Mada Sport Info
Chaine Sportive
31/01/2024
Can 2024
⚽️Ity ny tabilao ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika.
27/09/2023
⚽Baolina Kitra - CAN 2025
Alarobia 27 septambra 2023 - Maroc🇲🇦 no voatendry hampiantrano ny fiadina ny tompondakan'i Afrika amin'ny baolina kitra 2025.
Nambaran'ny filohan'ny CAF Patrice Motsepe tao Le Caire taorian'ny fisintahan'ireo mpifaninana tamin'i Maroc, isan'izany Algérie🇩🇿.
Ny andiany 2027 dia hatao any Ouganda🇺🇬, Tanzanie🇹🇿 ary Kenya🇰🇪 raha toa ka any Cote d'ivoire🇨🇮 no hanaovana ny andiany 2023 izay hatao ny taona 2024.
14/04/2023
📣Baolina kitra – Ny coach Romuald Rakotondrabe na i "Rôrô" no voatendry indray hanazatra ny Barea amin'ny lalaon'ny Nosy hotanterahina ny volana aogisitra 2023. ⚽️🇲🇬
🟢Efa ofisialy izao, fa i Romuald Félix Rakotondrabe na coach Rôrô no hitondra ny Barea mandritra 𝗝𝗲𝘂𝘅 𝗱𝗲𝘀 𝗜̂𝗹𝗲𝘀 𝗱𝗲 𝗹'𝗢𝗰𝗲́𝗮𝗻 𝗜𝗻𝗱𝗶𝗲𝗻 na JIOI hotanterahina eto Madagasikara ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra 2023. Nanapa-kevitra ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa ho ankinina aminy ny Barea izay hiatrika ny lalaon’ny Nosy Indianina amin’ity taona ity. Mitohy arak’izany ny lalana ho an'i Romuald "Rôrô" Rakotondrabe sy ny Barea.
🟢« Nifarana taorian’ny Chan ny fifanekena na contrat nataon’ny mpanazatra Rôrô tamin’ny FMF ary fifanarahana vaovao indray no natomboka tamin’izao fanendrena azy ho filohan’ny Barea ho an’ny lalaon’ny Nosy izao”, hoy Victorien Andrianony, filoha vonjimaika ny federasiona, ny alakamisy teo.
🟢7 ny nosy handray anjara amin’ny taranja baolina kitra mandritra ny JIOI 2023. Madagascar mpampiantrano, Comores, Maldives, Mayotte , La Réunion , Seychelles, ary ny nosy Maurice izay tarihin’i Fidy Rasoanaivo no ho hifaninana mandritra izany.
🟢Nanambara hatrany ny filohan’ny FMF fa sarobidy coach Roro ary maro ny mbola ilana azy amin’izay baolina kitra Malagasy izay. Etsy ankilany , tsy mbola fantatra hatreto ny mahakasika an’i Nicolas Dupuis mpanazatra ny Barea A teo aloha, izay efa nanambara ny fikasany hiala tsy ho mpanazatra ny Barea intsony taorian’ny ny fifanintsanana Can 2023. Mbola tsy misy mantsy hatreto ny taratasy ofisialy mahakasika izay fialany izay araka ny fanazavan’ny FMF. Ary mbola baraingo hatreto izany hanazatra ny Barea izay handray an’i Black Stars an’i Ghana etsy Mahamasina ny volana jona 2023 izao izay andro faha-5 ny fifanintsanana CAN 2023.
⚽️
18/03/2023
📣Baolina kitra : Nodimandry androany hariva tamin'ny faha 66 taonany i Dezy Monstre
▶️Nodimandry io hariva io tamin'ny faha 66 taonany Rakotonirina Désiré na Dezy Monstre, araka ny vaovao nampitain'ny zanany, ary namafisin'ny Federasionina Malagasy ny baolina kitra.
▶️Kintan'ny baolina kitra malagasy ny taona 70 sy 80 i Dezy. Anisan' ny nandrafitra ny ekipam-pirenena Club M izy ary nilalao tao amin'ny Club Sotema, nitana ny toerana irakiraka afovoany.
▶️Fahatapahan'ny lalandra any amin'ny loha no nahatonga izao voina izao araka ny fanazavan'ny zanany.
17/03/2023
📢NICOLAS DUPUIS
Hijanona, tsy hanohy ny maha mpanazatra ny BAREA azy intsony i Nicolas Dupuis ao aorian'ny fifanintsanana CAN 2023 na tafiakatra na tsia araka ny nambarany nandritra ny resaka nataony tao amin'ny OPL SHOW.
Mijanona ho baraingo hatreto ny aorian'izany , iza indray no hanazatra ny Barea ?!
https://www.facebook.com/watch/?v=569655188468670
03/03/2023
🖇🇲🇬Ireo mpanazatra nifandimby nanazatra ny ekipam-pirenena malagasy ny baolina kitra ekipa A.👨💼⚽️
🇩🇪Peter Schnittger (1978-1985)
🇲🇬Justin Rasoloharimahefa (1994)
🇲🇬Claude "Ntsoa” Ravelomanantsoa (?-Février 2001)
🇲🇬Vincent Randriamirado (2001)
🇲🇬Jeremia Randriambololona (2001)
🇨🇭Hans Heiniger (2002-2003)
🇫🇷Jean-Paul Rossignol (Mars 2007-Avril 2007)
🇲🇬Hervé Arsène (2007-2008)
🇲🇬Mickael Nivoson Andrianasy (2008)
🇲🇬Jeremia Randriambololona (2008)
🇫🇷Jean-Paul Rabier (20 avril 2010-23 février 2011)
🇲🇬Mosa (2011)
🇲🇬Frank Rajaonarisambla (2011-2012)
🇲🇬Auguste Raux (2012-2014)
🇲🇬Frank Rajaonarisamba (2014-2016)
🇲🇬Auguste Raux (2016-2017)
🇫🇷Nicolas Dupuis (10 mars 2017-30 avril 2021)
🇲🇬Éric Rabesandratana (depuis le 30 avril 2021)
🇫🇷Nicolas Dupuis (depuis le 29 avril)
⚽️
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Category
Website
Address
Antananarivo
101