09/08/2026
Na dia hoe ilaina aza ny vola, androany ianao mety tsy manana fa rahampitso ianao manana. ๐ฏ
Ny zanakao, ny vadinao, ny ankohonana kelinao dia mila anao ihany koa ka araraoty ny fotoana hiarahana aminโizy ireo, mahaiza mitsinjara ny fotoana. โค๏ธ
pub : ๐ธ ๐ฑ๐๐๐๐, ๐๐ ๐๐๐๐๐๐
๐๐๐ ๐
๐๐ ๐๐๐๐๐๐
09/06/2026
๐ซ ๐ข๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐ฌ ๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ ๐ต๐ถ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ ๐๐ฒ ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ณ๐ถ๐ฎ๐ถ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ ๐บ๐ฎ๐ต๐ผ๐บ๐ฏ๐ โฅ๏ธโฅ๏ธ๐ซ๐ซ๐๐
1๏ธโฃ๐ก๐ ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐๐ฒ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ ๐ต๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ๐ป๐ :
Mahita hatrany ny lafiny tsara amin'ny toe-javatra rehetra.
2๏ธโฃ๐ก๐ ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ป๐ผ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐๐ ๐บ๐ถ๐๐ ๐ณ๐ฒ๐ฝ๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ :
Vonona hanampy sy hijoro eo anilanao amin'ny fotoana rehetra. โค๏ธ
3๏ธโฃ๐ก๐ ๐บ๐ฝ๐ฎ๐ป๐ผ๐ฟ๐ผ ๐น๐ฎ๐น๐ฎ๐ป๐ฎ :
Mizara ny traikefany sy ny toroheviny hanampy anao handroso. ๐๐
4๏ธโฃ๐ก๐ ๐ป๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ฒ๐ป๐ฎ ๐ถ๐๐ :
Mahitsy fo, marina ary tso-po, tsy mihatsaravelatsihy. ๐ฅฐ๐ฅฐ
5๏ธโฃ๐ก๐ ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐ณ๐ฒ๐ป๐ผ ๐ต๐ฎ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ผ :
Mampita hery sy aingam-panahy amin'ny hafa. โค๏ธ
6๏ธโฃ๐ก๐ ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐๐ถ๐ฎ ๐บ๐ฎ๐บ๐ผ๐ฟ๐ผ๐ป๐ฎ :
Manaitra ny sainao sy mampivelatra ny eritreritrao. ๐๐
7๏ธโฃ๐ก๐ ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ต๐ :
Mampiely hatsaram-panahy sy fitiavana manodidina azy. โค๏ธ
8๏ธโฃ๐ก๐ ๐๐ถ๐ฎ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ๐ฏ๐ ๐๐ ๐๐ฟ๐ฎ๐ถ๐ธ๐ฒ๐ณ๐ฎ ๐๐ฎ๐ผ๐๐ฎ๐ผ :
Mandrisika anao hivoaka amin'ny faritra mampahazo aina anao. ๐
9๏ธโฃ๐ก๐ ๐ต๐ฒ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ :
Manome fomba fijery lalina sy voalanjalanja.โฅ๏ธ
1๏ธโฃ0๏ธโฃ๐ก๐ ๐๐ถ๐ฎ ๐บ๐ถ๐ฎ๐๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ณ๐ :
Mampirisika anao amin'ny faharetana sy ny fahazotoana. ๐๐ฅณ
1๏ธโฃ1๏ธโฃ๐ก๐ ๐บ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ ๐บ๐ถ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ป'๐ป๐ ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ :
Mahay mifampiresaka sy mizara hevitra amim-pahombiazana.
1๏ธโฃ2๏ธโฃ๐ก๐ ๐๐ถ๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ๐บ๐ฝ๐ ๐ป๐ ๐ต๐ฎ๐ณ๐ฎ :
Mirotsaka amin'ny asa sy tanjona mahasoan'ny fiarahamonina.
1๏ธโฃ3๏ธโฃ๐ก๐ ๐บ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ต๐ผ๐บ๐ฒ๐ต๐ :
Mitondra hafaliana sy fahatsorana eo amin'ny fiainana. ๐๐
1๏ธโฃ4๏ธโฃ๐ก๐ ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐บ๐ฎ๐บ๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐๐ฎ๐ป๐ท๐ผ๐ป๐ฎ :
Mamporisika anao hanatratra ny tanjonao. ๐
1๏ธโฃ5๏ธโฃ๐ก๐ ๐๐ถ๐ฎ ๐บ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ :
Mikatsaka fahalalana sy fivoarana hatrany. ๐
1๏ธโฃ6๏ธโฃ๐ก๐ ๐บ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ ๐บ๐ถ๐ต๐ฎ๐ถ๐ป๐ผ :
Vonona handray sy hihaino ny olanao. ๐ง
1๏ธโฃ7๏ธโฃ๐ก๐ ๐บ๐ฝ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ผ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ท๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป๐๐ฒ๐ป๐ฎ :
Mandrisika anao hanana fiainana salama sy mavitrika. ๐ฅณ
1๏ธโฃ8๏ธโฃ๐ก๐ ๐บ๐ฝ๐ถ๐๐ฎ๐ฑ๐ ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐ผ๐น๐ฎ๐ป๐ฎ :
Manolotra hevitra manorina rehefa misy olana.
