24/08/2026
Tsy tadidiko oe iza marina no nanomboka an’io ady hevitra io fa diso ianao raha mihevitra fa ny vazaha no nampiditra ny karazana fandihizana valahana (salegy, tsapiky sns) teto Madagasikara. Raha mandalina ny tantaran’ny dihy valahana ianao, na tsy voatery ny dihy fa ny fiovan’ny fiarahamonina taorian’ny fanjanahantany fotsiny aza dia hitanao fa ny saina vetaveta no tena novolen’ny mpanjanaka, exotisation, folklorisation, sexualisation, ary ianao mijery aminy saina hafahafa io koa dia manaraka ny saina vetaveta novolen’izy ireo. Taorian’ny nandalovan’izy ireo dia lasa sexualisé daholo ny partie ny vatana tsy sexualisé taloha, satria conventionnel moa izany raha tena marina dia ny azy no narahantsika, fa ny antsika dia nariana ary tsy hay intsony oe ahoana marina ny toetsaina taloha.
Ny azoko tenenina dia taminy ankabeazan’ny kolontsaina taloha, ny dihy dia tsy dihy fotsiny ihany, tsy fafinaretin’ny maso na fialamboly fa tena nisy toerany manokana amin’ny fiarahamonina, fa tonga avy eo ny folklorisation dia lasa spectacle fotsiny sisa ny dihy, dia novaina tamin’izany ny sain’ny olona ka natao fotsiny izay mampifaly ny mpijery dia nanomboka tamizay ny kolombody. Raha ovaina ary haverina amin’ny tokony ho izy ny saina, tsaboina ny saina vetaveta dia mety miverina ihany ny hasin’ny dihin’ny tsirairay, na mampandihy « vody » io na mampihetsiketsika loha na ahoana na ahoana
Ia tofa soifua ma le fa’aaloaloa