Gasyfoot

Gasyfoot

Share

GASYFOOT | Média Kitra Malagasy🇲🇬

13/08/2026

➡️ Izao ny réalité eto Madagascar 🇲🇬.

Rehefa manana opportunité hivoatra ny mpilalao Malagasy, tokony hotohanana izy fa tsy sakanana amin’ny mutation na vola tsy mifanaraka amin’ny zava-misy. Satria ho azy, ny baolina kitra dia tsy fialamboly fotsiny fa asa sy fivelomana, entiny mamelona ny vady aman-janany.

13/08/2026

➡️ 🏆 Ireto avy ireo club anglisy 🏴󠁧󠁢󠁥󠁮󠁧󠁿 nahazo amboara Eoropeana betsaka indrindra :

🥇 Liverpool : 14
🥈 Chelsea : 11
🥉 Manchester United : 8
🔹 Aston Villa, Manchester City, Tottenham : 4
🔹 Nottingham Forest, West Ham : 3
🔹 Arsenal, Leeds, Newcastle : 2

13/08/2026

➡️ Madagasikara 🇲🇬 irery ihany no nosy eto amin’ny Ranomasimbe Indianina tsy handray anjara amin’ny COSAFA U20.
▪️ 🇲🇬 Madagasikara ❌
▪️ 🇲🇺 Maurice ✅
▪️ 🇸🇨 Seychelles ✅
▪️ 🇰🇲 Comores ✅

Photos from Gasy Foot's post 13/08/2026

➡️ Efa mifanerasera amin’i Jorge Mendes ny Liverpool mba hamindrana an’i Ibrahimb Mbaye 🇸🇳

Photos from Gasy Foot's post 13/08/2026

➡️ ❌ Nolavin’i Manchester City ny tolotra nataon'i Barça ho an’i Rodri!

💰Nanolotra 65 tapitrisa euros hividianana an'i Rodri ny FC Barcelona, saingy nolavin’ny Manchester City izany.

💶Mitaky 80 tapitrisa euros ny City vao vonona hivarotra azy. Efa nilaza tamin’i Rodri ihany koa ny klioba fa mila manampy mba hampanakaiky ny fifanarahana izy raha tena te hifindra.

Photos from Gasy Foot's post 13/08/2026

➡️ Anisan’ireo mpilalao tian’ny FC Barcelone hampahery ny fiarovan-tenany i Castello Lukeba 🇫🇷, ilay défenseur an’i RB Leipzig.

👀 Hansi Flick sy Deco dia mankasitraka ny fomba filalaovany, ary efa nanangona vaovao momba azy ny Barça.

💰 Tombanana ho 30 tapitrisa euros mahery ny sandany, saingy mety ho lafo kokoa ny famindrana azy.

Photos from Gasy Foot's post 13/08/2026

🤝🇲🇬 Nitsidika sy nanohana an’i Maître Kira ny FMF.

➡️ Noho ny olana ara-pahasalamana sedrainy amin’izao fotoana izao dia nitondra fanampiana ara-bola sy sakafo ho azy ny délégation-n’ny FMF. Nanome toky ihany koa ny Federasiona fa mbola hitady vahaolana hafa hanohanana azy bebe kokoa.

🏳️ Firaisakina no hery 🇲🇬

13/08/2026

🧤Michaely Bihina no héroïne-n’i Cameroun! 🇨🇲

Tamin’ny demi-finale nanoloana an’i Maroc 🇲🇦, dia nanakana penalty iray tamin’ny faran’ny prolongation izy, ary mbola nitsipaka tirs au but 3 nandritra ny séance. Izany no nandefa an’i Cameroun ho any amin’ny finale CAN Féminine 2026.

Alahady 16 Août 2026 / 22h00 🇲🇬
Cameroun 🇨🇲 🆚 🇲🇼 Malawi no finale.

Photos from Gasy Foot's post 13/08/2026

➡️ Paris FC no ekipa nandany vola be indrindra teto amin'ny Ligue 1 tamin'ity Mercato ity 🇲🇫 satria efa nandany 79,5 tapitrisa Euros nividianana mpilalao izay izy ireo. 💰

Photos from Gasy Foot's post 13/08/2026

➡️ Ofisialy! Fabien Barthez no mpanazatra vaovaon'ny mpiandry haraton’ny ekipam-pirenena frantsay 🇫🇷🧤

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address


Antananarivo