1๏ธโฃ9๏ธโฃ๐ก๐ ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐๐ผ๐ป๐ :
Miaina am-pilaminana amin'ny tenany sy ny manodidina azy.
2๏ธโฃ0๏ธโฃ๐ก๐ ๐บ๐ฝ๐ฎ๐ป๐ผ๐ป๐ผ๐ณ๐ :
Manampy anao hahita fahafahana sy vina vaovao. ๐๐
โจ Ny fahalalana izay olona hiarahana mandeha dia fanapahan-kevitra manan-danja. Mifidiana ireo olona mampandroso, manandratra ary manentana anao ho lasa olona tsara kokoa.๐ซ
Toky Ravo Arinirainy
14/05/2026
๐ ๐ญ๐๐ฉ๐๐ง๐ฅ๐ ๐๐๐๐๐ก๐ :
- Fandeferana
- Fitsipika mazava
- Fitiavana tsy misy fepetra
- Fanomezan-danja ny ezaka
- Feo malefaka
- Fotoana miaraka
- Filalaovana sy fihomehezana
- Hadisoana kely
- Fanantenana
๐ ๐๐๐๐๐ฅ๐๐๐๐ฅ๐๐ก๐ ๐๐ญ๐ฌ :
Afangaro aloha ny fandeferana sy ny feo malefaka, satria ao no mahatsiaro ho voaaro ny ankizy.
Arotsahy manaraka ny fitiavana tsy misy fepetra โ indrindra rehefa sendra andro sarotra.
Ampio fanomezan-danja, na aminโny teny tsotra aza : โHitako ny ezakao.โ โTiako ianao.โ
Ketrehina elaela ny fotoana miaraka : miresaka, mihaino, milalao, mihomehyโฆ ireo no fahatsiarovana entiny mandritra ny fiainany.
Asio hadisoana kely ihany koa mba hianarany amin'ny fiainana. Indrindra fa fitsipika mba hampisy arofanina.
Farany, araraka moramora ny fanantenana : โVitanao io.โ โMatoky anao aho.โ
Andrahoy elaela ao anaty faharetana sy famelan-keloka.
Dia arosoy mafana isanโandroโฆ โค๏ธ
Pejy - Mpanabe Fototra
02/05/2026
Ny atao hoe dia:
1. Tsy miantso๐olona mihoatran'ny indroa misesy. Raha tsy mamaly na tsy mandray io olona io dia eritreretro hoe manao zavatra.
2. Mamerina vola๐ต nindramina na dia mbola tsy mitaky ary ilay olona, izany dia mampiseho ny fahamendrehanao sy ny toetranao. Torak'izany koa ny elo๐sy ny penina๐๏ธ,...
3. Aza mi "commande" sakafo ๐ฑlafo vidy raha olona no manasa anao hisakafo.
4. Aza mametraka fanontaniana hafahafa toy ny hoe: "Oh nga mbola tsy manambady ianao ?, Tsy mbola niteraka ve ? Na manofa trano ve ? Na nahoana ianao tsy mividy tokotany sy fiara ?
5. Raha nandeha Taxi๐ miaraka amin'ny namanao ianao ka izy no mandoa ny vola ๐ธsaran-dalana dia ezaho mba ianao indray no mandoa amin'ny manaraka
6. Hajao ny hevitrin'ny hafa. Tsarovy fa samy manana ny fomba fijeriny ny olona. Raha 06 no itanao dia mety ho 09 amin'ny hafa
7. Aza manapaka ny olona miteny na miresaka. Avelao izy haneho ny heviny. Diniho izay lazainy dia sivano izay mety aminao
