10/08/2026
♻️ ECOCHAR MADAGASCAR 🇲🇬
Une énergie durable, une solution responsable.
🌱 Manova fako ho angovo maharitra.
EcoChar Madagascar dia mamolavola saribao ekolojika amin'ny alalan'ny fanodinana ireo akora sisa tavela, ka manolotra vahaolana manaja ny tontolo iainana sady natao hanampy amin'ny fampihenana ny fandaniana amin'ny saribao mahazatra.
🔥 Ny tombontsoa azo avy amin'ny EcoChar :
• Maharitra mirehitra hatramin'ny 3–4 ora
• Mitsitsy saribao sy fandaniana
• Mitazona hafanana maharitra
• Mety amin'ny fandrahoan-tsakafo sy fampiasana hafa mitaky hafanana
• Manampy amin'ny fampihenana ny fako sy ny fanapahana hazo
• Ny lavenona tavela dia azo ampiasaina ho zezika
🌍 EcoChar Madagascar dia tsy saribao fotsiny, fa vahaolana mankany amin'ny angovo maharitra sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Raha mila fanazavana fanampiny dia mandefasa hafatra miafina aminy pejy
♻️ ECOCHAR MADAGASCAR
Manova fako ho angovo maharitra.
29/07/2026
♻️ECOCHAR MADAGASCAR♻️
Manova Fako ho Angovo Maharitra
Momba ny Projet
EcoChar Madagascar dia projet mikendry ny hamokatra saribao ekolojika avo lenta amin'ny alalan'ny fanodinana vovoka saribao sy ravinkazo nodorana.
✅Ny tanjona dia ny hanome angovo madio sy maharitra, sady hiaro ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fampihenana ny fako sy ny fanapahana hazo.
Tombontsoa
Miaro ny tontolo iainana amin'ny fanodinana fako ho lasa vokatra mahasoa.
Maharitra mirehitra mandritra ny 3–4 ora, ka mitsitsy saribao sy vola.
Saribao 6 monja dia afaka mahandro vary, laoka ary rano.
Mitazona hafanana ka azo ampiasaina amin'ny fiompiana akoho.
Ny lavenona tavela dia azo ampiasaina ho zezika voajanahary, manatsara ny tany ary manampy amin'ny fitomboan'ny voly.
Fomba fampiasana✅🇲🇬
Rehefa mirehitra tsara ny EcoChar Madagascar, dia tsy ilaina ny manampy saribao intsony. Avela hirehitra mandra-pahalany azy izy, nefa mbola mitazona hafanana ampy hahamasaka tsara ny sakafo.
♻️Vinan'ny Projet♻️
EcoChar Madagascar dia mikendry ny ho lohalaharana amin'ny famokarana saribao ekolojika eto Madagasikara, amin'ny fanomezana vahaolana maharitra ho an'ny angovo, ny fiarovana ny tontolo iainana, ary ny fampandrosoana ara-toekarena.
Slogan
"Transforming Waste into Sustainable Energy."
"Manova fako ho angovo maharitra."