Karate Shotokan Ambatolampy Antehiroka

Karate Shotokan Ambatolampy Antehiroka "Ny tena ady mafy indrindra dia ao anatintsika. Izay mandresy ny tenany no tena mahery."

Oss đŸ„‹

âžĄïž Fampianarana Karate-do (Kihon, Kata, Kumite)

âžĄïž Fanabeazana feno (Saina, Vatana, Fanahy) mifototra amin'ny maha olom-banona.

📣 FANOVANA FANDAHARAM-POTOANA - KARATE SHOTOKAN EPP IMERINAFOVOANY TALATAMATY CLUB ASKA2A đŸ„‹đŸ”„Noho ny fangatahan’ny maro, ...
03/10/2026

📣 FANOVANA FANDAHARAM-POTOANA - KARATE SHOTOKAN EPP IMERINAFOVOANY TALATAMATY CLUB ASKA2A đŸ„‹đŸ”„

Noho ny fangatahan’ny maro, dia novaina ny fandaharam-potoanan’ny KARATE SHOTOKAN – CLUB ASKA2A ao amin’ny EPP Imerinafovoany Talatamaty.

đŸ—“ïž Manomboka izao, isaky ny ALAHADY
⏰ 14h00 – 15h30 fa tsy ❌Sabotsy 16h - 17h30

đŸ„‹ Fotoana iray natokana hianarana sy hampiharana ny Karate-do, hanamafisana ny vatana, hifehezana ny saina ary hananganana toetra.

👉 Aza adino ary: Alahady 14h00 – 15h30!

📍 EPP Imerinafovoany Talatamaty
📞 034 44 960 15
đŸ“± 032 66 574 50 – Sensei Rado

đŸ”„ Noho ny fangatahanareo, dia natao hifanaraka kokoa amin’ny fotoanantsika ny fandaharam-potoana.

đŸ„‹ KARATE — TOETRA ALOHA, VAO TEKNIKA!

🙏 OSS!

23/09/2026

đŸ”„đŸ„‹ IMERINAFOVOANY, VONONA VE IANAO? đŸ„‹đŸ”„

📣 TONGA NY KARATE-DO!

Noho ny fangatahanareo, dia hisokatra ao amin’ny EPP IMERINAFOVOANY TALATAMATY ny KARATE SHOTOKAN – CLUB ASKA2A!

📅 Sabotsy 03 Oktobra 2026

đŸ„‹ Te hianatra Karate-do?
đŸ’Ș Te hanana fahasalamana sy tanjaka?
🧠 Te hifehy tena sy hanana fahatokisan-tena?
đŸ›Ąïž Te hahay hiaro tena?

👉 Aza miandry! Misorata anarana dieny izao!

📞 034 44 960 15
đŸ“± 032 66 574 50 – Sensei Rado

📍 Ho an’i Imerinafovoany sy ny manodidina: Andranomena ‱ Ambohibao ‱ Andranoro ‱ Morondava ‱ Tanetibe ‱ Mandrosoa Ivato ‱ Ambohidratrimo


🚹 NY KARATE-DO DIA TONGA AKAIKY ANAO!
đŸ”„ Anjaranao indray ny manao ny dingana voalohany!

đŸ„‹ KARATE — TOETRA ALOHA, VAO TEKNIKA!

🙏 OSS!

"Ny tena ady mafy indrindra dia ao anatintsika.
Izay mandresy ny tenany no tena mahery."

Oss đŸ„‹

âžĄïž Fampianarana Karate-do (Kihon, Kata, Kumite)

âžĄïž Fanabeazana feno (Saina, Vatana, Fanahy) mifototra amin'ny maha olom-banona.

đŸ„‹KARAZANA FAMOAHANA NY DAKA AO AMIN'NY KARATE-DOTsy mitovy ny hoe snap (daka mipoaka sy miverina haingana), thrust (daka...
09/09/2026

đŸ„‹KARAZANA FAMOAHANA NY DAKA AO AMIN'NY KARATE-DO

Tsy mitovy ny hoe snap (daka mipoaka sy miverina haingana), thrust (daka manosika / miditra lalina) , stomp (daka manitsaka / midina amin-kery) ary circular kick (Daka boribory).