8. Raha mananihany (misangy) olona ianao ka toa tsy tiany dia ajanony ary aza atao intsony
9. Mitenena hoe misaotra rehefa misy manampy na manome zavatra anao.
10. Tsy fomba ny miteny hoe niha ngeza ianao na nihena ianao. Miteny aminao eo ihany izy raha te hiresaka lanja aminao
11. Rehefa misy olona mampiseho anao sary amin'ny findainy๐ฒ, aza ahisakisaka miankavia na miankavanana.Tsy fantatrao izay sary ao ambadika ao
12. Raha milaza aminao ny mpiara-miasa aminao fa hoa handeha Dokotera๐ฉบ, dia aza manontany azy izay mahazo azy, fa teneno fotsiny hoe" Mirary fahasalmana". Miteny anao eo ihany izy raha tiany ho resahana anao Ilay anton-diany any tobim-pahasalamana
13. Ataovy mitovy ny fahalalam-pomba na PDG na mpamafa trano ny manolona anao.
24/03/2026
Iza avy ny misotro kafe ato o??โ
Ity indray ary ny voka-tsoa entin'ny kafe ho an'ny vatana๐๐ฅฐ
24/01/2026
๐ฒ๐ฌ Ndao ho fantarintsika ny mikasika ny horohorontany, tsy hoe farandro fa zavatra voajanahary:
Horohorontany dia fihozongozonanโny tany tampoka.
Ireto ny antony lehibe mahatonga azy:
Fihetsiky ny takelaka tektonika
โ
๏ธโ Mifandona, mifanalavitra, na mifampisosa ireo takelaka lehibe mandrafitra ny tany. Rehefa mivaha tampoka ny tsindry dia miteraka horohorontany.
Fahavakisanโny vatolampy (faults)
โ
๏ธโ Misy tsipika fahatapahana ao anaty tany; rehefa mihetsika tampoka ireo faritra ireo dia mihozongozona ny tany.
Asa volkano
โ
๏ธโ Ny fiakaranโny magma sy ny fipoahanโny volkano dia afaka miteraka horohorontany.
Asanโolombelona (tsy dia fahita loatra)
โ
๏ธโ Toy ny fipoahana lehibe, fitrandrahana harena an-kibonโny tany, na famenoana tohodrano goavana.
Ny refin ny horohoro tany:
< 3: malemy, matetika tsy tsapa
4 โ 5: tsapa fa tsy dia manimba
6 โ 7: mahery, mety hanimba trano
> 7: tena mahery, fahasimbana lehibe
pub : ve ianao
13/01/2026
๐๏ธ๐ง๐ข๐๐๐ก๐ข ๐๐๐ง๐ฅ๐๐ก๐ฌ ๐๐ญ๐ฌ ๐
๐น Raha miteny izy hoe:
โTsy mahay ahoโฆโ
๐ Lazao aminy: โIzay indrindra no antony ianarana. Andao hiezaka.โ
๐น Raha miteny izy hoe:
โTsy vitako ityโฆโ
๐ Lazao aminy: โAo fa eto aho hanampy anao.โ
๐น Raha miteny izy hoe:
โDiso foana izay ataokoโฆโ
๐ Lazao aminy: โNatao hianarana ny fahadisoana. Tsara be fa efa miezaka ianao.โ
Ary aoka kosa tsy ianao no hilaza aminy hoe :
โTsy mahay ianao
โTsy vitanao io
โDiso foana izay ataonao
Aoka ianao hihaino, hanohana ary hampahery
โฆSatria ny teny kely lazainao androany,
dia mety ho heriny lehibe rahampitso.
Pejy - Mpanabe Fototra
05/01/2026
FILOZOFIAM-PIAINANA JAPONEY
Vaovao ny taona izao. Andao isika tena hanova izay tiantsika amin'ny fiainantsika fa tsy hijanona ho mpankafy ny an'ny hafa fotsiny.
Zaraiko aminao androany ny filozofiam-piainan'ny japoney mahatonga azy ireo mivoatra ka samy hampihatra izany.
Misy 5 izy io amin'ny ankapobeny ka manasa anao hamaky hatramin'ny farany.
1) *Kaizen*
Ny kaizen dia fanatsarana kely isan'andro mitohy. Tsy zavatra goavana be mitaky ezaka be fa kely fotsiny nefa atao mitohy isan'andro.
Ohatra : te hanena vatana.
Kaizen : manao marche 1 minute isan'andro.
Fa atao isan'andro io.
2) *Ikigai*
Ny Ikigai dia fitambaran'ny zavatra tinao+zavatra hainao+zavatra ilain'ny manodidina+zavatra hahazoanao vola.
Mila tadiavinao izany ary hiainanao isan'andro.
Rehefa tinao sy hainao ary ilain'ny fiarahamonina sy mampidibola anao ny ataonao dia mahafinaritra anao ny manao azy ary satrinao anao azy foana.
