Tekado

Tekado TEKADO: Team Karaté Do. Klioba miangaly ny Karaté Do, mivoy ny fanabeazamboho mahaolom-banona.

🥋🇲🇬 REHAREHAN’NY TEKADO! 🇲🇬🥋Arahabaina hatrany i Mathieu izay eo amin’ny laharana faha-33 eran-tany, nahazo isa 270, ami...
17/09/2026

🥋🇲🇬 REHAREHAN’NY TEKADO! 🇲🇬🥋

Arahabaina hatrany i Mathieu izay eo amin’ny laharana faha-33 eran-tany, nahazo isa 270, amin’ny sokajy Kata Cadet. 🌍🏆

💪 Tohizo ny ezaka, Mathieu!
Mirehareha aminao ny Tekado! ❤️🥋

🇲🇬🥋 TONGASOA AN-TANINDRAZANA, MATHIEU! 🥋🇲🇬Faly miarahaba sy mandray anao an-tanindrazana izahay, Mathieu! ❤️Mirehareha a...
16/09/2026

🇲🇬🥋 TONGASOA AN-TANINDRAZANA, MATHIEU! 🥋🇲🇬

Faly miarahaba sy mandray anao an-tanindrazana izahay, Mathieu! ❤️

Mirehareha amin’ny ezaka sy ny zava-bita vitanao tamin’ny Tompondakan’i Afrika izahay, indrindra fa nahazo ny toerana faha-5 sy ny fahazoana miatrika ny Tompondaka Eran-tany ianao. 🏆🌍

Arahabaina ary tohizo hatrany ny ezaka! 💪🥋
Ny fianakaviana Tekado dia mirehareha aminao! 🇲🇬❤️

🥋🇲🇬 Reharehan’ny Tekado! 🇲🇬🥋Arahabaina i Mathieu noho ny vokatra tsara azony tamin’ny Tompondakan’i Afrika, sokajy Kata ...
11/09/2026

🥋🇲🇬 Reharehan’ny Tekado! 🇲🇬🥋

Arahabaina i Mathieu noho ny vokatra tsara azony tamin’ny Tompondakan’i Afrika, sokajy Kata Cadet! 👏🏆

Nahazo ny toerana faha-5 izy ary voafidy hiatrika ny Tompondaka Eran-tany! 🌍🥋🔥

Faly sy mirehareha aminao izahay noho ny ezaka, faharetana ary fahavononana nasehonao. 💪

Tohizo hatrany ny ezaka, Mathieu! Ny fianakaviana Tekado manontolo dia manohana anao! 🇲🇬❤️🥋

🥋🇲🇬 Reharehan’ny Tekado! 🇲🇬🥋Faly sy mirehareha izahay miarahaba an’i Mathieu, izay hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny...
07/09/2026

🥋🇲🇬 Reharehan’ny Tekado! 🇲🇬🥋

Faly sy mirehareha izahay miarahaba an’i Mathieu, izay hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny Tompondakan’i Afrika, ao amin’ny sokajy Kata Cadet, any Algérie. 🇩🇿🏆

👏 Mirary soa sy fahombiazana ho anao, Mathieu!
Tohizo ny ezaka sy ny faharetana. Atsangano avo ny voninahitry ny Tekado sy Madagasikara! 🇲🇬💪

Ny fianakaviana Tekado manontolo dia ao aorianao! 🥋🔥

08/08/2026

🕊️ MANDRIA AM-PIADANANA, SENSEI HERIZO 🥋

Amin’ny anaran’ny Club Tekado, dia maneho ny fiaraha-miory lalina amin’ny fianakavian’i Sensei Herizo sy ny Club Ichiban izahay.

Misy amin’ireo mpikambana ao amin’ny Club Tekado ankehitriny izay mpianany taloha, ka tena akaiky ny fonay izao fahoriana izao.

Misaotra, Sensei, tamin’ny fahalalana sy ny soatoavina nampitainao taminay. Tsy hohadinoina mandrakizay ny lova navelanao teo amin’ny Karate.

🙏 Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny Club Ichiban.

Mandria am-piadanana, Sensei Herizo. 🕊️🥋

Club Tekado

🥋🏆 Coupe de Madagascar – Ankizy sy Vehivavy (andiany faha-3) 🏆🥋Ny klioba Tekado dia nahazo vokatra mampirehareha :🥇 vola...
02/03/2026

🥋🏆 Coupe de Madagascar – Ankizy sy Vehivavy (andiany faha-3) 🏆🥋
Ny klioba Tekado dia nahazo vokatra mampirehareha :
🥇 volamena 3
🥈 volafotsy 1
🥉 alimo 3
Misaotra ireo mpikatroka, ray aman-dreny, mpanohana, ary indrindra ireo mpanazatra noho ny fahafoizan-tena sy fanoloran-tena.
✨ “Tohizo ny ezaka natomboka rankizy” ✨

🥋🎉 Tekado nanatrika ny fankalazana ny faha-80 taonan’i Hanshi Hugues Raharimanantsoa 🎉🥋Ny asabotsy 30 janoary 2026, ny k...
02/02/2026

🥋🎉 Tekado nanatrika ny fankalazana ny faha-80 taonan’i Hanshi Hugues Raharimanantsoa 🎉🥋

Ny asabotsy 30 janoary 2026, ny klioba Tekado dia nanatrika ny fankalazana ny faha-80 taonan’i Hanshi Hugues Raharimanantsoa tao amin’ny gymnase couvert Ankatso, niaraka tamin’ireo mpianatra vitsivitsy.

Mirary fiainana lava sy fahasalamana ho azy izahay, ary enga anie izy hijanona ho fitaratra sy modely lehibe eo amin’ny haiady hatrany. 🙏🥋

24/01/2026

🎉🥋 Fotoana fizarana sy hafaliana tao amin’ny dojo Tekado 🥋🎉
Nifamotoana tao amin’ny dojo izahay, niaraka tamin’ireo mpikambana, tamin’ny fotoana kely feno hafaliana, firaisankina ary fihavanana.
Ireo sary sy horonan-tsary ireo dia mampiseho ny toe-tsaina maha-fianakaviana ao amin’ny Tekado, ivelan’ny fanazarana sy ny fifehezantena.
Fotoana tsotra nefa sarobidy, manamafy ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana eo aminay rehetra. 🙏❤️
Misaotra anareo rehetra nizara ity fotoana ity.
Tekado dia tsy klioba fotsiny, fa fianakaviana. 🥋✨

Ny fianakaviana Tekado dia mirary taona vaovao feno fahasalamana, fahombiazana ary hafaliana ho anareo rehetra.Enga anie...
02/01/2026

Ny fianakaviana Tekado dia mirary taona vaovao feno fahasalamana, fahombiazana ary hafaliana ho anareo rehetra.
Enga anie ity taona vaovao ity hitondra hery vaovao, fandrosoana, fanajana ary firaisankina, araka ny soatoavina entin’ny karaté.
Misaotra anareo rehetra mpikatroka, ray aman-dreny ary mpanohana tamin’ny fitiavana sy ny fanohanana tsy tapaka.
Hiara-handroso hatrany isika, hanandratra ny karaté sy hanofana ny taranaka ho avy. 🙏🥋
✨ Tratry ny taona vaovao e! ✨

Address

Sonrang Dojo Andavamamba
Antananarivo
101

Opening Hours

Wednesday 14:30 - 16:00
Saturday 08:30 - 10:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tekado posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share