16/07/2026
📢Andao hiditra anaty sehatra vaovao indray eh😊
🌐Fanatrao ve izany "Wikipédia" izany?
Ny "wikipédia" dia raki-pahalalana malalaka sy maimaim-poana izay ahafahan’ny olona rehetra mandray anjara. Misy amin’ny fiteny maro, tantanan’ny vondrom-piarahamonina maneran-tany. Manana tanjona hizara fahalalana ho an'ny olon-drehetra izy.
💡Manana rantsana eto Madagasikara izy ireo antsoina hoe "wikimedia Madagascar".
🗓️Amin'ny 22 jolay ho avy izao izy ireo dia hanolotra atrikasa ho antsika momba ny hahafahana mizara fahalalana, hampahafantatra an'i Madagasikara amin'izao tontolo izao ao amin'ny "Wikipédia"
Toy izao avy ny fepetra hahafahana manatrika io atrikasa io:
- Mpianatra manana finday azo idirana ao amin'ny aterineto;
- Vonona hianatra sy hifampizara;
- Manam-potoana hifampizarana.
Raha mahafeno ireo fepetra ireo ianao dia mandefasa haingana hafatra miafina any amin'i Nomena Tiana Hiarijaona fa mpianatra 15 isa ihany no afaka mandray anjara amin'ity atrikasa andiany voalohany ity. Raha mila fanazavana fanampiny koa dia afaka mandefa hafatra miafina aminy.
______________________________________________
📅Daty: alarobia 22 Jolay 2026
🕐Ora: 01 ora- 4ora
🏠Toerana: Tranomboky Siméon Rajaona Ankatso (BM)
15/07/2026
FIVORIAN'NY TOMPONANDRAIKITRY NY SOKAJY
PREFA 1/4
14/07/2026
1ÈRE JOURNÉE - PHASE DE POULE 🏀
📆 Mercredi 22 Juillet 2026
⏰ 12h30
📍 Ankatso Ambony
14/07/2026
💥Efa ho avy indray ity ny fifaninana ara-panatanjahan-tena ato amin'ny fakioltentsika.
❓Mety hisy hanontany tena hoe iza aza no hisolo tena ny Zanatsehatra Malagasy amin'izany?
⚽🏀🎱Hasesintsika alefa eto amin'ny pejy izy ireo fa ny anio aloha dia ireto mpilalao baolina kitra sokajy lehilahy ireto no ampahafantarina antsika..
📌Ho avy eo ihany ny sasany fa aza miala alavitra😁
13/07/2026
Le jour J est enfin arrivé ! ⚽🏆
La Phase de Poule du tournoi Football Intermention FLSH 2026 débute ce mercredi 22 juillet à Ankatso Ambony.
Découvrez le programme complet des chocs de ce mercredi :
12:15 (Poule A) : Anthropologie 🆚 Malagasy
13:00 (Poule D) : Histoire 🆚 MEFF
13:55 (Poule B) : Géographie 🆚 Germaniques
14:50 (Poule C) : Russe 🆚 COMMO
Quelle mention décrochera les 3 premiers points?
Racontez-nous vos pronostics en commentaire !
Faculté des Lettres et Sciences Humaines- Antananarivo
Aeflsh - Université d'Antananarivo
12/07/2026
📢 FIANTSOANA FIVORIANA
Antsoina ny solontenan'ny mpianatra sy ny tomponandraikitra sokajy rehetra ato amin'ny fikambana'ny mpianatra hivory amin'ny alarobia 15 jolay ho avy izao. izany dia hatao mba hanatsarana ny fomba fiasa ato amin'ny fikambanana sy hiatrehana ny enimbolana manaraka.
Toy izao ny fandaharam-potoana amin'izany:
🕐 01 ora - 2 ora 30min: Fivorian'ny tomponandraikitry ny sokajy.
🕑 2ora 30min - 4ora : Fivorian'ny solontenan'ny mpianatra ( solontena isaka ny girady sy solontena isam-bondrona)
11/07/2026
📢 SAHY HAKA SEHATRA VE IANAO?
💻Manana talenta amin'ny tontolon'ny "GRAPHISME" ve ianao ary te hampiasa izany ho fampandrosoana ny mpiara-belona? Ny FMZaM: Fikambanan'ny Mpianatra ao amin'ny Zana-tsehatra Malagasy dia mitady olona vonona sy afaka hifanampy amin'ny lafiny famolavolana sary fanehoana na petadrindrina.
📌Tsy voatery ho efa mahay be fa ny fahavononana miaraka amin'ny fahalalana efa ananana no zava-dehibe😊
📩 Ahoana no handraisana anjara? Mandefa hafatra miafina (MP) ato amin'ny pejy avy hatrany na amin'i Ricky Jonhson ho anao izay vonona hiara-hiasa aminay.
❓Raha mila fanazavana fanampiny koa dia afaka tonga ao amin'ny hafatra miafina.
🤝Andao hifanome tanana ho an'ny tombontsoa iombonana!
06/07/2026
⚽ GRAND MATCH AMICAL DE FOOTBALL : LE CHOC DES CULTURES ! 🇲🇬🤝🇨🇳
L'histoire et la fraternité se rencontrent sur le terrain ! La FMZaM (Fikambanan'ny Mpianatra Ao Amin'ny Zanatsehatra Malagasy) et l'AEICUA (Association des Étudiants de l'Institut Confucius d'Antananarivo) s'affrontent lors d'un match amical exceptionnel.
📅 Les détails du rendez-vous :
Date : Mercredi 8 Juillet 2026
Heure : À partir de 14h00
Lieu : Terrain de football d'Ankatso Ambony
Venez nombreux soutenir vos équipes, célébrer l'amitié estudiantine et partager un moment de pur esprit sportif. L'ambiance s'annonce électrique et festive sur les hauteurs d'Ankatso ! 🔥
Qui remportera ce duel fraternel ? Donnez vos pronostics en commentaire ! 👇
01/07/2026
"TENIN'NY TANY: ANTOKY NY FANABEAZANA MAHOMBY, FOTOTRY NY FANDROSOANA MATEZA"
📚Navoaka omaly 30 jona 2026 teny Ankatso ny boky rakitry ny hetsika fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenindreny 21 febroary 2025.
📖Boky 209 pejy mirakitra ny fikarohana momba ny haiteny sy ny lahabolana ary ny serasera, azontsika mpianatra hanovozana fahalalana sy hanohanana hevitra amin'ny fikarohana ataontsika.
23/06/2026
💥 Miarahaba an'ireto mpianatra avy ato amin'ny Zanatsehatra Malagasy ireto nandresy tamin'ny fifaninana nokarakarain'ny fikambanana teny gasy 2.0. Voninahitra ho an'ny Zanatsehatra Malagasy Ofisialy sy FMZaM: Fikambanan'ny Mpianatra ao amin'ny Zana-tsehatra Malagasy izao fahombiazanareo izao.
🏆FIFANINANANA HORONANTSARY
1️⃣ RAMIARIMIAKATRARIVO Onjamampita Rmj Miakatrarivo
2️⃣ RAHARIMANANA Tiana Fanantenana Valimbavaka
🏆FIFANINANANA LAHATSORATRA
2️⃣ RATOANDROARIMANANA Mirindra Salomon
3️⃣ RANDRIANARIVO Rolly Casimir