Ao amin'ny Karate-do, tsy ampy ny mahafantatra fotsiny ny anaran'ny daka. Zava-dehibe koa ny mahafantatra ny fomba famoahana azy, ny tanjony ary ny fotoana tokony hampiasana azy.

Daka iray ihany aza dia mety hanana application samihafa arakaraka ny distance (ma-ai), timing, cible ary tanjona.

① ⚡ KEAGE — èčŽäžŠă’

Snap kick — mamely ary miverina haingana

Ny Keage dia fomba famoahana daka izay ahitana extension haingana, fifandraisana amin'ny cible, ary retraction haingana.

🎯 Tanjona :

✅vitesse;
✅surprise;
✅prĂ©cision;
✅rĂ©cupĂ©ration haingana;
✅fiomanana amin'ny technique manaraka.

Ohatra:

â–ȘMae Geri Keage
â–ȘYoko Geri Keage

👉 Ny foto-kevitra dia:

Chamber → Extension → Impact → Retour

(Aforitra → Avoaka → Mamely → Averina)

② đŸ’„ KEKOMI — èčŽèŸŒăż

Thrust kick — miditra sy manosika

Ny Kekomi kosa dia daka izay mampiditra bebe kokoa ny hery ao ambadik'ilay technique. Tsy ny fikasihana haingana ihany no tanjona fa ny pénétration sy transfert de masse.

🎯 Tanjona :

✅impact;
✅pĂ©nĂ©tration;
✅stabilitĂ©;
✅fampiasana ny valahana sy ny vatana;
✅fanakorontanana ny Ă©quilibre-n'ny adversaire.

Ohatra:

â–ȘMae Geri Kekomi
â–ȘYoko Geri Kekomi

👉 Ny foto-kevitra:

Chamber → Extension → PĂ©nĂ©tration → Impact

(Aforitra → Avoaka → Miditra lalina → Mamely)

⑱ đŸŠ¶ FUMIKOMI — èžăżèŸŒăż

Stomp / daka midina

Ny Fumikomi dia tsy mitovy amin'ny Kekomi.

Eto dia ny fampidinana ny tongotra miaraka amin'ny lanjan'ny vatana no tena mampiavaka azy. Toy ny hoe "manitsaka" na "manorotoro" amin'ny tongotra.

🎯 Tanjona :

✅impact mavesatra;
✅fanakorontanana ny Ă©quilibre;
✅target ambany;
✅application amin'ny elanelana akaiky.

Ohatra:

â–ȘFumikomi Geri

Tsy tokony hafangaro amin'ny Mae Geri Kekomi satria samy manana mécanique hafa.

④ 🔄 MAWASHI GERI

Roundhouse / circular kick

Ny Mawashi Geri dia tokony avahana amin'ny Keage/Kekomi.

Ny mampiavaka azy voalohany dia ny:

rotation + trajectoire circulaire + impact lateral

Mety hisy snap sy retour haingana izy, indrindra amin'ny kumite.

🎯 Tombony :

✅hafainganam-pandeha;
✅surprise;
✅afaka mamely avy amin'ny zoro tsy ampoizina;
✅mora ovaina ny hauteur: gedan, chudan, jodan.

Ny impact dia mety hatao amin'ny:

â–ȘKoshi;
â–Șinstep;
â–Șna faritra hafa arakaraka ny fomba sy ny programme ampianarina.

â‘€ 🔄 USHIRO MAWASHI GERI

Spinning / reverse roundhouse kick

Eto dia misy rotation du corps lehibe kokoa alohan'ny hahatongavan'ny tongotra amin'ny cible.

🎯 Tombony :

✅surprise lehibe;
✅hery avy amin'ny rotation;
✅afaka mamely cible tsy ampoizin'ny adversaire;
✅mety hahazo impact lehibe raha voafehy tsara.

Saingy technique mila contrÎle, équilibre ary orientation avo kokoa.

