Mahery ny vavaka

Mahery ny vavaka Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mahery ny vavaka, Sport & recreation, Antananarivo.

05/08/2026

๐—ฉ๐—”๐—ฉ๐—”๐—ž๐—” ๐—›๐—”๐—ง๐—˜๐—Ÿ๐—ข๐—”๐—ก๐—” ๐— ๐—œ๐—”๐—ฅ๐—”๐—ž๐—” ๐—”๐— ๐—œ๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—ข ๐— ๐—”๐—ฆ๐—œ๐—ก'๐—œ ๐—๐—˜๐—ฆ๐—ข๐—”.

โžก ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž ๐…๐€๐‡๐€๐‘๐Ž๐€: FANGATAHANA FAMELAN-KELOKA SY FIBEBAHANA

Ry Fo Masin'i Jesoa, Ianao ilay fo voaratra nohony fahotanay, nefa mbola manohy mitia anay hatramin'izao. Mamindrร  fo aminay amin'ireo fahotana rehetra vitanay. Mba omeo fo madio izahay ahafahanay mibebaka sy hiala amin'ny ratsy rehetra fataonay, ary ampianaro izahay hahay hanahaka Anao. Omeo fo tia fihavanana, mamela heloka ary vonona hanao ny sitrapon'Andriamanitra mandrakariva izahay.
Amen!

โœ… Ry Fo Masin'i Jesoa, matoky sy miantehitra Aminao izahay.
Ry Fo Masin'i Jesoa, mamindrร  fo aminay. ๐Ÿ™

ยฉ Ekipa Fianakaviana Masina Tontolo Katolika

05/08/2026

โค๏ธโ€๐Ÿ”ฅ Sapile ho fanomezam-boninahitra ny Fo Masinโ€™i Jesoa โค๏ธโ€๐Ÿ”ฅ

azo atao manokana:
๐Ÿ•ฏ Eo aminโ€™ny Hazofijaliana : Aminโ€™ny anaranโ€™ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen.

๐Ÿ‘‰ Vavaka fanolorana
Ry Fo Masinโ€™i Jesoa รด, atolotro Anao ny foko sy ny fiainako manontolo. Ataovy hitovy aminโ€™ny Fonao malemy fanahy sy manetry tena ny foko. Amen.

๐Ÿ‘‰ Aminโ€™ny voa lehibe tsirairay : Ry Fo Masinโ€™i Jesoa รด, matoky Anao aho.

๐Ÿ‘‰ Aminโ€™ny voa madinika 10 : Ry Jesoa malemy fanahy sy manetry tena am-po, ataovy hitovy aminโ€™ny Fonao ny fonay.
(Averina in-10)
Rehefa vita ny am-polony tsirairay

๐Ÿ‘‰ Ry Fo Masinโ€™i Jesoa รด, mamindrร  fo aminay sy aminโ€™izao tontolo izao.

๐Ÿ‘‰ Famaranana
Fo Masinโ€™i Jesoa รด, loharanonโ€™ny fitiavana sy famindram-po, matoky Anao izahay. Arovy izahay, tariho izahay, ary ampiraiso mandrakariva aminโ€™ny Fonao Masina. Amen.
Fo Masinโ€™i Jesoa รด, matoky Anao aho! โค๏ธโœ๏ธ

Fanamarihana: Tsy misy endrika tokana ofisialy ho an'ny "Sapile ny Fo Masin'i Jesoa". Misy karazany maro arakaraka ny fikambanana sy ny toerana ampiasana azy.

10/06/2025

Raha mbola misy koa ny farany
De tsy ho foana ny fanantenako

01/02/2025

Satria ianao miahy de tsy hanahy aho fa handry ivohon'ny vato
Misaotra Ray o

13/09/2024

Ampelatananao mandrakariva ny fiainanay Ray o! Aza avela ho resy tondromaso eo anatrehan'i Satana fahavalonay izahay

12/09/2024

Jesoa o! aza avela ho resy izay miankina aminao

11/09/2024

Manana olana sarotra vahana ve ianao? Ndao ho entina ambavaka ,apetraka eo ampelatanan'izy Ray fa ao aminy ny vahaolana rehetra
Mahery ny vavaka

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mahery ny vavaka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share