Kultura Stade des Sportifs - Kultura SS"

Kultura Stade des Sportifs - Kultura SS" Emission - Kultura TV/FM
Canal 51 UHF

KITRA - LDC AFRIQUE : Efa any Maorisy ny CFFAEfa tonga any Maorisy ny CFFA, tompondakan'i Madagasikara. Handray ny tompo...
04/09/2026

KITRA - LDC AFRIQUE : Efa any Maorisy ny CFFA

Efa tonga any Maorisy ny CFFA, tompondakan'i Madagasikara. Handray ny tompondakan'i Lesotho, ny Lijabatho FC ao anatin'ny fifanintsanana savaranonando amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika isantarika. Lalao izay atao amin'ny Côte d'or national sports complex ao Maorisy rahampitso sabotsy 5 septambra amin'ny 6 ora hariva, ora any an-toerana.

Miandrandra ny fitrotroana am-bavaka sy fanohanan'ny Malagasy tsivakivolo izy ireo.

Sary : CFFA Andoharanofotsy

BASKETBALL 3×3 : TAFITA HIATRIKA NY FIADIANA NY AMBOARA ERANTANY NY ANKOAY VEHIVAVY U23Tantara mitoetra. Tafita hiatrika...
02/09/2026

BASKETBALL 3×3 : TAFITA HIATRIKA NY FIADIANA NY AMBOARA ERANTANY NY ANKOAY VEHIVAVY U23

Tantara mitoetra. Tafita hiatrika ny fiadiana izay ho tompondaka erantany ny Ankoay vehivavy latsakin'ny 23 taona. Fifaninana izay hizotra any Wuhan Chine ny 15 ka hatramin'ny 19 septambra izao.

Tsiahivina fa nitana ny laharana faharoa ry Rakotonirina Mianjasoa Koloina Fiderana, Raharitiana Charnirah Rodin, Ramahatra Taratriniaina Murielle Erica, Rafarisoa Elinah ary Razafimahefa Nirina Annick Karen nandritra ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika tany Gaborone Botswana farany teo. Izy ireo no tsara toerana indrindra tamin'ireo ekipampirenena nitana ny laharana faharoa tamin'ireo kaontinanta manerantany izay nahatafita azy ireo hiatrika ny fiadiana izay ho tompondaka erantany.

Efa ao anatin'ny fanomanatena tanteraka izy ireo amin'izao fotoana.

Photo : FMBB

FOOT COUPE DE LA CAF : Nanainga androany tolakandro ny FC ROUGEIo tolakandro io no nanainga ho any Zambie ny FC ROUGE, t...
01/09/2026

FOOT COUPE DE LA CAF : Nanainga androany tolakandro ny FC ROUGE

Io tolakandro io no nanainga ho any Zambie ny FC ROUGE, tompon'ny amboaran'i Madagasikara. Handeha hiatrika ny lalao mandroso ho an'ny fifanintsanana savaranonando amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF. Lalao izay hifanandrinany amin'ny Red Arrows FC atao ny 5 septambra izao ao amin'ny kianja Levi Mwasaousa any Ndôla.

Mpilalao miisa 23 mirahalahy sy ny ekipa teknika ary mpitantana no mandrafitra ny delegasiona.

✨Kick Boxing✨Handray "Gala International" i Madagasikara⭕Hotanterahina eny amin'ny lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina,...
27/08/2026

✨Kick Boxing✨
Handray "Gala International" i Madagasikara
⭕Hotanterahina eny amin'ny lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina, ao amin'ny efitranokely, ny 29 aogositra izao, ny fifaninanana iraisam-pirenena mitondra ny anarana "Ala vela Iraisam-pirenena", eo amin'ny taranja kick boxing.
⭕Mpikatroka avy any Maorisy sy La Réunion no ho avy eto Madagasikara, araka ny fampahafantarana nataon'ny Ligin'Analamanga sy ny Federasiona Malagasy ny kick boxing.
⭕Natao ity hetsika ity, hoy ny filohan'ny ligin'Analamanga ny kick boxing, Randrianarivo Pierre Voahariniaina, hamerenana indray ny fiaraha-miasa amin’ireo Nosy rahavavy aty amin’ny Oseana indiana.
⭕Katrokady, ahitana ireo « classe A » sy « classe C » sangany no hitranga etsy Mahamasina amin’ity, izay hanasan’ny mpikarakara ny rehetra ho avy eny an-toerana.
⭕Fantatra ihany koa, hoavy eto amintsika hanatrika ny fifaninanana, ny filohan’ny ISKA Eraopa.



