Antsirabe Rugby Club "ARC"

Antsirabe Rugby Club "ARC"

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Antsirabe Rugby Club "ARC", Sports Team, Antsirabe.

Le club se fonde sur quatre valeurs:
LOYAUTE-AMOUR-RESPECT-DISCIPLINE
Ces valeurs expriment l’esprit de famille, de solidarité et de fraternité sportive qui nous caractérise .Chaque membre s’engage à les vivre au quotidien, sur le terrain comme en dehors

Photos from Antsirabe Rugby Club "ARC"'s post 19/08/2026

tatitra 1/2 final - IALANA TSINY amin'ny fahatarana

17/08/2026

🏉 GRAND FINALE — ADY OMBY 🏆
Alahady 23 Aogositra 2026

Tonga amin’ny dingana farany ny fifaninanana izay nanomboka tamin’ny 08 Mars 2026. Taorian’ny volana maro nisian’ny fifaninanana, ezaka, fandresena sy faharesena, dia tonga amin’ny GRAND FINALE – ADY OMBY isika izao.

Ao amin’ny affiche dia ahitana ireo fotoana lehibe amin’ity andro famaranana ity :

🏉 10H00 – Match Défi Zandriny
BRCA Zandriny 🆚 ERVAMA

🏆 12H00 – Petit Finale
2FA 🆚 PIM

🔥 14H00 – GRANDE FINALE
BRCA 🆚 FTA

📍 Lycée André Resampa Lara Vatofotsy
🎟️ Lehibe : 2 000 Ar
👦 Ankizy : 500 Ar

🙏 FANASANA MANOKANA HO AN’IREO FILOHAN’NY CLUB

Manasa amim-panajana ireo Présidents des clubs 12 izay nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity izahay, mba hanatrika ny Grand Finale – Ady Omby.

Misy toerana natokana manokana ho an’ny Président tsirairay, ho fankasitrahana ny fandraisana anjaran’ny club sy ny fanohanana naseho nandritra izao fifaninanana izao.

Ireto avy ireo club 12 nandray anjara :

1. FTA
2. BRCA
3. PIM
4. 2FA – Family Fanantenana Ambanidia
5. RAM – Rugby Ambohimena Mifampitaiza
6. XV Combrage
7. Bemiray
8. JRA – Jeune Rugbymen Ambohimena
9. XV Racine
10. BRC
11. Nazareth
12. FTAM

🤝 Fisaorana lehibe ho an’ireo Président, mpitantana, coach, mpilalao, mpanohana ary ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ity fifaninanana ity.

Tsy ny ekipa roa hiady amin’ny finale ihany no tantaran’ity tournoi ity, fa ireo club 12 rehetra izay niara-nanorina sy nampandroso ny rugby teto Vakinankaratra nandritra izao taom-pilalaovana izao.

🔥 Tongava hiara-hankalaza ny famaranana!
🏉 ADY OMBY — LALAON’NY LEHIBE — FIRAISANKINA HO AN’NY RUGBY VAKINANKARATRA.

Tohano ny Rugby Vakinankaratra! 🏉💪

11/08/2026

TOP 10 BUTEURS

10/08/2026

🏉🔥 1/2 FINALE – 25ÈME ANNIVERSAIRE ANTsirabe Rugby Club 🔥🏉
Tonga amin’ny dingana lehibe ny fifaninanana! 💪
Ny Alahady 16 Aogositra 2026 dia hiakatra kianja ireo ekipa 4 tafakatra amin’ny 1/2 Finale, hiady amin’ny toerana ho an’ny Finale sy ny amboara. 🏆
⚔️ 13H00 : FTA 🆚 2FA
⚔️ 15H00 : BRCA 🆚 PIM
Ary mbola hisy lalao hafa mampientanentana:
🏉 10H00 : ERVAMA 🆚 FTA Zandriny
🏉 11H00 : ARC 🆚 BRC
📍 Terrain : Lycée André Resampa Lara
🎟️ Lehibe : 2 000 Ar | Ankizy : 500 Ar
🔥 Aza adino! Tongava maro hanohana ireo ekipa, hampiakatra ny kalitaon’ny rugby ary hiara-hankalaza ny 25ème anniversaire an’ny Antsirabe Rugby Club.
TOHANO NY RUGBY VAKINANKARATRA! 🏉💙

Photos from Antsirabe Rugby Club "ARC"'s post 09/08/2026

🏉 1/4 DE FINALE – RÉSULTATS DU JOUR

🔥 BRCA 16 – 10 BEMIRAY
Lalao tena henjana sy nifandanja teo amin’ny BRCA sy BEMIRAY. Na dia teo aza ny fifanandrinana mafy, dia BRCA no nahavita naka ny fandresena ka tafakatra amin’ny 1/2 Finale.

💪 PIM 19 – 16 XV COMBRAGES
Lalao niavaka sy feno fientanentanana. Tsy nifarana tao anatin’ny 80 minitra ny ady fa nitohy tamin’ny prolongation hatramin’ny 100 minitra. Ady hatramin’ny farany mihitsy vao nahazo ny fandresena PIM, ka tafakatra amin’ny 1/2 Finale.

