28/08/2026
👉Tsy zah irery no mahavita ilay hoe 3 mois fa efa betsaka ireo ankizy notezaina mahatafavoka izany , mba vakio anie ity e !
👉Matetika aho rehefa mampikotrana dia miteny hoe miezaha mianatra ianareo fa zah tsy ho hitanareo eo foana zany , izay efa nampikotraniko mahay anio !
Ity Olona ity no anisany nanamarika ny salle Lios fit Gym , mbola nanao fanamborana ny tanana izahay tamin’izany saingy ny vavahahady efa nasianay sarisary mikotrana . Sasatra i lery tonga miaraka amin’ny Bicyclette (2020 ) manontany hoe : Mba roviagna ma salle ty vao mandray olona ? 🥱
Dia afaka 3 andro indray izy miverina misolo Bicyclette hafa indray , efa vita ma raha ty mba ela e ? Dia 🙄io poziko mijery azy !!
Farany vita ihany , tena anisany olona nanana discipline izy , tsy aiko na 47kg izy depart tamin’izany ,ny antony itenenako ilay ery ambony dia ny mba hahaizanareo mitondra ny tenanareo , mba mahaleo tena amin’ny zavatra atao fa izay lazaiko izay zah betsaka ny zavatra ataoko tsy ho eo foana zany aho fa mianatra tsara dia mahay avy eo !
👉Manaova hoy aho prise de Masse tsara , zah hoy izy Coach mba te hanana Abdo , dia noteneniko foana tamin’ny zareo ataovy tsara aloha ny safidy ampitombo vatana sa hanana abdos fa zavatra tsy miaraka ireo , ny iray surplus calorie ny iray deficit calorie , dia manao mimonomonona eo zareo hoe mmmmm tsy mba hanana abdo mintsy zany raha ty tsy mety vita ny mitombo ze efa navy eo tiagna iampy fô🤧🙈
👉Hisaorako izy ary deraiko manokana satria mbola ilay sary 1 io no niala taty Tana nifindra any amin’ny faritra , miantso sy mandefa mp tsindraindray eo fotsiny izy rehefa tena misy tsy tafavokany dia mamaly aho fa en general ny 80% ny zavatra natao dia ny base nomena no mitondra azy , satria ilay sèche zavatra mbola tsy nataony dia ilay 20% zany no nampiko kely 🙏🏿💪🔥🔥
👉Faly rehefa mahita ankizy mivoatra sy mahatratra ny tanjony fa indrindra koa ny mentalité azonao nandritra io periode sèche mafy be io dia hitondra anao ho mafimafy kokoa amin’ny zavatra rehetra atanao tsy ny kotrana ihany fa ny fiainana manontolo mintsy !!
Maro be ianareo no efa nahavita zavatra milay be , mitsodrano foana Coach raha misy ilaina dia eo foana aho , mety occupé indraindray fa mamaly arakaraka ny fotoana eo foana 🙏🏿🙏🏿 alefaaa🔥🔥🔥🔥
Coach Lioscar Rollando
Bouti-shape
28/08/2026
Averina foana fa raha bika no tanjonareo aza maika ny mihena be zany , ny olona mitady bika tsy maika amin’ilay hoe firy kg zay no afaka ?
26/08/2026
Retour en force tsy misy fiafarany nenao !
25/08/2026
Io vao ambany Testostérone dia sarotra ny amoronana muscle , izay no tena hevitra ngeza fonosin’ny repos sy torimaso !
25/08/2026
Mba hoe vary 150g ihany dia vao tsaratsara ny laoka dia manampy vary foana !
24/08/2026
Tahaka izao hono ny Reéquilibrage alimentaire an’i Betina Rh , dia nanontaniako hoe inona zany no maha sakafo ara-pahasalamana an’zao dia ngah hono tsy itan’la izy tsy misy laoka io sady tsy mitafotafo be 🥱
Ao anie betsaka no mody maka sary sakafo publiena fa avy eo izy manampy vary sy laoka ze misy ao antanana ao , miady mintsy hoe aleo rty mba ho anah ty a!
22/08/2026
Mba nanontaniko i Chatgpt dia io navaliny tsy hay hoe bevoka angamba vadiny dia kizitina be !
22/08/2026
Mandeha ny fotoana 2018-2026
🤞Ilay 2018 aloha tena mokondoa no nentina , vao 1 taona nanaovana musculation aho teo fa mokondoa moa no natao mafy be dia hoe aleo tonga dia manao competition , Juin 2016 aho mbola nanao championnat de Madagascar ny taranja Athletisme (100m-200m)
🤞Avril 2017 no tapakevitra fa ivadika musculation no atao fa ny tao antsaina dia hoe mila mahavita mihoatra noho ny vitako tao amin’ny Athletisme sy Foot aho 💪🔥Lany fotoana fotsiny raha amono saison tsy anao fifaninana satria tsy tena hanome 100% zany amin’ny zavatra atao , noho izany aleo tonga dia manao preparation competition !
👉 Isaorako be dia be ny Club BBA gym tena hoe nitaiza nanomboka ny taona 2018 ka hatramin’izao , ireo olona expérimenté ao anatinio Club io no tena nampivoatra aingana 🙏🏿🙏🏿
👉Ny hafatra kely raha tena tinao ny kotrana dia mila miasa mafy fa miankina amin’ny stabilité ny fiainanao no hahavitanao io misimisy kokoa na tsia , alamino tsara ny fiainana dia mandeha ho azy ny zavatra rehetra , aza manao fanatika be fahatany fotsiny hoe tiko ity dia tsy maintsy ataoko fa mahaiza mampifandanja ny fahafahafana sy ny zavatra atao ! Mirary soa !
Coach Lioscar Rollando
Bouti-shape
21/08/2026
Rehefa kely vavony ka manao prise de masse dia aza blokena amin’ny legume sy sakafo be ranony ny kibo sy vavony !
21/08/2026
✅ CASEIN
👉 Protéine plus..
👉Ny Caseine dia source proteine mitovy ny Whey ihany fa ny fandraisan’ny vatana azy no miadana (Absorption lent ) , ny tena tsara andraisana azy dia mialohan’ny atory 🔥🙏🏿💪
-Raha manao sèche ianao ,ilaina be izy ho an’ny recuperation sy construction musculaire , mba tsy maheno noana be loatra mandritra ny alina 💪
-Raha manao prise de masse ianao , tena manampy betsaka amin’ny construction musculaire ! 💪
Tahaka izao ny zavatra hita ao aminy 👇
✅ Par /100G 💥
- Protéine 75 G
- Magnesium 333MG
- Cla 333 MG
- Glutamine. 10G
- BCAA 5.5G
- EAA 50G
♻️ 30 serving...
👉Vidiny tena mora satria 1kg :250 000Ar 😱🔥
Parfum : chocolat
: vanille
Mandefa Mp ato amin'ny page Bouti-shape izay anao commande na tonga dia miantso Tel: 038 83 06636