03/07/2026
Hizara motivation kely aloa androany 😉
Tsy motivation nefa no zavadehibe fa ny discipline, rehefa manana discipline ianao de vitanao ny manovanova ny vatanao io.
Ny olana koa indraindray mieno vavan'olona lotra isika de tsy mivotra, rehefa manana tanjona ianao de iny no banjino fa ny olona miteny fona 😅.
Betsaka ny olona no tsy sahy manomboka satria menatra hono 😏, ho anao no anomboanao de aza mirara izay fijery sy tenin'olona any.
Ataovy mafy ny discipline fa na otran'ny aona ny hanomboanao de tsy maintsy ho tratranao io tanjona io.
Iry Ny Antso
Antanifotsy Bodybuilding Club - ABC
15/06/2026
Mankasitraka indrindra anareo rehetra tonga nanohana sy nandrisika an'i Iry Ny Antso nandritra ny fifaninanana Mister Madagascar omaly.
Faly izahay mizara aminareo fa tafiditra tao anatin'ny Top 5 izy, vokatra mendrika izay vokatry ny ezaka, ny faharetana ary ny fanoloran-tena nataony nandritra ny fotoana maro.
Isaorana manokana ireo mpijery sy mpanohana rehetra tonga maro, nanao izay hahafinaritra sy hampafana ny sehatra tamin'ny fanatrehana sy ny fankaherezana tsy tapaka. Tena zava-dehibe taminay ny fanohanana nasehonareo.
Misaotra anareo rehetra ary manantena ny mbola hiara-dalana aminareo hatrany. 💪🔥
13/06/2026
Rahampitso ny fotoana an!🥰
Tongava alohaloha 🙏🏼
Eny amin'ny Mining business Center Ivato amin' ny 9ora maraina.
Efa vonona tanteraka ny athlète tsika Iry Ny Antso 💪🏼
02/06/2026
Mankasitraka antsika rehetra izay nandray anjara sy nanohana tamin'ny opération Pistolet/Steak Frites natao ho fanohanana ny atleta hiatrika ny fifaninanana amin'ny 14 Jona ao amin'ny Business Center Ivato.
💪 Misaotra tamin'ny fitokisana, ny fandraisana anjara ary ny fanohanana rehetra.
📅 Koa manasa antsika rehetra indray ho tonga maro amin'ny 14 Jona 2026 ao amin'ny Business Center Ivato hanohana anIry Ny Antsoso mandritra ny fifaninanana.
🔥 Andao hiara-haneho fa matanjaka ny firaisankina ary tsy irery ireo atleta misolo tena antsika!
Tongava maro, manohana ary mampahery!
💪🏆🇲🇬
13/05/2026
🔥 TSY HADINO NY FOTOANA LEHIBE!🔥
Aza adino fa hotanterahina ny fifaninanana lehibe Mister Mada 2026 ny alahady maraina 14 Jona 2026 ao amin'ny MNNG Business Center Ivato 💪🏆
Ho avy haneho vatana ary fahaizana ireo atleta Isakin' ny faritra eto Madagasikara!
Ary ny solontenantsika eto Vakinankaratra dia i Iry Ny Antso 🔥👏
Andao hanohana sy hampiakatra ny herin’ny atleta Malagasy! 🇲🇬
Vonona ve ianareo hanatrika sy hanome support? 😍
Omboaro dieny Zao ary ny programme an!
Federation Malagasy de Bodybuilding