aho fa hovaliako ianao avy eo".
Manomeza fotoana ho anao hisorohana ny adin-tsaina.

📩impiry ianao no nandalo an'izany.
hoe "ENY"
📩impiry nahavita namaly "TSIA"

07/08/2026

☺️Karazan'olona hoatran'ny ahoana ianao amin'izao fotoana izao.

-Mbola ilay Mifona ve na tsy diso aza
-Mbola ilay miala nenina foana ve itazomana ilay relation tsy ho tapaka tanteraka.
-Mbola ilay miangavy ny hijanonany ve? 👀

🤓 Tsapako ka, Nandalo an'izany daholo ireo karazan'olona nahatsapa tena fitiavana ireo,
saingy nahay nanisy fetrany izy hoe hatreto no zaka, fa tsy nijanona teo aminy toerana iray manimba ny fiainany Zareo ireny....
🎯Tiko raha otran'izany koa ianao
✋Asio fetrany ny zavatra tokony ho zaka.

💌Ahoana ny fomba hifehezana an'izany...

Rehefa manaiky izay tian'olona atao ianao mba tsy ialany aminao dia tsy fitiavana intsony izany 𝗙𝗮

(dépendance affective).

📩Ao aminy 𝗖𝗼𝗮𝗰𝗵𝗶𝗻𝗴 𝗶𝗻𝗱𝗶𝘃𝗶𝗱𝘂𝗲𝗹 no ianarantsika ny hoe
"Hatraiza no fetrany tokony ho zaka"

06/08/2026

⚠️ LASA TSY MATOKY TENA ny olona iray rehefa omena teny négatif matetika.

Tsy hoe otran'izany mihintsy izy hatramin'izay, fa matetika dia vokatry ny zavatra niainany sy ny teny naverimberina taminy.

🍀 Mety olona nanana motivation izy.
🍀 Mety olona sahy nanandrana.
🍀 Mety olona nanana nofinofy lehibe.
Fa rehefa averimberina aminy foana ny hoe:

❌ "Tsy vitanao io."
❌ "Aleo ny olona mahay no hanao azy." ❌ "Tsy sahaza an'io toerana io ianao."

..dia lasa finoana ho azy ireo teny ireo. Ary rehefa mino an' izany izy, dia mihena tsikelikely ny fahatokisany ny tenany.🥹

🎯 Ao amin'ny Coaching Individuel, hianatra isika ny fomba hamerenana izany fahatokisan-tena izany.


.

06/08/2026

Rehefa mamainky ianao dia ataon'olona tsinotsinona....
Fa rehefa tsy manainky ianao dia tsy misy olona sahy manao tsinotsinona anao izany....

Tsy voatery ifamaly fa mila manana ny personnalité mampiavaka anao ianao
mba tsy iditra eo aminy tontolonao ny olona anao tsinotsinona 🥰

📩Ny fahatokisan-tena no fiandoany fiainana rehetra
📧Afaka mianatra ao aminy Coaching individuel isika hoe ahoana no amerenana izany.


.

03/08/2026

⚠️Ny fanampahan-kevitra tsara indrindra dia ny miala alavitra an'ireo olona miteraka adin-tsaina ho anao isan'andro.

⚠️Miala Alavitra ny an'ireo olona tsy manosika anao iakatra fa misitona anao idina.

⚠️Miala alavitra an'ireo olona izay tsy faly aminy fahombiazanao.

⚠️Ary ny olona mody mamporisika anao iroso kanefa maniry mafy anao ho lavo.

03/08/2026

🌿 Manaova défi amin'ny tenanao...

Na inona na inona nandratra na nahakivy anao, na mbola ao anatin'izany aza ianao ankehitriny, sahia manohy.

"Tsy olon-kafa no tokony ifaninanao fa ny tenanao"

Aza avela ho fatorana ny lasa mihintsy aloha, ary aza avela hamaritra ny hoavinao ny ratra niainanao.

✨ Sitrano izay mila sitranina.
✨ Minoa indray ny tenanao.
✨ Mandrosoa tsikelikely mankany amin'ilay tianao hahatongavana.

Satria ny tena fandresena dia tsy ny tsy nandalo sedra, fa ny fahafahanao mitsangana sy mandroso na dia teo aza izany. 🌱

30/07/2026

👐AZA ZATRA MANDEFITRA AMIN'NY ZAVATRA MANDRATRA ANAO...

🌿Fantatro fa indraindray ianao dia miezaka mafy mba hitazonana olona eo amin’ny fiainanao.

😌Miezaka mahatakatra
😌Miezaka mamela heloka
😌Manome fahafahana aminy tsy safidinao… satria matahotra ianao sao ho very izy. 🥺

𝗙𝗮 𝗺𝗯𝗮 𝗮𝗻𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗸𝗲𝗹𝘆 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗵𝗼𝗲...
♥︎

👌Mety tsy adisoana avy aminy hafa izany, Fa ianao no tsy mahalala ny asarobidinao.

👌Rehefa matahotra ny tsy ho tian’olona ianao, dia mety hanaiky zavatra tsy tokony ekena.
Mandefitra satria matahotra ho very...

✓Azonao ve....

👌MianaraManisy fetra....
❤️Fantaro ny zavatra ilainy fonao manokana.


.

27/07/2026

❓RAHA AFAKA MAMAFA NY LASA IANAO!
❗HO VOAFAFA TOKOA VE IZANY?

Raha afaka mamafa ny ratra ianao?
Ho voafafa Tokoa ve izany ?

Angamba tsia ee! 😊

Mety nandratra anao izy, saingy izy ihany koa no nampianatra anao hijoro, hino ny tenanao, ary tsy hiverina amin'izay nandrava anao intsony.
Indraindray, ny lasanao no fototry ny hoavy mapatanjaka anao kokoa. 💪🌱

Manda Razafiarinivo

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Antananarivo