â‘„ ↩ USHIRO GERI

Back thrust kick

Ny Ushiro Geri dia daka alefa any aoriana, matetika amin'ny voditongotra (Kakato).

Ny tanjany dia avy amin'ny:

â–Șrotation;
â–Șextension;
â–ȘstabilitĂ©;
â–Ștransfert de masse.

🎯 Tombony :

✅impact mahery;
✅surprise;
✅mahomby rehefa akaiky na manenjika ny adversaire;
✅afaka mampiasa tsara ny lanjan'ny vatana.

⑩ 🌙 MIKAZUKI GERI

Crescent kick

Ny Mikazuki Geri dia manana trajectoire miendrika croissant de lune.

Mety hampiasaina:

✅hamely;
✅hanakorontana guard;
✅hanokatra ligne;
✅na hanomanana technique hafa.

Misy:

â–ȘUchi Mikazuki Geri → avy any ivelany mankany anatiny

â–ȘSoto Mikazuki Geri → avy any anatiny mankany ivelany

⑧ ↗ YOKO GERI

Side kick

Misy endrika roa tena tokony ho fantatra:

â–ȘYoko Geri Keage
âžĄïž snap haingana.

â–ȘYoko Geri Kekomi
âžĄïž thrust, miditra sy manosika.

Io no iray amin'ireo ohatra tsara indrindra hahitana fa tsy mitovy ny “famely” sy ny “fampidirana hery”.

🧠 INONA NO TENA TOKONY HIANARAN'NY MPANAO KARATE?

Tsy ny hoe:

“Iza no daka mahery indrindra?”

no fanontaniana lehibe.

Fa:

“Inona no technique mety indrindra amin'ity distance, timing, cible ary situation ity?”

Ohatra:

⚡ Keage → rehefa ilaina ny vitesse sy rĂ©cupĂ©ration.

đŸ’„ Kekomi → rehefa ilaina ny pĂ©nĂ©tration sy impact.

👣 Fumikomi → rehefa ilaina ny impact midina sy ny lanjan'ny vatana.

🔄 Mawashi Geri → rehefa ilaina ny trajectoire circulaire sy angle hafa.

↩ Ushiro Geri → rehefa ilaina ny daka miverina misy rotation sy impact.

🌙 Mikazuki Geri → rehefa ilaina ny fanovana ligne na fanokafana guard.

đŸ„‹ KIHON no fototra

Ny fahafehezana ireo dia tsy avy amin'ny hery fotsiny, fa avy amin'ny:

Kamae → Ma-ai → Timing → Hikite/Hanche → Équilibre → Respiration → Impact → Zanshin

Izany no mahatonga ny Karate-do ho mihoatra noho ny hoe “mahay mandaka”.

Ny mpanao Karate mahay dia tsy mandaka mafy fotsiny; mahafantatra hoe rahoviana, aiza, ahoana ary nahoana no tokony hampiasa ilay daka. đŸ„‹

KARATE-DO = TECHNIQUE + CONTRÔLE + INTELLIGENCE + DISCIPLINE

OSS đŸ™đŸ„‹

FITONIANA ANATY : LÀLANA MANAVOTRA NY TANORA AMIN’NY FAHARAVANAAo anatin’ny tontolo iainantsika ankehitriny, maro ny zav...
02/09/2026

FITONIANA ANATY : LÀLANA MANAVOTRA NY TANORA AMIN’NY FAHARAVANA

Ao anatin’ny tontolo iainantsika ankehitriny, maro ny zavatra mety hitaona ny ankizy sy ny tanora hiala amin’ny làlana tokony hizorany. Ny rendrarendra tafahoatra, ny faniriana hahazo fahafinaretana eo no ho eo, ny zava-mahadomelina, ny fiankinan-doha amin’ny zavatra samihafa, ny fahakiviana rehefa sendra tsy fahombiazana, ary ireo fironana manimba ny maha-olona dia samy mety hampivadika tsikelikely ny fiainan’ny tanora.

Fa inona no tena ilain’ny olona iray mba tsy ho mora voatarik’ireo zavatra ireo?

Fitoniana anaty.