👏 Arahabaina BRCA sy PIM noho ny fandresena sy ny faharetana naseho hatramin’ny farany.
🙏 Mankasitraka sy mankahery BEMIRAY sy XV COMBRAGES noho ny ezaka, ny herim-po ary ny ady lehibe nasehonareo. Tsy mora ny tonga amin’ity dingana ity, ary mendrika ny dera ny ezaka rehetra natao.

🏆 BRCA sy PIM no efa tafakatra amin’ny 1/2 Finale.

05/08/2026

🏆 TOP 5 MPANAO BAOLINA (MEILLEURS BUTEURS) – SAISON 2026 | JORNÉE 18

Mihamafy hatrany ny fifaninanana eo amin'ireo mpanao baolina tsara indrindra amin'ity faha-25 taonan'ny Antsirabe Rugby Club ity. Mbola mitazona ny laharana voalohany i Rakotoarison Andrianarisoa Jeannot (BRCA) amin'ny isa 100, arahin'i Tafitaniaina Louis (2FA) izay efa tafakatra ho 90 isa, ary Falinomenjanahary Rinaniaina (FTA) eo amin'ny laharana fahatelo amin'ny 83 isa.

👏 Arahabaina ireo mpilalao rehetra tafiditra ao anatin'ny Top 5, izay mampiseho ny talentany sy ny fahombiazany isaky ny lalao. Mbola misokatra tanteraka ny hazakazaka ho an'ny mpanao baolina tsara indrindra, satria mbola hiakatra ny isa mandritra ny 1/2 Finale sy ny Finale.

🔥 Mirary soa ho an'ireo mpilalao rehetra. Tohizo ny ezaka, ary enga anie hanjaka hatrany ny kalitaon'ny rugby eto Vakinankaratra! 🏉

Photos from Antsirabe Rugby Club "ARC"'s post 05/08/2026

🏉 1/4 DE FINALE – VOKATRA OFISIALY - 1er round🏆

Arahabaina indrindra ireo ekipa 2FA sy FTA izay nahavita nandresy tamin'ny lalao 1/4 de Finale ka nahazo ny tapakila hiatrika ny 1/2 Finale. Mirary fahombiazana sy hery hatrany amin'ny dingana manaraka.

👏 Mankasitraka sy manome haja lehibe ireo ekipa RAM sy JRA ihany koa izahay. Na dia nifarana teto aza ny dianareo tamin'ity fifaninanana ity, dia naneho herim-po, finiavana ary fanatanjahantena mendrika ianareo nandritra ny vanim-potoana.

🤝 Ny fandresena sy ny faharesena dia ampahany amin'ny fanatanjahantena. Misaotra anareo tamin'ny ezaka sy ny fandraisana anjara lehibe nampisongadina ny kalitaon'ny rugby eto Vakinankaratra.

🏉 Miandrandra ny 1/2 Finale isika izao! Mirary soa ho an'ireo ekipa efatra mbola hiady ho amin'ny tapakila mankany amin'ny Finale. Aoka hitohy ny fifaninanana amim-panajana, firaisankina ary fanatanjahantena mendrika.

04/08/2026

2ème round

2eme Round 1/4 de final - 📅 Alahady 09 Aogositra 2026 📍 Lycée LARA Vatofotsy – Antsirabe
🕐 13:00 : BRCA 🆚 Bemiray
🕒 15:00 : PIM 🆚 XV Combrage Rugby
🔥 Samy hanome ny fara-heriny ireo ekipa efatra mba hanohizana ny lalana mankany amin'ny anaram-boninahitra.

28/07/2026

FANAZAVANA - 🏉 Nahoana no 2 000 Ar ny fidirana?
Ny 2 000 Ar aloanao dia tsy saran'ny fidirana fotsiny, fa fandraisanao anjara amin'ny fampandrosoana ny rugby eto Vakinankaratra.
Ny vola azo amin'izany dia ampiasaina amin'ny:
✅ Fanatsarana ny kalitaon'ny fitsarana, amin'ny alalan'ny fanasana sy fanohanana ireo mpitsara mahafeno fepetra.
🏆 Fanomanana sy fanomezana amboara sy loka ho an'ireo ekipa sy mpilalao mendrika.
💪 Fanatsarana ny kalitaon'ny fifaninanana sy ny fampandrosoana ny rugby eto Vakinankaratra.
🤝 Fanohanana ny fikarakarana sy ny fandaminana ny dingana famaranana mba ho matihanina sy mendrika.
🙏 Koa manentana antsika rehetra mba hanohana amin'ny alalan'ny fandoavana ny saram-pidirana. Ny fandraisanao anjara dia manampy amin'ny fananganana rugby matanjaka sy manara-penitra ho an'ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.
🏉 Rugby is My Life – Miara-manandratra ny Rugby Vakinankaratra!

28/07/2026

2eme Round 1/4 de final - 📅 Alahady 09 Aogositra 2026 📍 Lycée LARA Vatofotsy – Antsirabe
🕐 13:00 : BRCA 🆚 Bemiray
🕒 15:00 : PIM 🆚 XV Combrage Rugby
🔥 Samy hanome ny fara-heriny ireo ekipa efatra mba hanohizana ny lalana mankany amin'ny anaram-boninahitra.

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antsirabe?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Category

Telephone

Website

Address

Antsirabe
110