21/08/2026
Indraindray, rehefa manomboka miova ianao, dia misy milaza hoe: « Niova be ianao. »
Eny… niova aho.
Nianatra aho tsy hamaly ny zavatra rehetra. Nianatra aho tsy hanazava ny tenako sy ny fiainako amin’ny olona rehetra.
Nianatra aho hiteny hoe TSIA rehefa tsy mety amiko.
Nianatra aho hiala amin’ny toerana tsy manome lanja ahy.
Ary indrindra indrindra…
Nianatra aho fa tsy voatery ho tian’ny olona rehetra vao afaka mitarika.
Ny leader tena izy dia tsy miaina mba hahazoana validation, fa miaina mba:
👉🏽 Hanana VISION
👉🏽 Hahalala ny maha izy azy
👉🏽 Ary sahy mijoro amin’ny zavatra inoany.
💭 Tsy olana raha tsy takatry ny rehetra ny lalanao.
Raha fantatrao izay alehanao, tohizo ny dianao.
Indray andro, ireo olona nilaza hoe « niova ianao » mety ho ireo ihany no hiteny hoe: « Tena marina… tsara ilay fiovanao. »
LTI — Mianara. Miova. Mitariha
21/08/2026
🚀 POURQUOI PARTICIPER AU FOUNDERS SPRINT ?
Parce que 3 jours peuvent suffire pour challenger une idée, rencontrer les bonnes personnes et passer à l’action. 🔥
♻️ Un défi concret : transformer les déchets en opportunités.
💡 Des idées à challenger et des solutions à construire.
🤝 De nouvelles rencontres avec des profils business, tech, créatifs et entrepreneurs.
🎤 Un pitch pour apprendre à défendre ton idée.
🌱 De l’impact pour contribuer à un véritable enjeu pour Madagascar.
🎁 Et surtout… la participation est 100 % GRATUITE
📅 9–11 septembre 2026
📍 Institut ISS – Tsiadana
👉 Inscription : https://forms.gle/qfusbfYU9RsP2t5S9
👉 Tu as une idée ? Viens la challenger au Founders Sprint 🚀
👀 Tu connais quelqu’un qui devrait participer ?
Identifie-le en commentaire ou partage-lui cette publication 🔥
19/08/2026
Le leadership ne se résume pas à un titre 👑
Être Directeur, Manager ou Responsable te donne une fonction.
Mais c’est ta manière d’inspirer, d’écouter, de guider et d’aider les autres à grandir qui fait réellement de toi un leader ✨
👉 Le pouvoir impose parfois.
👉 Le leadership inspire naturellement.
Alors, toi… tu veux avoir un titre ou avoir de l’impact ? 🥰
18/08/2026
Tu veux une grande réussite ?
Prépare-toi à porter de grandes responsabilités💪
18/08/2026
Ato indray ary eh
Maro ianareo no nangataka sy niandry ny fisian'ny fiofanana indray
🔥 FIOFANANA 2 MANAN-DANJA HO AN’NY FAHOMBIAZANAO indray ary ny ho atolotray ho anareo
Ahoana raha afaka mifehy kokoa ny fihetseham-ponao, mampitombo ny fahatokisan-tenanao ary mianatra manana discipline matanjaka?
💰 SARAM-PANDRAISANA ANJARA: 20.000 AR ISAKY NY MODULE
✨ Aza miandry ny fiovana, fa ianao mihitsy no mila manomboka !
📲 Réservation / Infos :
+261 34 08 385 57
+261 34 77 579 08
l
17/08/2026
Misy olona manana influence be rehefa mbola tsy manana fahefana, saingy rehefa mahazo poste na fahefana dia miova ny fomba fitondrany. Rehefa mitranga izany dia mety hihena tsikelikely ny fitokisan'ny olona azy.
Voalohany, mety hifangaro ny influence sy ny fahefana. Mihevitra ilay leader fa satria manana toerana ambony izy dia tsy maintsy arahina ny teniny, hany ka lasa mandidy sy manery be ny olona izy, ka tsy maintsy manaraka azy ny olona satria voatery, fa tsy hoe satria matoky azy.
Faharoa, mety tsy hihaino intsony izy. Rehefa mahazo fahefana ny olona sasany dia mihevitra fa izy foana no marina. Tsy mandray hevitra, tsikera na soso-kevitra avy amin'ny hafa intsony izy fa rehefa tsy mahatsiaro ho henoina ny ekipa dia mihena ny fanajany.
Fahatelo, mety hiova ny toetrany. Mety ho lasa arrogant, hanambany olona, na hampiasa ny fahefany ho tombontsoany manokana izy. Kanefa rehefa tsy mifanaraka intsony ny teny sy ny fihetsiny dia very ny crédibilité-ny.
Ary farany, ny fahefana dia afaka mampiseho ny tena toetran'ny olona. Raha tsy manana intégrité izy, dia mety hampiasa ny pouvoir hanerena olona. Fa ny leader tena manana influence kosa dia mampiasa ny fahefany hanampiana sy hampivoarana ny hafa.
