Alex Tom

Alex Tom Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Alex Tom, Personal trainer, Antananarivo.

đŸ’Ș Coach Fitness & Musculation
🎯 Perte de graisse | Prise de muscle | Remise en forme
📚 Programmes personnalisĂ©s & suivi adaptĂ©
📍 Madagascar
đŸ“© Contact en message privĂ©

07/09/2026

Herinandro vaovao, tanjona tsy miova.

Ankafizo fotsiny, dia mandeha io👌



03/09/2026

Tsarovy fona hoe isakin’ny sĂ©ance ray ianao dia mila manome ny maximum anao mba tsy ho fotoana very fotsiny ny anio.

Tsy voatery hanenjika karazana exercice maro fa misafidiana fotsiny exercice 1 isakin’ny partie musculaire tinao ho ciblena dia omeo ny maximum anao fa aza mitady exercice 3-4 nefa tsy vita tsara.

- Exo1: focus grand dorsal
- Exo2: focus milieu du dos
- Exo3: Grand dorsal + milieu du dos
- Exo4: Épaules derriùre + Haut du dos
- Exo5 : Triceps

Ankafizo fotsiny dia mandeh io👌


26/08/2026

Anisan’ny variante tsara kokoa ny « extension triceps poulie haute » ity exercice iray ity satria dia mampitombo ny stabilitĂ© ny cores sy ny Ă©paules, ary mba tsy ho solliciter be loatra ny Ă©paules amin’lay enao manindry azy hikatsaka iny.

Tadidio fa ny stress mécanique ihany no antoka iray mampitombo ny muscle, ka henjeo foana mba hanakaiky ny échec musculaire ny série de travail anao.

Mahaiza manavaka ny atao hoe sĂ©rie de travail, sĂ©rie de changement d’angle ary ny sĂ©rie d’échauffement fa tsy izy rehetra ireo akory no andeh atao Ă  l’échec musculaire.



‌ TSY TONGA MIHINTSY ILAY MOTOVATIONđŸ”„Io teny io no anisan’ireo phrases re matetika indrindra ary mety hahatonga ny olon...
23/08/2026

‌ TSY TONGA MIHINTSY ILAY MOTOVATIONđŸ”„

Io teny io no anisan’ireo phrases re matetika indrindra ary mety hahatonga ny olona iray hijanona mandritra ny taona maro tsy hisy progrùs mihintsy.

Ny motivation dia émotion. Ary toy ny émotion rehetra, miovaova noho izany. Mety ho avo be izy rehefa vao manomboka programme vaovao, mahita vidéo motivation, na manomboka taona vaovao, fa afaka midina rehefa afaka herinandro vitsivitsy.

Raha miankina amin’ny motivation foana ny constance-nao sy ny fahavononanao hanao zavatra iray dia tsy maintsy hijanona ianao isaky ny very ilay motivation.

Ny tena ahitana vokatra maharitra sy mba hijaonanao ho constance dia ny HABITUDE.
✅ Tsy mila motivation foana vao atao
✅ Tsy miankina amin’ny humeur
✅ Mihamafy rehefa averimberinao

Ny olona mahazo résultat tsara mandritra ny 12 volana dia tsy voatery hoe manana motivation betsaka kokoa noho ianao. Fa nanangana habitudes izy hahazoana izay résultat izay.
Tsy manontany tena foana izy hoe: “Te hanao ve aho androany?. Fa lasa automatique, toy ny miborosy nify.

Ny motivation dia manandalo. Fa ny habitude kosa dia anao mandrakizay. Aza miandry hoe rehefa mahazo motivation aho vao hanomboka. Amboary ny habitude-nao, dia avelao ny constance hanangana ny transformation-nao sy anome vokatra ho anao.

💬 Inona ilay habitude tianao hapetraka amin’ity herinandro ity?
Soraty ao amin’ny commentaire đŸ‘‡đŸ”„



‌ NY SECRET NY MUSCULATION DIA TSY MISY NY MÉTHODE SECRET ‌Zavatra hita isanan’andro any anaty salle rehefa misy olona...
18/08/2026

‌ NY SECRET NY MUSCULATION DIA TSY MISY NY MÉTHODE SECRET ‌

Zavatra hita isanan’andro any anaty salle rehefa misy olona bokona dia tratran’lay fanontaniana foana hoe: INONA NY SECRET RY ZOKY?

