01/09/2026
OFISIALY ✅
Dara Jikiemi , vodilaharana afovoany , 16 taona, mpilalaon’ny Celtic ( D1 🏴 ) teo aloha.
Hanatevin-daharana ireo bandy kely ao amin’ny Academy izy manomboka izao ary hilalao hiaraka amin’ny U18.
🔴🔴
31/08/2026
Bradley Barcola 🇫🇷
Io izy ary e😍😍
Hitondra ny fanamiana faha firy izy 🤔👇
Misy miteny hoe 2️⃣9️⃣
Misy indray miteny hoe 1️⃣1️⃣ solon’i Salah.
🔴🔴
31/08/2026
OFISIALY ✅
Nisy ny fifanarahana ambava eo amin’ny Liverpool sy ny klioban’ny Genk. Ho lasa mpilalaon’ny Liverpool i Lucca Brughmans , izay mpiandry harato vao 18 taona monja.
Manodidina ny 35 tapitr’isa euros ny sandan’ny fifindrany ary amin’ny 2027 izy vao hifindra ato amin’ny klioba.
Izany moa dia tafiditra ao amin’ny hijerena ny handimby an’i Mamardashavili , ity farany mety hiala ny klioba.
(✍️ Fabrizio Romano)
🔴🔴
31/08/2026
OFISIALY ✅
Richard Huges, talehan’ny fanatanjahantena ny klioba ( Directeur Sportif) , hiala tsy hitana io andraikitra io intsony ny tenany manomboka ny volana septambra ho avy izao ary hifindra any amin’ny klioban’ny Al - Hilal (D1 any Arabie Saoudite 🇸🇦) .
Nandritra izay 2 volana izay, dia efa niandraikitra ny fifindrana mpilalao tany amin’ny Al-Hilal ny izy , any ka lasa anjorom-bala ny tato amin’ny Liverpool.
(✍️ Romain Molina)
Iza no itanao fa tokony hasolo azy🤔👇
🔴🔴
29/08/2026
VOKATRA FARANY🔴
Liverpool 🆚 Not. Forest : 2-2
⚽️ Isak , Munozz
Ahoana ny fijerinareo ny lalao🤔👇
🙏 Ialana tsiny nohon’ny fahatarana.
🔴🔴
27/08/2026
OFISIALY ✅
UEFA Champions League,
Ireto daholo ny klioba hidona amintsika mandritra ny anaty vondrona :
🏠 ATLÉTICO 🇪🇸
🏠 PORTO 🇵🇹
🏠 VILLARREAL 🇪🇸
🏠 LENS 🇫🇷
✈️ INTER MILAN 🇮🇹
✈️ CLUB BRUGES 🇧🇪
✈️ FENERBAHÇE 🇹🇷
✈️ LASK LINZ 🇦🇹
Aiza ho aiza ny fanantenana 🤔
Mahazo faha firy isika🤔👇👇
🔴🔴
27/08/2026
OFISIALY ✅
Bradley Barcola 🇫🇷,
Lasa mpilalaon’ny Reds ihany koa. Mitentina 100 tapitr’isa euro miampy 40 tapitr’isa bonus.
(✍️ Fabrizio Romano)
🔴🔴
27/08/2026
OFISIALY ✅
Toy izao ny fanamiana faha 3️⃣ amin’ity taompilalaovana ity.
Ahoana, tsara ve 🤔
Soraty ao 👇👇
🔴🔴
25/08/2026
[🤝🤝MERCATO]
Tadidintsika ve ty zandry kely ty?
Stefan bajčetić 🇪🇸,
Ilay zandry kely namiratra tamin’ny andron’i Klopp, isan’ny niandrandra azy daholo ngamba isika hoe izy no handimby an’i Fabinho saingy nohon’ny ratra nahazo azy , dia tsy niverina amin’ny heriny intsony izy. Re izao fa hiverina any amin’ny kliobany teo aloha izy dia ny Celta Vigo (D1 🇪🇸). Miandry ny filazana ofisialy isika.
(✍️ Matteo Morreto)
🔴🔴
24/08/2026
Jurgen Klopp 🇩🇪 sy Andoni Iraola 🇪🇸 sy Arne Slot 🇳🇱
Mitovy tamin’ny andron’i Klopp ihany no olantsika amin’izao dia ny contre attaque. Raha sendran’ny ekipa manao bloc ambany ka mahavita contre attaque aingana be isika, dia taraiky.
Izay no isan’ny olana tsy nandresentsika ny Real Madrid ( an’i Carlo Ancelotti 🇮🇹) mihitsy tamin’ny andron’i Klopp.
Izay kosa no tombony tamin’i Slot, ainy ny mandanjalanja an’iny ary isan’ny nandreseny ny Real Madrid indroa nisesy zany.
🔴🔴