27/08/2026

Pancrace/MMA - " Tompondakan'ny Ankizy"

⭕Mbola mitohy ny fampivondronana ireo ankizy handray anjara amin'ny fifaninanana fiadiana ny tompondakan'ny ankizy, taranja Pancrace/MMA, izay hatao eny amin'ny kianja mitafon'i Besarety, ny alahady 30 aogositra ho avy izao. Eny amin'ny Cercle Messe Betongolo izy ireo no mivondrona.

⭕Hetsika vaovao natokana ho an'ny ankizy manomboka amin'ny 5 ka hatramin'ny 15 taona ity. 50 eo ny mpiady amin'io, ankoatran'Analamanga, hahitana klioba 15, hisy ankizy avy any Ihorombe ihany koa handray anjara.

🎤Mitondra fanazavana mahakasika ny fifaninanana, ny filohan'ny komisiona Malagasy ny Pancrace/MMA, ny Kolonely Zafindranaivo Mely.



FIFANINANANA NASIONALY-ASIEF 2026Fanokafana ofisialy,  ny fifaninanana  nasionaly,  ASIEF (Association Sportive pour l'E...
26/08/2026

FIFANINANANA NASIONALY-ASIEF 2026
Fanokafana ofisialy, ny fifaninanana nasionaly, ASIEF (Association Sportive pour l'Entretien des Fonctionnaires), tanterahina eto Manakara .
Efa nigadona taty an-toerana, omaly, ny filohan'ny Fanavaozana mivady.



ASIEF ⭕Lany ho filoha,  Andrianarison Jean Aimé Botosera (John Love),  taorian'ny famerenana ny fifidianana,  natao teny...
20/08/2026

ASIEF
⭕Lany ho filoha, Andrianarison Jean Aimé Botosera (John Love), taorian'ny famerenana ny fifidianana, natao teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina, androany, alakamisy 20 aogositra.
⭕Vato 48 no azony, raha toa ka 33 kosa ny an'ny mpifanandrina, Sambesoa Masinaraka.
⭕Hotanterahina manomboka ny 23 aogositra izao, any Manakara, ny fifaninanana nasionaly ASIEF 2026.


✨FMHMC "Fédération Malgache dHaltérophilie,  de Musculation et de Culturisme"✨⭕Mbola lany hitantana indray ny FMHMC,  ho...
18/08/2026

✨FMHMC "Fédération Malgache dHaltérophilie, de Musculation et de Culturisme"✨
⭕Mbola lany hitantana indray ny FMHMC, ho an'ny efa-taona manaraka, Randriamanarivo Harinelina. Fifidianana notontosaina ny alatsinainy 17 aogositra lasa teo, teny amin'ny foiben'ny Komity Olympika Malagasy teny Ivandry.

⭕Ligy 7 no nandatsa-bato ka samy mbola nametraka ny fitokisany tamin-dRandriamanarivo Harinelina.
⭕Fanamby lehibe napetrany, ny hahazoan'ny atleta malagasy medaly volamena any amin'ny lalao olympika. Raha tsy vita amin'ny lalao olympika 2028 izany, dia tsy maintsy tratra io fanamby io amin'ny lalao olympika 2032, hoy ny nambaran'ity filohan'ny FMHMC ity.

➡️Arahinao ao amin'ny fandaharana Kultura Stade des Sportifs, ao amin'ny fahitalavitra KULTURA TV (Canal + 210) ny tatitra izay, ny sabotsy ho avy izao.



TENISYVoahosotra ho tompondakan'i Madagasikara, taranja tenisy "1ère Série",  lahy sy vavy,  Raharivony Nicolas sy Tsant...
18/08/2026

TENISY
Voahosotra ho tompondakan'i Madagasikara, taranja tenisy "1ère Série", lahy sy vavy, Raharivony Nicolas sy Tsantaniony Ihariniaina.

" Nahafinaritra ny fifaninanana natrehako tamin'ity taona ity, indrindra ny teo amin'ny famaranana satria mpifandrina hafa fa tsy ny efa mahazatra ka nahitana traikefa tsara", hoy i Tsantaniony Ihariniaina taorian'ny nahazoany ny fandresena, teo amin'ny famaranana, nanoloana an'i Elisoa izay tonga teto Madagasikara nandray anjara tamin'ity fifaninanana nasionaly ity.

➡️Ao amin'ny fandaharana Kultura Stade des Sportifs ny antsipirihany, ny sabotsy izao.





Address

ISS Tsiadana, Immeuble Le Pouce Fitness 2ème étages
Antananarivo
TANA-101

Telephone

+261348342874

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kultura Stade des Sportifs - Kultura SS" posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Kultura Stade des Sportifs - Kultura SS":

Shortcuts

Share

Category