🧠Ny olona manana paix intĂ©rieure na fitoniana anaty dia tsy midika hoe olona tsy manana olana. Mifanohitra amin’izany aza: mahay miatrika ny olana izy, satria tsy mora entin’ny fihetseham-po sy ny zava-mitranga manodidina azy.

Rehefa mihamiorina ny fitoniana anaty dia mihena tsikelikely ireo filàna tsy mahasoa sy ireo faniriana mitady fahafaham-po vetivety. Manomboka mahafantatra izay tena zava-dehibe eo amin’ny fiainany ny olona. Mahay manavaka izay mahasoa sy izay mety hanimba azy izy, ary mahita mazava kokoa ny làlana tokony hizorana.

Karate-do : tsy vatana ihany, fa fanabeazana ny maha-olona

Eto no maha-zava-dehibe ny Karate-do.

đŸ„‹Ny Karate-do, raha raisina amin’ny maha-Do azy, dia tsy fianarana teknika hiadiana fotsiny. Izy dia lĂ lana iray entina manabe ny vatana, mampatanjaka ny saina ary manangana ny toetra.

Ao amin’ny dojo dia mianatra mifehy tena ny karate-ka.

✅Mianatra faharetana izy rehefa sarotra ny fanazaran-tena.
✅Mianatra fanajana izy rehefa miatrika ny hafa.
✅Mianatra fanetren-tena izy rehefa mandresy.
✅Mianatra faharetana sy fahavononana izy rehefa resy.
✅Ary indrindra, mianatra izy fa ny fandresena lehibe indrindra dia ny fandresena ny tena.

Izany no mahatonga ny Karate-do afaka manampy amin’ny fanorenana fitoniana anaty.

Rehefa sendra tsy fahombiazana ny tanora iray, ohatra, dia tsy voatery ho resy tanteraka izy. Mety ho diso fanantenana izy, mety halahelo, saingy ny fanabeazana azony amin’ny Karate-dƍ dia afaka mampianatra azy hijoro indray, handinika ny lesoka, hanao ezaka vaovao ary hanohy ny làlany.

🧠Ny faharesena dia tsy faran’ny dia; mety ho lesona iray manomana ny fandresena manaraka.

Rehefa manana tanjona ny tanora, tsy mora mirĂČna amin'ny zavatra rehetra

Ny tanora manana tanjona sy fitsipika iainana dia tsy mora voatariky ny zava-drehetra miseho eo amin’ny manodidina azy.

❌Tsy voatery hitady fahafinaretana amin’ny rendrarendra izy mba hahatsapany fa sambatra.

❌Tsy voatery hiantehitra amin’ny zava-mahadomelina mba handosirana olana.

❌Tsy voatery hanimba ny tenany mba hahazoana fankasitrahana.

❌Tsy voatery hanaraka ny maro satria fotsiny hoe manaraka azy ireo ny hafa.

Satria efa manomboka mahafantatra izy hoe:

“Iza aho? Inona no tanjoko? Ary olona manao ahoana no tiako hahatongavana?”

Izany no iray amin’ireo fanabeazana lehibe indrindra tokony homena ny ankizy sy ny tanora.

Tsy ampy ny mampianatra azy ireo hahazo diplaoma.
Tsy ampy ny mampianatra azy ireo hahazo vola.
Tsy ampy koa ny mampianatra azy ireo hahomby amin’ny fifaninanana.

Tokony hampianarina koa izy ireo ny fomba hahatongavana ho olona mahay mitantana ny tenany.đŸ„‹đŸ”„

Fa misy zavatra lehibe kokoa noho ny herin’ny tena : Andriamanitra

Na dia afaka manampy amin’ny fanorenana ny saina sy ny toetra aza ny Karate-do, tsy tokony hohadinoina fa manana lafiny lalina kokoa noho ny fanatanjahantena ny fiainana.

🧠Ho an’ny olona mino, ny fanankinana mandrakariva ny fiainana amin’Andriamanitra dia fototra lehibe amin’ny fitoniana anaty.

