02/06/2026
🚴♂️🎉 FÊTE DU VÉLO – 03 JUIN 🎉🚴♀️
Mpankafy vélo ve ianao? Sa te hizara fotoana mahafinaritra miaraka amin'ireo namana mitovy fitiavana aminao?
Tongava hiaraka aminay amin'ity balade en ville ity, fotoana iray hifankahalalana, hifampizarana traikefa ary hanamafisana ny fiaraha-monin'ny mpitaingina vélo.
✨ « Le plaisir de se réunir pour rouler ensemble sur des chemins magiques »
📍 Départ : 14H – Jovena Andranobevava
Hisy ihany koa ny dinika iarahana hampandrosoana ny tontolon'ny vélo eto amintsika.
🚲 Tongava maro ooo eh, samy samada eh !!!
05/04/2026
🌿 Miarahaba antsika rehetra 🌿
Ho antsika mpikambana rehetra, ireo namana akaiky sy lavitra, ary ireo mpankafy ity taranja mahafinaritra ity 🚴♂️,
Amin’izao ankalazana ny P***a izao ✝️, dia mirary ho anareo tsirairay avy fety sambatra sy feno fifaliana 😊,
ary indrindra koa fiadanam-po lalina sy fahasoavana ho antsika rehetra 🤍✨.
Enga anie ity fotoana manokana ity hitondra hery vaovao sy fandresena eo amin’ny fiainantsika 🙌🔥
SAMY SAMADA DAHOLO EH!! 🚴♂️💙
© 🇲🇬🚵💕
30/03/2026
📸 PARTIE 3
💖💖🚵🚵 Sombin-tsary mitahiry ireo fotoana mamy teo anivon’ny natiora, nanamarika ny hazakazaka bisikileta VTT XC/ENDURO " BIG CHALLENGE " teny Ambohimanga ny 29 Martsa 2026 — làlana sy havoana niarahantsika nizara ezaka, rivotra madio nanome aina, ary finiavana nitondra hatrany amin’ny tanjona.👊👊💪💪💪
© S'art Antsa Photography 📸
30/03/2026
📸 PARTIE 2
💖💖🚵🚵 Sombin-tsary mitahiry ireo fotoana mamy teo anivon’ny natiora, nanamarika ny hazakazaka bisikileta VTT XC/ENDURO " BIG CHALLENGE " teny Ambohimanga ny 29 Martsa 2026 — làlana sy havoana niarahantsika nizara ezaka, rivotra madio nanome aina, ary finiavana nitondra hatrany amin’ny tanjona.👊👊💪💪💪
© S'art Antsa Photography 📸
30/03/2026
📸 PARTIE 1.💖💖🚵🚵 Sombin-tsary mitahiry ireo fotoana mamy teo anivon’ny natiora, nanamarika ny hazakazaka bisikileta VTT XC/ENDURO " BIG CHALLENGE " teny Ambohimanga ny 29 Martsa 2026 — làlana sy havoana niarahantsika nizara ezaka, rivotra madio nanome aina, ary finiavana nitondra hatrany amin’ny tanjona.👊👊💪💪💪
© S'art Antsa Photography 📸
30/03/2026
Challenge accepté 🚵🚵👊👊
🚵🚵
👊
©🇲🇬
25/03/2026
Taomy daholo ny tapaka sy namana rehetra eh 🚵🚵🙌🙌 BIG CHALLENGE eny AMBOHIMANGA ny fotoana amin'ny Alahady ho avy Zao 🚵🚵
SAMADA BE io sao taraiky ah🚵🚵👊👊
©
27/01/2026
🎉🎉🎊 FIFAMPIARAHABANA NOHO NY TAONA VAOVAO 2026 🎊🎉
Ho an’ny mpikambana MADA VTT rehetra sy ny vady aman-janany,
dia faly izahay manasa anareo hanatrika ny fifampiarahabana ho fandraisana ny taona vaovao, izay hotanterahina:
📅 Alahady 01 Février
📍 Anosisoa Ambohimanarina (eo akaikin’ny BNI)
⏰ Manomboka amin’ny 9 ora maraina
🤝🤗 ENTANINA ISIKA REHETRA MPIKAMBANA MBA HO AVY DAHOLO,
satria hisy resaka sy dinika manan-danja hoentina hanombohana tsara ity taona vaovao ity
🍽️ Momba ny sakafo
➡️ Hisy fandraisan’anjaran’ny tsirairay amin’ny sakafo, 5.000 Ariary isan’olona.
➡️ Ho an’izay afaka tonga dia mangataka mba hanoratra anarana sy handoa vola mialoha any amin’i:
👤 Antsa Fifaliana Rafanomezantsoa
📞 034 86 812 23
Izany dia hoentina hikarakarana mialoha sy handaminana tsara ny hetsika.
👉 Raha misy koa manana zavatra azo entina (tsakitsaky, sns…), tsy ferana mihitsy ary raisina am-pifaliana 🤗👌
🙏 Maneho fankasitrahana sahady ho an’ny tsirairay izahay amin’ny
fandraisana anjara, fiaraha-miasa ary ny firaisankina
amin’izao fiatombohan’ny taona vaovao izao.
🚵♂️🇲🇬 SAMY SAMADA DAHOLO EH ! 🇲🇬🚵♀️
🎉🤗 Mirary fihaonana am-pifaliana 🤗🎉
© 🇲🇬 🚵 💕