Tsarovy fa ny fahefana dia afaka mampanaraka olona anao, fa ny influence no mampaniry azy ireo hanaraka anao..
Dia iza ary no tsara ? , tsy aleo ve mahita olona te hanaraka anao toy izay manery olona hanaraka anao
Ny leader matanjaka koa dia tsy mampiasa ny fahefany mba hahatonga ny olona hatahotra azy, fa mampiasa izany mba hananganana fitokisana, hanomezana lanja ny hafa ary hampivoatra ny ekipany.
17/08/2026
Ianareo koa ve efa sendra an'ilay olona mahafinaritra be ny mifandray aminy fa rehefa nahazo fahefana na toerana ambonimbony, izy dia niova tsy toy ny taloha?
Fantatrareo ve hoe inona ary ny mety ho anton'izany?
Eo samia mba mitantara kely ao amin'ny commentaire indray ary aloha🙈
14/08/2026
Raha tianao haharitra ao an-tsain'ny olona ny hafatrao, tsy ampy ny miteny zavatra betsaka nefa tsy misy dikany fa mila hafatra mazava, tsotra ary misy fiantraikany ny olona.
👉 Voalohany, fantaro tsara ny hafatra fototra tianao hampitaina. Aza mampiditra hevitra maro loatra indray mandeha. Rehefa mazava ny zavatra iray tianao ho tadidin'ny olona, dia mora kokoa aminy ny mitahiry azy.
👉 Faharoa, mampiasa tantara sy ohatra tena misy. Mora tadidin'ny olona kokoa ny zavatra azony sary an-tsaina na mifandray amin'ny fiainany noho ny théorie fotsiny(tena misy hoy aho fa tsy hoe mamorona na andainga😏)
👉 Fahatelo, ampifandraiso amin'ny émotion ny hafatrao. Ny zavatra mampihetsi-po, manentana, na mampieritreritra dia matetika mijanona ela kokoa ao an-tsaina.
👉 Fahaefatra, mampiasa teny fohy sy fehezanteny mora tadidy. Indraindray ny teny iray marina sy mahery dia mety haharitra kokoa noho ny lahateny lava nefa tsy mazava.
👉 Ary farany, ataovy mifanaraka amin'ny zavatra ataonao ny hafatrao. Raha mampianatra discipline ianao, ohatra, dia asehoy amin'ny fiainanao ihany koa izany hoe olona discipliné ianao. Rehefa hitan'ny olona fa miaina ilay hafatra ianao, dia vao mainka tsy hohadinoiny.
Tsarovy: ny hafatra tsara dia tsy ilay betsaka indrindra, fa ilay mahatonga ny olona hieritreritra, hahatsapa ary hanao zavatra.
> Manomboka izao ary raha tianao hahatsiaro ny teninao ny olona dia, aza miteny mba hohenoina fotsiny fa mitenena mba hisy fiantraikany
14/08/2026
Ny fifehezana ny fihetseham-po dia tsy midika hoe tsy mahazo tezitra, malahelo na matahotra ianao, fa kosa hoe tsy avelanao hifehy ny teninao sy ny fanapahan-kevitrao ny fihetseham-po amin'ny fotoana tsy tokony hifehezany azy.
👉 Voalohany, mianara mijanona kely alohan'ny hamaliana. Rehefa tezitra na voatsikera ianao, aza mamaly avy hatrany fa maka fotoana kely, miaina lalina, ary eritrereto izay mety ho vokatry ny teninao.
👉 Faharoa, fantaro izay tena mampihetsika anao. Rehefa fantatrao ireo zavatra mahatonga anao ho tezitra, ho kivy na ho defensif, dia mora kokoa ny miomana sy mifehy ny fihetsikao.
👉 Fahatelo, saraho ny fihetseham-po sy ny décision. Mety ho tezitra ianao, nefa tsy midika izany fa tokony handray fanapahan-kevitra amin'ny fahatezerana. Ny leader matotra dia mahay miandry mandra-pilamin'ny sainy vao manapa-kevitra.
👉 Fahaefatra, mianara mihaino na dia tsy mitovy hevitra aminao aza ny olona. Tsy voatery hamaly ny tsikera rehetra ianao fa indraindray, ny fahanginana sy ny faharetana dia maneho fahatokisan-tena kokoa noho ny valin-kafatra mafy.
✨ Amin'ny leadership, rehefa mahay mifehy ny fihetseham-ponao ianao dia lasa milamina kokoa ny ekipanao, mitombo ny fitokisany anao, ary mihamafy ny influence-nao.
Tsarovy fa tsy ny olona tsy tezitra mihintsy akory no manana emotional intelligence, fa ilay olona mahatsapa ny fahatezerany nefa mahay misafidy ny fomba hamaliana azy.
> Rehefa mifehy ny fihetseham-ponao ianao, dia tsy mamoy ny influence-nao amin'ny fotoana sarotra