Rehefa mahatsapa ny olona fa tsy irery izy eo anatrehan’ny fahasahiranana, ary mametraka ny fiainany eo ambany fitarihan’Andriamanitra, dia mahazo hery hafa izy hiatrehana ny zavatra tsy voafehiny.

Mety tsy ho voavaha avy hatrany ny olana rehetra.

Mety mbola hisy ny tsy fahombiazana.
Mety mbola hisy ny fahoriana.
Mety mbola hisy ny fotoana hahakivy.

Saingy afaka mijoro hatrany ny olona satria manana finoana sy fanantenana.🙏

Ny fitoniana anaty, araka izany, dia tsy hoe tsy misy olana ny fiainana, fa hoe na eo aza ny olana, mbola mahita antony hijoroana sy lĂ lana hizorana ny olona.

🧠Ho an’ny ray aman-dreny sy ny tanora

Raha tena tiantsika ny hiaro ny ankizy sy ny tanora amin’ny faharavana, dia tsy ampy ny miteny aminy hoe:

“Aza manao izao.”
“Aza manaraka an’izao.”
“Aza misotro.”
“Aza mifoka.”

Tokony homena azy koa ny zavatra tsara hosoloina.

✅Omena tontolo manabe azy.
✅Omena tanjona.
✅Omena fitsipika.
✅Omena olona modely arahina.
✅Omena asa sy fanazarana mampivelatra azy.
✅Ary ambonin’izany rehetra izany, ampianarina hanana fifandraisana amin’Andriamanitra sy hatoky Azy.🙏

Ny Karate-do dia mety ho iray amin’ireo làlana ahafahana manatanteraka izany: manome fahazarana, fitsipi-pifehezana, faharetana, fanajana ary fahatokisan-tena, sady mampianatra fa ny tena herin’ny karate-ka dia tsy ny fahaizany mandratra olona, fa ny fahaizany mifehy ny tenany.

Ny tanjona farany : tsy hamorona mpiady fotsiny, fa hanorina olona

Izany indrindra no tokony ho tanjona.

Tsy ny hanana tanora mahay Kumite fotsiny, fa tanora mahay mifehy tena.

Tsy ny hanana tanora mahay mandresy mpifanandrina fotsiny, fa tanora mahay mandresy ny fahatezerany, ny hakamoany, ny tahony ary ireo fakam-panahy mety hanimba ny hoaviny.

Tsy ny hanana karate-ka matanjaka ara-batana fotsiny, fa olona matanjaka ara-tsaina, tsara toetra, manaja ny hafa, mahafantatra ny lanjan’ny fiainana ary manana làlana hizorana.

Ary rehefa ampifandraisina amin’ny finoana sy ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra izany, dia afaka lasa fanabeazana lalina kokoa: fanorenana olona tsy mora voatarika, tsy mora kivy, ary tsy mora very lalana.

✅Karate-do: mifehy ny vatana.
✅Mampitony ny saina.
✅Manangana ny toetra.
✅Ary mitady ny làlana tsara eo amin’ny fiainana.

Satria ny tanora manana fitoniana anaty sy tanjona mazava dia tanora sarotra tarihina ho amin’ny faharavana.

MAILO, MALINA ARY MAHAY MIARO TENA“Tsy ampy ny tsy matahotra; mila mahay miatrika sy miaro tena ihany koa.”Mampieritreri...
27/08/2026

MAILO, MALINA ARY MAHAY MIARO TENA

“Tsy ampy ny tsy matahotra; mila mahay miatrika sy miaro tena ihany koa.”

Mampieritreritra sy mampanahy ny trangan-javatra samihafa miseho tato ho ato eo anivon’ny fiaraha-monina. Miseho etsy sy eroa ny karazana herisetra maro: fanolanana, fakana an-keriny, fandrobana, herisetra ara-batana ary tranga hafa izay indraindray aza miafara amin’ny famonoan’olona.

Mampalahelo indrindra rehefa misy olona tsy manan-tsiny iharan’izany, satria voahitsakitsaka ny fahamendrehana sy ny zo maha-olona. Matetika ihany koa ny vehivavy sy ny ankizy no tena marefo manoloana ny karazana herisetra sasany.😱

Noho izany, ilaina ny fahamalinana (prudence) sy ny fahamailoana (vigilance).

