Njanahary

Njanahary LA VOIE DU SOLDAT. MOTIVATION💪🏽 MINDSET🧠CONSEILS🫡 POSITIVE LIFE🔥 Sujet de société
Ancien MILITAIRE Armée de terre 🇨🇵

ALEFA👊🏽
[email protected]

20/09/2026

DISCIPLINE 🔥 🔥 Ataoko na dia kamo aza aho❗️ Alahady hariva ny andro. Nifetifety nandritry ny week-end🍺🍾. Reradreraka. 3 andro tsy nikrôsy.
Kamo be aho hiazakazaka. Nefa ilay tanjona hiazakazaka 1500 km ao anaty 1 taona tsy ho vita raha tsy ataoko.
Dia lasa ihany nikrôsy, satria raha tsy izaho no manao azy, tsy tratrako ny tanjoko.

📛Tsy tongalafatra ny vokatra, fa faly satria resiko ny hakamoako.😁

➡️Rehefa tsy misy motivation, dia asio DISCIPLINE ❗️

🔥🔥TANJONAO, ANDRAIKITRAO🔥🔥

ALEFA ✊🏽
Zarao amin'ny namanao ity publication ity fa hanampy azy 🫡 Antsoy izy hanaraka ny pejy😁Abonnéo ny pejy ✊🏽

MAKÀ 5 MINITRA HO AN'NY TENANAOAlahady ny andro, mifarana ny herinandro. Te hanatsara ny herinandronao ho avy ianao ❓️Ma...
20/09/2026

MAKÀ 5 MINITRA HO AN'NY TENANAO

Alahady ny andro, mifarana ny herinandro. Te hanatsara ny herinandronao ho avy ianao ❓️

Manontania tena hoe:

Tamin'iny herinandro lasa iny :
Inona no nanome hery ahy❓️Olona iray ve ❓️Sa Asa iray❓️Tetikasa iray❓️Fotoana irery❓️Resadresaka tsara natao❓️

Fantatrao izay dia manontania tena fanontaniana fanidroany hoe,"Ahoana no ahafahako mahazo hery bebe kokoa amin'ny herinandro ambony❓️"
👉 Raha misy olona mahafaly anao, dia makà fotoana hiarahana aminy.
👉 Raha misy asa mahafaly anao, dia manokana fotoana hamerenana azy.
👉 Raha misy tetikasa mahafaly anao, dia mandrosoa amin'izany.
👉sns..
Alahady ianao mandinika. Manomboka alatsinainy ianao manatanteraka 🫡
Sarobidy ny angovonao.

Vitanao io tianao atao io, ka izay zavatra mendrika azy no handanio azy🔥
ALEFA ✊🏽
Zarao amin'ny namanao ity publication ity fa hanampy azy 🫡 Antsoy izy hanaraka ny pejy😁Abonnéo ny pejy ✊🏽

Mitaiza zaza manao art martial🤼‍♀️, te hanao compétition  , ka rehefa sabotsy maraina dia aty amin'ny dojo aloha ny fiai...
19/09/2026

Mitaiza zaza manao art martial🤼‍♀️, te hanao compétition , ka rehefa sabotsy maraina dia aty amin'ny dojo aloha ny fiainana. Tsy misy matory maraina izany. Tsy mahazo kamokamo izany. Fa ny zaza mila tohanana amin'ny tanjony.
Tsy moramora ilay hoe papa na maman❓️Sa ahoana ry papa sy maman isany😉❓️
Manao sport ve ny zanakao, dia inona no soa azony amin'ny fanaovany io sport ataony io?

Bon week-end daholo ny soldats rehetra oh🫡

Hatramin'ny nanombohan'ny ady Iran vs USA dia niakatra be ny vidiny lasantsy.  Taloha izy 1,70 € , izao 2,14€. Dia aty a...
18/09/2026

Hatramin'ny nanombohan'ny ady Iran vs USA dia niakatra be ny vidiny lasantsy. Taloha izy 1,70 € , izao 2,14€. Dia aty amin'ny aby milahatra anay, satria aty izy 1,99€.

Manao ahoana ny vidiny lasantsy any amin'ny tany misy anao❓️
📛Vidim-piainana izany tsy maintsy miakatra foana, nohon'ny antony samihafa (Guerre, crise économiques, épidémie, cirse climatique sns...).
Tsy misy izany vidim-piainana midina izany fa nofy izany.
Tsy hiandry karama hiakatra, fa mitady fidiram-bola fanampiny. Izay ihany no fanafodiny. Na mionona amin'izay misy.

Nb. Tsy publicité ity😉

Miasa mafy ve ianao, nefa tsy misy zavatra mitranga❓️Miezaka ianao. Mikiry, mandany ny fotoananao manontolo ho an'ny tan...
18/09/2026

Miasa mafy ve ianao, nefa tsy misy zavatra mitranga❓️Miezaka ianao. Mikiry, mandany ny fotoananao manontolo ho an'ny tanjonao.
Saingy mbola tsy misy vokany ihany.

Manontania tena:
➡️Mila miasa mafy kokoa ve aho... sa mila miasa amin'ny fomba hafa❓️
Mety tsy ny ezaka sy finiavana no tsy ampy, fa ilay direction no diso, ilay stratégie no mila ahitsy.

Raha tsy mahomby ny fomba iray, nahoana no averimberinao foana ❓️

🎯 Ny tanjona mitovy, fa mila drafitra sy fomba fiasa vaovao ianao.

Makà minitra vitsivitsy hisaintsainana:
👉 Inona no tena nahomby?
👉 Inona no nandany ny fotoanako?
👉 Inona no mbola ataoko satria efa zatra izany aho?
👉 Inona no azoko atao amin'ny fomba hafa amin'ny herinandro ambony, sy amin'ny manaraka?
👉 Inona no paikady tokony hafoiko?
👉 Inona no paikady vaovao tokony andramako?