Alohan’ny hametrahanao an’io fanontaniana io dia hametrao fanontaniana aloha ny tenanao hoe:
- manana processus mazava arahana ve ianao?
- efa nihezaka nifehy an’ireo base rehetra ve ianao?
- mahafeno ny fepetra amin’ireo akora ilain’ny vatana isan’andro mba hananganany hozatra ve ianao (protĂ©ine, glucide, lipide)?

Ny musculation dia tsy misy zavatra miafina natao ho an’olombitsy, fa ny musculation dia natao ho an’ny olona mahay manaraka mĂ©thode simple mandritra ny taona maro ary manana faharetana.

✅Mihezà manao zavatra tsotra.
Tadidio fa ny méthode simple vitanao mandritra ny taona maro dia tsara lavitra ary ahitanao vokatra tsara lavitra noho ny méthode parfaite zay vitanao anaty 2 herinandro monja dia hajanonao.

Ka aoka izay lay mitady secret‌
Mijereva mĂ©thode simple azonao antoka fa vitanao ny manaraka azy mandritra ny herinandro, volana ary taona maro dia ho itanao fa any aminao ndray ireo zandry kely any aorina no angataka secret👌

đŸ”„ Ny olona mahavita manao zavatra tsotra, miverimberina, mandritra ny fotoana lava foana no tena mandroso.

15/08/2026

‌ MIHEZÀ FOANA HO PROCHE DE L’ÉCHEC RAHA TE HITOMBO

Ny ankamaroan’ny olona dia mieritreritra fa manao entraĂźnement hatramin’ny Ă©chec musculaire. Nefa raha ny marina, tsy izany ny zava-misy.

Ny iray amin’ireo zavatra lehibe mampitombo ny muscle dia ny tension mĂ©canique, na koa hazavaina amin’ny hoe “effective reps”.

Ny dikan’izany dia hoe, ireo 3-5 reps farany eo ho eo alohan’ny Ă©chec musculaire no manome stimulus lehibe indrindra amin’ny fitomboan’ny muscle, satria amin’izay fotoana izay dia voa-recruter kokoa ireo fibres musculaires manana seuil ambony ary miasa mafy indrindra.

Ny olana anefa dia izao:
Betsaka ny olona mijanona alohan’ny hahatongavany amin’io fotoana io.

Manomboka mamay ilay sĂ©rie, lasa sarotra, mihena kely ny vitesse-n’ny reps
 dia ajanony ilay sĂ©rie satria mieritreritra izy fa efa tonga amin’ny failure na Ă©chec musculaire.

Nefa raha ny marina, mbola afaka nanao 3, 4, na 5 reps izy.

Raha mijanona lavitra toy izany amin’ny failure foana ianao, dia mety tsy hahazo ilay ampahany amin’ny sĂ©rie izay manome stimulus lehibe indrindra.

Ary mety ho iray amin’ireo antony lehibe mahatonga ny olona sasany hanao entraünement tsy tapaka mandritra ny taona maro izany nefa dia kely na tsy misy mihintsy ary ny progrùs hita amin’lay olona.

⛔Tsy hoe tsy miraharaha ÂŽlay olona

⛔Tsy hoe ratsy gĂ©nĂ©tique

Fa:
✅ tsy manao entraĂźnement mafy sy ampy izy ireo. đŸ’ȘđŸ”„

NB: Tsy voatery andeha jusqu’à l’échec total isakin’ny sĂ©ries ianao. Tazomy ho 2-3 rĂ©pĂ©titions en rĂ©serve amin’ireo exercice lourde (squat, bench, Soulever,sns) mba hialana amin’ny blessure; manaova Ă©chec total kosa amin’ireo exercice d’isolation na tsapanao fa en sĂ©curitĂ© kokoa ianao (leg extension, leg curl, Ă©lĂ©vation latĂ©rale Ă  la machine, sns).