Ny fahamalinana dia ny fahaizana mandinika sy misoroka ny loza alohan’ny hisehoany. Ny fahamailoana kosa dia ny fahatsiarovan-tena hatrany ny zavatra mitranga manodidina antsika, ka tsy ho mora gaga na ho variana rehefa misy toe-javatra mampiahiahy.

Eto dia misy hevitra iray lehibe ampianarin’ny Budo: Zanshin.

Ny Zanshin dia fahamailoana sy fahatsiarovan-tena mitohy. Tsy midika hoe miaina ao anatin’ny tahotra isika, fa midika hoe mahatsiaro tena, mahafantatra ny manodidina, ary vonona hiatrika izay mety hitranga.

Kanefa, tsy ampy ny fahamailoana fotsiny.

Ilaina ihany koa ny fahalalana ny fomba fiarovan-tena, indrindra amin’ny tontolo izay mety hiseho tampoka ny herisetra. Eo indrindra no maha-zava-dehibe ny fianarana arts martiaux, toy ny Karate-do đŸ„‹đŸ”„ sy ireo taranja hafa mifototra amin’ny fifehezan-tena sy ny fiarovan-tena.

Ny fianarana Karate, ohatra, dia tsy fianarana mamely olona fotsiny. Tsy izany velively no votoatin’ny Budo.

Mampianatra antsika izy mba:

â–Șhanana fifehezan-tena;

â–Șhahafehy ny tahotra sy ny fihetseham-po;

â–Șhanana fahasahiana nefa tsy ho mpanao herisetra;

â–Șhahay hisoroka sy hamantatra mialoha ny loza;

â–Șhanaja ny hafa sy hanaja ny aina;

â–Șhaharitra sy tsy ho mora kivy;

â–Șary, rehefa tsy azo ialana intsony ny toe-javatra, hahafantatra ny fomba hiarovana ny tena sy ny hafa.

▶Ny YĆ« (拇) dia mampianatra ny fahasahiana. Tsy fahasahiana hitady ady izany, fa fahasahiana hiatrika ny zava-misy sy hanao izay tokony hatao rehefa misy loza.

▶Ny Reigi (ç€Œć„€) kosa mampianatra fanajana. Ny olona tena mahafehy haiady dia tsy tokony hampiasa ny fahaizany hanambaniana na hampitahorana ny hafa.

▶Ary ny Jisei (è‡Ș戶), izany hoe ny fifehezan-tena, no iray amin’ireo fototra lehibe: mahavita mampiasa hery nefa mahay mifehy izany hery izany.

Izany no maha-zava-dehibe ny Budo: tsy ny vatana ihany no ampiofanina, fa ny saina sy ny toetra ihany koa.

Marina fa zava-dehibe ny manankina ny fiainana amin’Andriamanitra. Kanefa ny finoana dia tsy tokony ho antony hahatonga antsika hanao tsirambina ny andraikitra tokony horaisintsika. Misy ilay fitenenana manao hoe: “Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany.”

Koa aoka isika hianatra ho malina, ho mailo ary ho vonona.đŸ™đŸ„‹đŸ”„

Aoka tsy ny tahotra no hifehy antsika.

Aoka isika hianatra hiaro tena, hahay hisoroka loza, hahay hifehy tena ary hahay hiaro izay tandindomin-doza rehefa tena ilaina.

Tsy ny herisetra no valin’ny herisetra.
Fa ny fahalalana, ny fahamailoana, ny fifehezan-tena ary ny fahafahana miaro tena no anisan’ny fiarovana.

Tsy tokony hiandry ny loza vao hianatra hiatrika azy.

✅Mandrosoa amin’ny fianarana Arts Martiaux.
✅Mianara ho mailo.
✅Mianara ho sahy.
✅Mianara hifehy tena.
✅Mianara hiaro tena.

Karate-do: tsy fampiofanana vatana ihany, fa fanabeazana ny saina sy fananganana toetra.

