27/07/2026
🥥 RANONA COCO: NAMANA TSARA HO AN’NY MPIKOTRANA?
Eny, mety ho safidy tsara ny ranona coco, indrindra rehefa avy nanao entraînement ka tsemboka be iny .
Rehefa mikotrana isika dia very rano sy mineraly (électrolytes) amin’ny alalan’ny hatsembohana. Anisan’izany ny potassium, sodium ary magnesium, izay ilain’ny vatana mba hiasan’ny hozatra sy ny taova ara-dalàna.
Ny ranona coco dia ahitana ireo électrolytes ireo, ka afaka manampy:
✅ Hamerenana ny rano very (réhydratation).
✅ Hanoloana ny mineraly very nandritra ny entraînement.
✅ Hanohanana ny fiasan’ny hozatra.
✅ Mety hanampy hampihena ny crampes musculaires, indrindra raha ny tsy fahampian-drano sy electrolytes no antony.
⚠️ Marihina anefa fa tsy ny crampes rehetra dia avy amin’ny tsy fahampian’ny electrolytes. Mety ho vokatry ny havizanana, fanazaran-tena tafahoatra, tsy fahampian’ny torimaso, na antony hafa ihany koa izy ireny.
Maro no mihevitra fa satria “naturel” ny ranona coco dia tsy misy calories, nefa tsy marina izany.
🥥 100 ml ranona coco dia misy eo amin’ny:
• 18–24 kcal
• 3,5–5 g de glucides (glucose, fructose, sucrose) sucre naturel
Midika izany fa raha misotro vera iray (250 ml) ianao dia mahazo eo amin’ny:
• 45–60 kcal
• 9–12 g de glucides
Noho izany, raha manaraka programme nutrition ianao—na , na mampihena tavy—dia tsara ny mampiditra ireo calories sy glucides ireo ao anatin’ny kajy isan’andro.
👉 Ny safidy tsara indrindra dia ranona coco 100% naturel, tsy misy siramamy na additifs nampiana.
💚 Tsarovy: Tsy misy sakafo na zava-pisotro manao miracle hoe ampihena .Ny ranona coco dia afaka manampy amin’ny hydration sy ny famerenana electrolytes, fa ny tena mitondra vokatra dia ny fitambaran’ny sakafo voalanjalanja, ny entraînement mifanaraka amin’ny tanjonao, ary ny récupération tsara.
E-kotrana Mdg