3) *Hara hachi bu*
Ny Hara hachi bu dia midika hoe tsy manao voky rehefa misakafo fa eo amin'ny 80% eo ihany no hoanina.
Rehefa voky manko dia malaina ny vatana. Ny japoney tena olona actif ary tena miasa be.
Araka ny fikarohana ihany koa dia mahalava andro hiainana ny fampiharana azy ity.
4) *Wabi sabi*
Manaiky fa tsy misy ny tonga lafatra.
Tsy atao mahakivy izany fa izay no lalam-piainana ary io dia amin'ny lafiny rehetra mihitsy.
Raha ohatra hoe nanao planina ianao ohatra hanao marche isan'andro nefa nisy andro tena tsy nahavita, dia tsy maninona izany fa tohizana indray ny ampitso. Ekena ny tsy fahatongavana lafatra ary tsy manome tsiny ny tena sy ny hafa.
5) *Ganbaru*
Ganbaru dia midika hoe fikirizana.
Rehefa ataonao ireo teboka 4 etsy ambony ireo dia mila fikirizana. Tsy mahazo mi-abandonne izany fa tohizana foana.
Rehefa mikiry ianao dia manomboka ny fiovana.
Izay no masaka azo natolotra an'io fa dia mirary taona feno fahombiazana hoantsika rehetra.
Aza adino ny mizara.
29/12/2025
๐จ๐ ATSAHARO NY MAMETRAKA CITRON AMINโNY RANO MAFANA BE!
โ ๏ธ Fahadisoana iray manimba ny soa ara-pahasalamany
๐ก Betsaka no mihevitra fa citron + rano mangotraka = dรฉtox mahery
โ DISO anefa izany, ary mety hanimba ny vatana mihitsy raha tsy fantatra tsara.
๐๐ฅ FA MANINONA NO TSY TOKONY HO AMINโNY RANO MANGOTRAKA?
โก๏ธ Ny Vitamine C ao aminโny citron dia:
MORA SIMBA aminโny hafanana mihoatra ny 60ยฐC
Rehefa atao anaty rano mangotraka:
โ Very ny vitamina
โ Mihena be ny antioxidant
โ Tsy mahavita intsony ny asany ho anโny hery fiarovana
๐ Midika izany fa:
Misotro citron ianaoโฆ nefa tsy mahazo ny tombontsoa ilainโny vatana
๐ฒโ ๏ธ IREO OLANA ARAM-PAHASALAMANA GOAVANA METY HO VOKATRY IZANY:
โ Fahasosorana vavony (Gastrite)
โ Asidra miakatra (Reflux gastrique)
โ Nify simba (noho ny asidra mafana)
โ Fanaintainana kibo sy fivalanana
โ Olona manana ulcรจre mety hiharatsy ny aretina
๐จ Izany no antony ilazana fa:
Tsy mety ho anโny olona rehetra ny citron aminโny rano mafana be
โ
๐ FOMBA TENA TSARA HISOTROANA NY CITRON
๐ฅโจ IRETO NO TENA HIKARAKARANA AZY
1๏ธโฃ Ampagotrao aloha ny rano
2๏ธโฃ Avelao hangatsiaka 5โ10 minitra
๐ tokony ho mafanafana (tiรจde) fa TSY mindranona @ ilaymangotraka
3๏ธโฃ mafanafana Vao asiana citron rehefa
4๏ธโฃ Citron vaovao voasasa tsara no ampiasaina
5๏ธโฃ Azo asiana:
๐ฏ tantely kely (raha tsy diabeta)
๐ฟ gingembre kely (raha mahazaka)
โฐ๐ FOTONANA TSARA HISOTROANA AZY
๐ Maraina vao mifoha (vavony mbola tsisy nininona )
๐ na hariva alohanโny sakafo
๐
โก๏ธ 1 vera isan'andro dia ampy
โ Aza mihoatra ny 2 vera isanโandro
๐ฅ HOAN'IREO OLONA :
te hanatsara fandevonan-kanina
te hanadio vatana (dรฉtox doux)
te hanamafy immunitรฉ
manana constipation malefaka
โ Tsy tsara ho anโny:
manana ulcรจre
manana reflux gastrique mafy
manana olana aminโny nify
zaza madinika (raha tsy toro-hevitra ara-pitsaboana)
โจ Citron = tsara ho anโny fahasalamana
๐ฅ Rano mangotraka = manimba ny soa ao aminy
๐ง Rano mafanafana = mitahiry ny vitamina
๐ Ny fahalalana no fiarovana voalohany ho anโny fahasalamana
๐ Pub : @ Fitsaboana azo antoka & torohevitra mahasoa (abonneo ny pejiny)