Parents Fanantenana ASF

Parents Fanantenana ASF

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Parents Fanantenana ASF, Sports Club, Maibahoaka, Antananarivo.

26/08/2026

Efa ao anatin'ny fanomanana ny Katita rehetra ny AS FANANTENANA amin'ny tournoi AEFA izay efa tsy ho-ela intsony, ny baolina kitra Dia mitaiza ho-olom-banona hatrany.

Mandroso miaraka amin'i Jesoa hatrany.

23/08/2026

Ny omaly Dia efa nametraka ny Katita amin'ny sokajiny avy ny Staffs, Misaotra an'i Coach Faniry sy i Coach Hary.

18/08/2026

Sokajy U13: Tournoi SFA 105

AS FANANTENANA vs STK Ambodihady
Riccardo kapiteny no nampiditra ny baolina hoan'ny AS FANANTENANA, marihina entoana fa i Riccardo no mpamono baolina betsaka ao anatin'ity fifaninana ity,

Ny AS FANANTENANA Dia efa manomana hatrany ny fandraisana anjara amin'ny Tournoi AEFA 2026/2027.

17/08/2026

Toy izao manaraka entoana izao ny fandaharam-potoana ny FANABEAZANA amin'ity herinandro ity:

N'y sokajy senior manomboka ny Alarobia, Alakamisy sy Zoma ary ny Sabotsy maraina amin'ny 5 ora.

N'y sokajy Katita rehetra Dia ny Alarobia, Alakamisy, Zoma ary ny Sabotsy maraina amin'ny 7 ora.

Mandroso miaraka amin'i Jesoa hatrany.

Photos from Parents Fanantenana ASF's post 17/08/2026

Androany Alatsinainy, Na Dia Téo aza n'y orana Dia tsy nahasakana an'ireto Katita ireto hiatrika lalao ara-pirahalahiana izay efa fiaraha-miasa amin'ny sekoly IN SOCCER, entoana Dia Misaotra Anareo Ray AmanDreny sy ny mpilalao rehetra ary ny tompon'andraikitra sy Ianareo mpilalao ao amin'ny sekoly In Soccer, tsara hatrany ny fifampizarana.

Mandroso miaraka amin'i Jesoa hatrany.

Photos from Parents Fanantenana ASF's post 15/08/2026

Tournoi des jeunes SFA 105: ny AS FANANTENANA U13 Dia nanao ady sahala 1 sy 1 nanoloana ny STK Ambodihady.

Tsara ny lalao fa Mila fifantohana hatrany.

Mandroso miaraka amin'i Jesoa hatrany.

Photos from Parents Fanantenana ASF's post 15/08/2026

Vokatra Androany tournoi SFA 105: As Fanantenana sokajy U11 Dia nandresy ny klioba JTM Ivato tamin'ny isa 2 sy 0.

Tsara ny endrin-dalao, nampiseho fahavononana tsara ry Katita Kely.

Mandroso miaraka amin'i Jesoa hatrany.

Photos from Parents Fanantenana ASF's post 12/08/2026

Rehefa mitovy fijery na ekipa iray ny Ray AmanDreny sy ny mpanabe Dia mahazo mahatoky isika fa tsy maintsy hotratrantsika Ilay tanjona, nateraka ho mpandresy isika Dia ambony hatrany ny Fanantenana.

10/08/2026

Katita vao Senior, aza adino rakizy ny kotrana Mila mifampilaza hatrany ary ianareo senior no modely, Dia aza maika fa mianara hatrany aloha.

Photos from Parents Fanantenana ASF's post 10/08/2026

Ny kapiteny Dia ohatra velona na modelin'ireo mpilalao rehetra, tsy diso safidy ny AS FANANTENANA tamin'ny fametrahana Anao ho kapiteny Rino, Misaotra Anao tamin'ireo lalao rehetra sy ny fiarahana rehetra, ny Sabotsy Téo Dia noporofoinao ny fitiavanao ny sekolintsika, nametraka ny mahasoa Ianao ahafahan'ireo mpilalao rehetra na ny Katita hivoatra amin'ny fiainana, aza adino hoy Ianao fa ato amin'ny AS FANANTENANA Dia tsy maintsy mianatra sy mikotrana ary manaja fitsipika Dia mametraka ny hoavy mandrakariva amin'i Jesoa.

Misaotra Rino Dia mirary ny Soa sy ny tsara hatrany.

Hoy Ianao hoe Fanantenanapourlavie.

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address


Maibahoaka
Antananarivo