🔥Manova paikady tsy midika hoe milavo lefona.
📛Aza afangaro ny fikirizana sy ny mokondoha diso toerana.

NY DRAFITRA NO OVAO FA TSY NY TANJONAO.

Vitanao io tianao atao io 🔥
ALEFA ✊🏽
Zarao amin'ny namanao ity publication ity fa hanampy azy 🫡 Antsoy izy hanaraka ny pejy😁Abonnéo ny pejy ✊🏽

Eo amin'ny lalamben'ny fiainana, dia normal ny mandalo fotoan-tsarotra, normal ny lavo, normal ny mandalo sedra.➡️ Fa, t...
17/09/2026

Eo amin'ny lalamben'ny fiainana, dia normal ny mandalo fotoan-tsarotra, normal ny lavo, normal ny mandalo sedra.
➡️ Fa, tsy maintsy misy fiafarany daholo ny zavatra rehetra.
Koa mahareta, misintoma lesona, dia MANDROSOA🔥.
TOHIZO NY LALANAO❗️

Vitanao io tianao atao io 🔥
ALEFA ✊🏽
Zarao amin'ny namanao ity publication ity fa hanampy azy 🫡 Antsoy izy hanaraka ny pejy😁Abonnéo ny pejy ✊🏽

IREO FOTOTRA TOKONY AMPIANARAN'NY RAY AN'NY ZANANY.Adidin'ny ray tsy mitsoaka adidy no mampianatra ireto manaraka ireto ...
17/09/2026

IREO FOTOTRA TOKONY AMPIANARAN'NY RAY AN'NY ZANANY.

Adidin'ny ray tsy mitsoaka adidy no mampianatra ireto manaraka ireto an'ny zanany, na lahy, na vavy :

🔸️Fanajana ny hafa.
🔸️Fanajana tena.
🔸️Lazaina azy fa tompon'andraikitra amin'ny zavatra ataony izy.
🔸️Fanekena ny fahadisoana mety ataony.
🔸️Ny lanjan'ny asa. Mampianatra azy hanaja ny olona miasa izany, ka ahalala fa tsy misy asa ambony na ambany.
🔸️Fifehezana ny fihetseham-po.
🔸️Ny fasahiana miarina aorian'ny faharesena.

📛Ny fampianarana dia manomboka amin'ny fanomezana ohatra tsara azy ireo📛

➡️Tsy mila ray tonga lafatra ny zanakao. Mila ray eo anilany izy.🔥

Iza amin'ireo no efa ampianarinao ny zanakao, na nampianarin'ny rainao anao❓️
Taggeo ao anaty commentaire ilay Papa tsy mitsoaka adidy fantatrao😁.

Vitanao io tianao atao io 🔥
ALEFA ✊🏽
Zarao amin'ny namanao ity publication ity fa hanampy azy 🫡 Antsoy izy hanaraka ny pejy😁Abonnéo ny pejy ✊🏽

Ataovy mazava aminao NY ANTONY hanaovanao io ataonao io. Farito mazava hoe maninona, ho an'iza no hanaovanao azy.Hanampy...
17/09/2026

Ataovy mazava aminao NY ANTONY hanaovanao io ataonao io. Farito mazava hoe maninona, ho an'iza no hanaovanao azy.
Hanampy anao hitazona ny motivation anao tsy ho faty izany.🔥

Vitanao io tianao atao io 🔥
ALEFA ✊🏽
Zarao amin'ny namanao ity publication ity fa hanampy azy 🫡 Antsoy izy hanaraka ny pejy😁Abonnéo ny pejy ✊🏽

16/09/2026

Aza mampitaha ny tenanao amin'ny hafa.
Henohy hatramin'ny farany ny hafatra, dia ambarao ny hevitrao n

Vitanao io tianao atao io 🔥
ALEFA ✊🏽
Zarao amin'ny namanao ity publication ity fa hanampy azy 🫡 Antsoy izy hanaraka ny pejy😁Abonnéo ny pejy ✊🏽

Tsy izay miaraka aminao rehetra no azonao antsoina hoe namana. Misy ny olom-pantatra  dia misy ny namana.Ny tena namana ...
16/09/2026

Tsy izay miaraka aminao rehetra no azonao antsoina hoe namana. Misy ny olom-pantatra dia misy ny namana.
Ny tena namana ve❓️
🔸️Miarahaba anao rehefa mahomby ianao.
🔸️Manitsy anao rehefa manao fahadisoana ianao.
🔸️Miaro anao rehefa tsy eo ianao.
🔸️Manaja ny fivoaranao.
🔸️Tsy mamadika ny finamanana ho fifaninanana.
🔸️Eo foana na rehefa mijanona ny tehaka, ka lavo ianao. Izy no anisan'ireo manarina anao.

🔥Ny tena namana dia tsy te hizara ny dianao fotsiny , fa te hahita anao hahatratra ny tanjonao izy.

Taggeo ao amin'ny commentaire ilay tena namanao milay be iny.
Vitanao io tianao atao io 🔥
ALEFA ✊🏽
Zarao amin'ny namanao ity publication ity fa hanampy azy 🫡 Antsoy izy hanaraka ny pejy😁Abonnéo ny pejy ✊🏽

Adresse

Bonneville
74130

Site Web

Notifications

Soyez le premier à savoir et laissez-nous vous envoyer un courriel lorsque Njanahary publie des nouvelles et des promotions. Votre adresse e-mail ne sera pas utilisée à d'autres fins, et vous pouvez vous désabonner à tout moment.

Contacter L'entreprise

Envoyer un message à Njanahary:

Raccourcis

Partager