đŸ„‹ Mahay miady dia tsy midika hoe tia ady.
Ny tena mahery dia ilay mahay mifehy ny heriny.

OSS đŸ™đŸ„‹

đŸ„‹đŸ”„ REJOIGNEZ NOS CHAMPIONS ! đŸ”„đŸ„‹đŸ† ASKA2A – Des rĂ©sultats qui parlent !Lors de la Kids Cup 2026 et du Championnat de la Se...
24/08/2026

đŸ„‹đŸ”„ REJOIGNEZ NOS CHAMPIONS ! đŸ”„đŸ„‹

🏆 ASKA2A – Des rĂ©sultats qui parlent !

Lors de la Kids Cup 2026 et du Championnat de la Section Tana Ville, notre club a fiĂšrement obtenu :

đŸ‘„ 10 participants
🏅 10 mĂ©dailles remportĂ©es đŸ’ŻđŸ”„

đŸ„‡ 3 mĂ©dailles d’Or
đŸ„ˆ 4 mĂ©dailles d’Argent
đŸ„‰ 3 mĂ©dailles de Bronze

đŸ’Ș 10 participants, 10 mĂ©dailles : la preuve d’un travail sĂ©rieux, de la discipline et de la persĂ©vĂ©rance !

đŸ„‹ Vous souhaitez rejoindre l’aventure ?
ASKA2A accueille de nouveaux élÚves, enfants, jeunes et adultes, quel que soit leur niveau.

đŸ« Vous ĂȘtes une Ă©cole et vous souhaitez proposer une activitĂ© sportive et Ă©ducative Ă  vos Ă©lĂšves ?

👉 ASKA2A est Ă©galement disponible pour collaborer avec les Ă©tablissements scolaires et proposer le KaratĂ©-do comme activitĂ© parascolaire.

đŸ”„ DĂ©velopper le corps, renforcer l’esprit et apprendre les valeurs du respect, de la discipline et de la persĂ©vĂ©rance.

📍 Lieu : Ambatolampy Antehiroka – Tranompokonolona Avaratanana

📞 Contacts : 034 44 960 15 / 032 66 574 50

đŸ„‹ Rejoignez ASKA2A et construisez votre force, votre discipline et votre confiance !

ASKA2A entraĂźnement androany tao @ Dojo Aska 67 HađŸ’ȘđŸ„‹đŸ”„.  Afa-po tanteraka t@ hatsaran'ny dojo. Tena raitra ! đŸ«¶ Mampanofa ...
20/08/2026

ASKA2A entraĂźnement androany tao @ Dojo Aska 67 HađŸ’ȘđŸ„‹đŸ”„. Afa-po tanteraka t@ hatsaran'ny dojo. Tena raitra ! đŸ«¶ Mampanofa salle ry zareo ho an'izay liana.

@ Sabotsy eny @ GYMNASE Ankatso indray mifankahita. KIDS CUP sabotsy 22 Août, CHAMPIONNAT SECTION TANA VILLE (cadets, Juniors, Seniors) Alahady 23 Août 2026.

👇👇👇👇👇👇👇👇👇👇👇👇👇👇👇👇

https://www.facebook.com/share/p/19H4bnQB75/

đŸ„‹Ao amin'ny budo, ny teny hoe fahatokisana (confiance) sy ny fahavononana (dĂ©termination) dia tsy afa-misaraka.🧠Ny tanjo...
07/08/2026

đŸ„‹Ao amin'ny budo, ny teny hoe fahatokisana (confiance) sy ny fahavononana (dĂ©termination) dia tsy afa-misaraka.

🧠Ny tanjon'ny Karate-do tsy ho amin'ny hery ara-batana ihany, fa amin'ny fananganana olona manana fahatokisana sy fahavononana. Ireo toetra roa ireo dia mifameno ka tsy afa-misaraka. Tsy misy fahavononana maharitra raha tsy miorina amin'ny fahatokisana, ary tsy misy fahatokisana marina raha tsy natsangan'ny fanazaran-tena sy ny fahalalana.