11/08/2026

‌NY ANTOKA 3 HAMARITANA FA TSARA NY SÉANCE NATAONAO

Maro ny olona rehefa manao musculation no miheritreritra fa rehefa tsemboka be sy mahatsiaro torovana ny vatana dia zay no hamaritana fa efficace ny kotrana nataony.

Tsy marina anefa zany fa ireto zavatra 3 ireto ihany no antoka afaka handrefesana fa tsara ny séance nataonao:

1ïžâƒŁ Prograssive Overload
Nahavita tsara kokoa noho ny teo aloha ve ianao (séries, répétitions, charges,exécutions du mouvement,tempo).
Raha mbola mitovy na latsaka ny teo aloha ny vitanao anio, dia tsy hitombo mihintsy ny muscle na hahatratra 2 signa lehibe ary ny hatsembohanao😅

2ïžâƒŁ IntensitĂ©
Maro ny olona rehefa mahatsapa fa mamay ilay muscles travaillena dia mijanona satria miheritreritra fa iny no signal ampy hampitomboina muscles.
Ny tena marina anefa dia ny « tension mĂ©canique » irery ihany no manome signal ny muscles anao mba hitombo. Mba hahatongavana amin’zany dia henjeo foana hoe 2-3 ny rĂ©pĂ©titions en rĂ©serve avant Ă©chec musculaire ny sĂ©rie de travail anao.

3ïžâƒŁ Connexion Nuero-Musculaire
Ny 90%-ny olona rehefa manao séries iray dia maika anenjika isa (12-15-20 répétitions) fotsiny ihany. Miheritreritra fa raha tratra ilay isa dia ampy ampitomboina ny muscles izany.
Ny tena marina dia tsy misy rĂ©pĂ©titions exact tsy maintsy tratrarina amin’ny musculation, fa ny zava-dehibe dia ny fahatspanao fa ilay muscles travaillenao no hatsapanao tension sy stimulus maximale. Raha tsy izay dia afaka manao 100reps ianao fa tsy hitombo araka ny tokony ho izy mihintsy fa fatigue no mety ho azonao👌

Tsarovy fa ny fibatana fonjam-by na ny musculation dia misy techniques miafina lehibe sy mĂ©thodes tokony arahana fa raha tsy izay dia mitovy amin’ireo mpanao batilazy ihany ianao raha mihevitra fa manainga miala amin’ny point A makeny amin’ny point B fotsiny ihany dia mitombo ny muscles.đŸ’Ș

Aza adino manaraka ny pejy raha tianao ny musculation mi-se basĂ©e amin’ny science📖📚



04/08/2026

‌ TSY MIDIKA HOE MISY COURBATURES IANAO DIA MITOMBO SY NETY TSARA ÂŽZAY NY KOTRANA NATAONA‌

Maro ny olona no mihevitra fa raha tsy marary ny muscle ny ampitso aorian'ny entraßnement, dia tsy nahomby ny séance nataony.

Saingy... tsy marina izany.

Ilay antsoina hoe DOMS na Delayed Onset Muscle Soreness na ko hoe courbatures à apparition retardée dia matetika miseho rehefa manao exercice vaovao ianao, na rehefa mampiditra charge sy mouvement tsy mbola zatra ny vatanao.

Izany fanaintainana izany dia vokatry ny micro-lésions sy ny réaction inflammatoire ateraky ny fanazarana vaovao, fa tsy porofo hoe nitombo kokoa ny muscle.

Rehefa miverimberina ilay exercice dia mianatra miaro tena ny vatanao. Io no antsoina hoe Repeated Bout Effect na effet protecteur des efforts répétés. Mihena tsikelikely ny courbatures, nefa mbola afaka mitohy tsara ny fitomboan'ny masse musculaire.

Ny tena mampitombo ny muscle dia tsy ny fanaintainana, fa ny tension mécanique sy ny progressive overload.

Midika izany fa isaky ny mahavita mampitombo charge, na manao répétition fanampiny, na manatsara ny qualité-n'ny mouvement ianao, dia efa mandroso.

Ary tadidio...

