skate amin'ny lalan-tany.
NOOB SKATE DAY! ( Sabotsy, 15 Aogositra 2026 - Imerinkasinina)
Andro natokana ho an'ireo skater amateur. (Na manosika sy mitsako frein fotsiny aza no hainao) Sortie, picnic, challenges hazahoana loka maro be.
Ary ny tsy adino dia ny skatenao,... Hisosa eraky ny Imerinkasinina isika.
MAIMAMPOANA ny fahatongavana sy ny fandraisana anjara amin'ny challenges. Ary afaka tonga ireo efa mahay kanefa tsy afaka mandray anjara fotsiny.
Faingo D
Mampiseho anareo izao tontolo izao amin'ny fahitana hafa.
29/07/2026
NOOB SKATE DAY!
Manosika ny mbola hainao? Mety tsara aminao ito andro ito.
Andro iray natokana ho an'ireo izay mbola skater amateur rehetra eto Madagasikara.
Andeha hiaraka hisosa, hillalao, hampitombo fahaizana amin'ny alalan'ny CHALLENGE maro be izay azahoana loka maro dia maro ihany koa a!
Fandraisana anjara MAIMAIMPOANA! ka tongava maro.
Ny fotoana:
- Session cruiser: misosa isika eraky ny IMERINKASININA.
- Challenges maro mahafinaritra
- Loka maro no ho zaraina amin'io
- Hiara- hisakafo sy hifankafantara isika koa aza adino ny sakafo atoandronao.
Daty:
Sabotsy, 15 Aogositra 2026
Any Imerinkasinina amin'ny 8 ora maraina - 3 ora tolakandro.
Ho an'ireo izay mila transport dia hiangaviana hisoratra anarana mialoha. (Frais 5000ar) manasa anao hiditra hafatra miafina. (mp)
Ampiasao kely anie ny imagination-nao fa mahita défi eraky ny fiainana ianao fa tsy voatery hiandry spot hangatahana amin'ny fanjakana vao hikotrana.
NOOB SKATE DAY! dia andro iray nokarakarain'ny FAINGO D natokana ho an'ireo skater mbola amateur. (Izany hoe hataontsika hoe manosika skate hatreo amin'ny Ollie tsy mbola tsara be no mbola hainy) . Androntsika ity. Manasanareo ny FAINGO D ho tonga amin'ny Sabotsy, 15 Aogositra 2026 izao ho eny IMERINKASININA. Hifankafantatra, hiara-hisakafo, hilalao, hisosa sy hisy défi maro ho lalaovina ary loka maro be dia maro be no ho zaraina. Sady amin'izao fialantsasatra izao, andeha haka rivotra madio.
Hisy ny transport en commun ho an'ireo izay mila izany (Frais 5000ar eo, fa mety mbola hilatsaka) ka manasanao hisoratra anarana mialoha ho an'ireo handeha fiara.
Marihina fa maimaimpoana ny fandehanana, sy fandraisana anjara amin'io andro io ka dia taomy, mivoaha isika skater rehetra vao manomboka rehetra any...
Ho an'ireo izao mitady skateboard pro, ny ato amin'ny FAINGO D dia manomboka 160.000ar hatramin'ny 250.000ar.
Tsy voatery hoe rehefa skateboard dia mila mahay trick izay fa misy ny cruise...
Tsy voatery lalana malama vao mety amin'ny skateboard.
🙆♀️Tony
Skateboard pro: 180.000ar - 250.000ar
Tapahan'i FACEBOOK foana izay hira eo nefa ilay izy dispo anaty facebook.
Ho an'ireo izay mitady SKATEBOARD PRO: 180.000ar - 250.000ar
Ho an'ireo izay mitady mpampianatra ihany koa , izay vao hanomboka ka mila fanampiana. Manasa anao hanantona MP fotsiny.
Tongava daholo any MASAY amin'ny Sabotsy 25 Jolay ho avy izao.
Dia aza adino ny sakafo atoandro fa hiara-hisakafo isika mianakavy.
18/07/2026
Salama daholo isika, Ity indray ny fotoana hiarahan-tsika manaraka. Ny 25.07.26 ho avy izao dia andro iray lehibe hoan'ny "Christian Skater Africa" atao hoe Continent Day, dia mankalaza izany koa isika miaraka amin'ireo firenena maro hafa.
Any amin'ny "SKATEPARK MASAY" ny fotoana manomboka amin'ny 09h maraina.
Aza adino ny mitondra sakafo atoandro. 🥪
Tongava daholo eh...
Skateboarding Malagasy Educational Group - SMEG Legalizeo
Nollie 360 Shovit.
Tony mianatra Front Side Pop Shovit
Click here to claim your Sponsored Listing.
Location
Contact the business
Telephone
Address
Analamanga
Antananarivo
101