23/01/2026
‼️𝗕𝗔𝗢𝗟𝗜𝗡𝗔 𝗞𝗜𝗧𝗥𝗔‼️ vaovao tsara hoan’ny Barea
⚽⚽𝙁𝙖𝙣𝙖𝙯𝙖𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙤𝙚𝙣𝙩𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙢𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙖𝙝𝙖𝙠𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙯𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙮 𝘽𝙖𝙧𝙚𝙖 𝘾𝙤𝙧𝙚𝙣𝙩𝙞𝙣 𝙈𝙖𝙧𝙩𝙞𝙣𝙨.⚽⚽
🟢Nitondra fanazavana mahakasika ny mpanazatra ny 🇲🇬 Barea Corentin Martins ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena RASAMBANY Alain Désiré androany zoma 23 janoary 2026 tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
🟢Nambarany tamin’izany fa nisy ny tombana ara-tekinika nataon’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) sy ny minisitera mahakasika ny vokatra azo tamin’ny fifanarahana tamin’ity mpanazatra vahiny ity nandritra ny taona 2025 izay natao ny fiandohan’ny volana janoary 2026 teo. Vokatra tsara no azo nandritra ny fitantanan’i Corentin Martins ny Barea hoy ny minisitra, azo hitarafana izany ny vokatra nandritra ny fifanintsanana hiadiana ny CAN sy ny Coupe du Monde ary ny fiakaran’ny kalitaon’ny mpialalao mandrafitra ny ekipam-pirenena ankehitriny.
🟢Noho izany dia nanapan-kevitra ny FMF sy ny minisitera ny hanavao indray ny fifanarahana amin’ny Corentin Martins, marihina anefa fa mbola tsy misy « Contrat Officiel » mivoaka mahakasika izany ary mbola hisy ny fanambarana ofisialy hivoaka iarahan’ny minisitera sy ny FMF ary i Corentin Martins mahakasika izany fitohizan’ny fiaraha-miasa izany🤝🤝
#𝗳𝗺𝗳