STK Ambohitsiroa Malala

STK Ambohitsiroa Malala

Share

SPAA10

🙏❤️

15/08/2026

Sabotsy 15 Aogositra 2026
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
Fil 2:12-18
Koa amin’izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. 13Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. 14Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, 15mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao, 16mitana ny tenin’ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana. 17Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ny fanatitra sy fisoronan’ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra. 18Ary aoka izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.

14/08/2026

Zoma 14 Aogositra 2026
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
Oha 12:17-28
Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny;
Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
18Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra;
Fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa.
19Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay;
Fa ny lela mandainga dia indray mipì-maso monja.
20Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy;
Fa hafaliana no amin’izay misaina fiadanana.
21Tsy misy ratsy manjo ny marina;
Fa heni-doza ny ratsy fanahy.
22Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny molotra mandainga;
Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
23Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana;
Fa ny fon’ny adala mamoaka fahadalana.
24Ny tànan’ny mazoto no hanapaka;
Fa izay miraviravy tĂ nana dia hampanompoina.
25Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy;
Fa ny teny soa no mahafaly azy.
26Ny marina dia mitari-dĂ lana ny namany;
Fa ny alehan’ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
27Ny kamo tsy mety mihaza;
Fa fananana soa ho an’ny olona ny zoto.
28Amin’ny làlan’ny fahamarinana no misy fiainana,
Ary ny tsi-fahafatesana no lĂ lan-kalehany.

13/08/2026

Alakamisy 13 Aogositra 2026
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
Mat 21:23-32
ARY rehefa tafiditra teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
24Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany: 25Ny batisan’i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ny olona?
Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy hianareo? 26Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’izy rehetra ho mpaminany Jaona. 27Dia namaly an’i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray.
Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany. 28Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ny tanimboaloboko anio. 29Fa namaly izy ka nanao hoe: Tsy handeha aho; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. 30Dia nankeo amin’ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary izy namaly ka nanao hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy. 31Ka iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa.
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra. 32Fa Jaona nankany aminareo tamin’ny làlan’ny fahamarinana, nefa tsy nino azy hianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa hianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy.

12/08/2026

Alarobia 12 Aogositra 2026
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
IKor 10:1-12
FA tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, 2ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’i Mosesy tao amin’ny rahona sy ny ranomasina, 3ary izy rehetra nihinana ny fihinam-panahy iray ihany, 4ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. 5Nefa ny ankabiazany dia tsy sitrak’Andriamanitra, fa naringana tany an-efitra.
6Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ireny. 7Ary aoka tsy ho mpanompo sampy hianareo tahaka ny sasany tamin ireny, araka ny voasoratra hoe: ,,Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao.’’ (Eks. 32.6). 8Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro. 9Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny menarana ireny. 10Ary aoka tsy himonomonona hianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, izay matin’ny mpandringana. 11Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao. 12Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.

11/08/2026

Talata 11 Aogositra 2026
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
Gen 22:1-13
ARY rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan’Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy: Inty aho. 2Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
3Ary nifoha maraina koa Abrahama, dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany; ary namaky ny hazo hataina amin’ny fanatitra dorana izy, dia niainga ka nankany amin’ny tany izay efa nolazain’Andriamanitra taminy. 4Nony tamin’ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany tery lavitra ery. 5Ary hoy Abrahama tamin’ny zatovony: Mijanòna eto amin’ny boriky hianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankery; ary hivavaka izahay, dia hiverina eto aminareo indray. 6Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny fanatitra dorana ka natataony an’Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.
7Ary Isaka niteny tamin’i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana? 8Fa hoy Abrahama: Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka.
9Ary rehefa tonga teo amin’ny tany izay efa nolazain’Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an’Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin’ny alitara teo ambonin’ny kitay. 10Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. 11Fa niantso azy Ilay Anjelin’i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho. 12Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tànanao amin’ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao; fa hitako izao fa matahotra an’And

10/08/2026

Alatsinainy 10 Aogositra 2026
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
Kol 3:22-25
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa amin’ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo; 23ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona, 24satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’i Kristy Tompo hianareo. 25Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan’olona.

09/08/2026

Alahady 09 Aogositra 2026
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
Lio 11:47-51
Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan’ny mpaminany hianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy. 48Dia vavolombelona hianareo ka manaiky ny asan’ny razanareo; fa izy no namono azy, ary hianareo kosa manao ny rarivatom-pasany. 49Koa izany no nanambaran’ny fahendren’Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny,– 50mba hadinina amin’ity taranaka ity ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, 51dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin’ity taranaka ity izany.

07/08/2026

Zoma 07 Aogositra 2026
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
Asa 10:1-8
ARY nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin’ny antokon’ny miaramila atao hoe Italiana; 2ary mpivavaka tsara sady natahotra an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tamin’ny olona sady nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva. 3Ary izy nahita miharihary tamin’ny fahitana, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahasivy antoandro, fa, indro, nisy anjelin’Andriamanitra niditra tao aminy ka nanao taminy hoe: Ry Kornelio. 4Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra. 5Koa ankehitriny maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray, izay atao hoe koa Petera; 6mitoetra ao amin’i Simona mpandon-koditra izy, eo amoron-dranomasina ny tranony.
7Ary rehefa lasa ny anjely izay niteny tamin’i Kornelio, dia niantso roa lahy tamin’ny mpanompony izy sy miaramila mpivavaka anankiray isan’izay nanaraka azy isan-andro. 8Ary rehefa nambarany taminy izany rehetra izany, dia naniraka azy hankany Jopa izy.

05/08/2026

Alarobia 05 Aogositra 2026
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
ISam 2:35-36
Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan’ny voahosotro mandrakizay izy. 36Ary ho avy izay sisa rehetra amin’ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy m**o iray ka hanao hoe: Masìna hianao, mba tendreo ho isan’ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-m**o hohanina.

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Mahitsy?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Mahitsy