Raha marary be loatra ny muscle-nao, dia mety hihena ny herinao amin'ny séance manaraka. Tsy afaka manao entraßnement amin'ny intensité tsara kokoa noho teo aloha ianao, ka mety hanemotra ny fandrosoanao izany.

Noho izany...

Aza refesina amin'ny fanaintainana ny kalitaon'ny entraĂźnement-nao.

Refeso amin'ny hoe:
- Nihatsara ve ny performance-nao?
- Nahavita répétition fanampiny ve ianao?
- Sa nahavita nampitombo ny charge?

🎯 Fehiny...

Ny courbatures dia manambara fotsiny fa nanao zavatra vaovao ianao.

Fa ny tena fandrosoana kosa dia rehefa mihamatanjaka ianao, manatsara ny performance-nao ary mampihatra progressive overload tsy tapaka.

‌ Araho ny pejy raha te hianatra ny science ao ambadiky ny musculation sy nutrition, amin'ny fomba tsotra sy mora azo ianao.




31/07/2026

đŸ’Ș MANAO ENTRAINEMENT IRERY(SOLO) VE IANAO sa MANANA TRAINING PARTNER?

Maro ny olona no mankafia mikotrana irery no sady tsy dia tia misokatra loatra rehefa ao anaty salle de musculation.

Eny, tsy ratsy izany ho an’ny concentration.

Saingy ny fikarohana ara-tsiansa dia manamarina fa misy tombony lehibe ny fananana « training partner », mety mbola misy 10%-15% de performance mandritra ny séance-anao very nefa tsy tsapanao.

Izany dia noho ilay antsoina hoe « Köhler Effect ». Rehefa miara-manao entraßnement amin'olona somary matanjaka kokoa na sérieux kokoa noho ianao na manana motivation matotra ianao, dia mandeha ho azy ny atidohanao mampitombo ny ezaka ataonao. Mihena ny fahatsapana reraka, mitombo ny motivation, ary matetika mahavita répétitions fanampiny, indraindray ary mahazaka charge mbola tsy nobatainao mihintsy.

Ankoatra izany, rehefa misy training partner manao spot anao amin'ny Bench Press, Squat, na exercices mavesatra hafa, dia matoky tena kokoa ianao ka afaka manome effort ambony kokoa nefa mbola azo antoka.

Aza adino fa na ireo grand bodybuilder ary dia mbola mila ary manana training partner anampy azy ampiakatra ny intensité sy ny motivation-any.

⚠ Tsarovy anefa: Tsy voatery hitady olona lavitra be ny niveau-nao ianao. Ny tsara indrindra dia olona 10%–20% mahery kokoa noho ianao, mba hanosika anao hivoatra. Ary aza maka tahaka ny poids entiny, fa ny discipline sy ny intensitĂ©-ny no alaina tahaka.

✅ Indraindray tsy ny muscle no mila ihany hery fanampiny, fa ny sainao. Ny training partner tsara dia afaka manampy anao hamoaka ny tena potentiel-nao isaky ny sĂ©ance. đŸ”„đŸ’Ș




29/07/2026

‌DISO IANAO HATRAMIN’IZAY👉

Rehefa mibata charge manao mouvement ny akamaroan’ny olona dia mifantoka loatra any amin’lay manosika charge fotsiny ihany (phase concentrique).

Ny tena manome stimulus feno ny muscles anefa dia ilay mifanohitra amin’izany, ianao ®lay manohitra ny lalan’ny charge (phase excentrique) no mahatratra stimulus feno ny hozatra (®zay antoka iray ahafahany mitombo).

Kendreo ho 2-3 segondra eo rehefa midina ny charge ary mifantoha amin’ny hozatra ampiasaina.

✅ Ka manomboka izao dia tsarovy fa tsy ny manetsika ny charge mihainga amin’ny point A makany amin’ny point B no zava-dehibe.

Fa ny contrîle feno ataonao mandritra ny mouvements sy ny sensation anao mifantoka ao amin’ny muscle ampiasaina.

Raha liana amin’ny musculation mifototra amin’ny science ianao dia aza misalasala manaraka ny pejy👌



Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Alex Tom posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share