Ny fahatokisana dia manomboka amin'ny tena. Tsy avy amin'ny fireharehana na fanambonian-tena izy io, fa avy amin'ny fahatsapana fa nanao ny ezaka rehetra tokony hatao ny tena. Ny fanazaran-tena tsy tapaka no mamolavola izany. Isan'andro, amin'ny alalan'ny kihon, kata ary kumite, dia tsikelikely no ianarana mifehy ny elanelana (maai), mamantatra ny fotoana mety (timing), mampifanaraka ny hafainganam-pandeha, mitazona ny fifandanjana ary mifehy ny saina sy ny vatana. Rehefa voafehy ireo, dia mihena ny fisalasalana ary mitombo ny fahatokisan-tena.

Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny andraikitry ny Sensei. Tsy teknika fotsiny no ampitainy, fa fahalalana voasedra tamin'ny fotoana, nolovaina tamin'ireo mpialoha lalana, nohamafisin'ny traikefa ary nohatsaraina tamin'ny fikarohana. Raha marina sy lalina ny fahalalana ampitaina dia matoky ny lĂ lana arahiny ny mpianatra. Avy amin'izany no miteraka fifampitokisana ao anatin'ny dojo, satria iray fototra sy iray vina no iorenan'ny rehetra.đŸ„‹đŸ”„

Rehefa miorina tsara ny fahatokisan-tena dia tonga ho azy ny fahavononana. Tsy misy intsony ny fisalasalana rehefa tonga ny fotoana handraisana fanapahan-kevitra. Vonona sy sahy miatrika ny sarotra ny karate-ka, satria fantany fa efa ampy hiatrehana izany ny fahalalana, ny fahaiza-manao ary ny fanazarana azony. Matoky ny tenany izy, matoky ny ezaka nataony ary matoky ireo fitsipika efa niorina tao anatiny.

Tsy midika velively anefa izany fa mitady ady na maniry hifandona amin'ny hafa izy. Ny olona tena mahay miady dia tsy olona mitady ady, fa olona tsy matahotra ny hiatrika izay tsy maintsy atrehina. Fantany ny heriny sy ny fetrany, ka tsy mila mampiseho izany amin'ny fireharehana. Ny fahatoniana sy ny fifehezan-tena no iray amin'ireo famantarana lehibe fa tena miorina ao anatiny ny fahatokisana.

Rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy iatrehana zava-tsarotra, dia tsy mandositra noho ny tahotra izy, tsy misalasala noho ny tsindry, ary tsy mivadika amin'ny fitsipika noho ny tombontsoa. Mandray fanapahan-kevitra amim-pahatoniana izy ary mampihatra izay efa nianarany. Raha Sen no Sen, ohatra, no safidy ho an'ny paikady hihatrehana ny mpifanandrina iray, dia ampiharina tsy amim-pisalasalana izany. Tsy noho ny hatezerana na ny fireharehana, fa noho ny fahatokisana ny fanazarana sy ny fahalalana efa voaorina tao anatiny.

Tsy eo amin'ny ady ihany no isehoan'izany fahavononana izany. Miseho koa izy rehefa miatrika olana eo amin'ny fiainana, rehefa mila mandray fanapahan-kevitra sarotra, rehefa mila miteny ny marina, na rehefa mila mijoro amin'ny zavatra inoana fa marina sy ara-drariny. Ny fahavononana natsangana tao amin'ny dojo dia tokony ho lasa fahasahiana sy fahamatorana eo amin'ny fiainana.

Izany no iray amin'ireo tena lesona lehibe entin'ny Karate-do: tsy ny hampianatra antsika hitady ady, fa ny hanomana antsika tsy ho resin'ny tahotra rehefa tonga ny ady; tsy ny hampianatra antsika handresy ny hafa, fa ny hampianatra antsika tsy ho resin'ny fahalemena sy ny fisalasalana ao anatintsika.

OSS 🙏

31/07/2026

Address

AMBATOLAMPY ANTEHIROKA
Antananarivo
101

Telephone

+261326657450

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Karate Shotokan Ambatolampy Antehiroka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Karate Shotokan Ambatolampy Antehiroka:

Shortcuts

Share