Mahay Mitantana Vola

Mahay Mitantana Vola

Share

“Tehirizo. Ampitomboy. Mandraisa vokatra.”

16/07/2026

Photos from P'tits Loups d'Amour Madagascar's post 15/07/2026

🐕 Te hanana an'ireo alika mafatifaty be ireo ve ianao? 🥰
Avy dia zareo ao amn io pejy io ary no resahana e 👇

Qu'est-ce que le lagom ? Le mode de vie équilibré à la suédoise 10/07/2026

Tohin'ilay resaka omaly dia inty misy fanazavana manokana avy amindry zareo suedoa mihitsy.

Mamakia finaritra ary o! 🙂

Qu'est-ce que le lagom ? Le mode de vie équilibré à la suédoise Découvrez ce que signifie le mot « lagom » et en quoi cette conception unique de la modération et de l'équilibre façonne la vie quotidienne des Suédois.

09/07/2026

Fantatrao ve ny teny suedoa hoe LAGOM?

"Lagom är bäst" 💬 Midika hoe: "Tout avec modération"

Ni trop, ni trop peu.
Tsy be loatra. Tsy kely loatra.
Juste ce qu'il faut.

Ny Suedoa matetika rehefa mividy entana dia mitady ny tena mety : izany hoe tsara kalitao nefa antonony ny vidiny. 😄

Koa maninona moa raha ampiharintsika amin'ny fitantanana vola izany ?
❌ Tsy lany vola be amin'ny zavatra tsy ilaina
❌ Tsy mihafy be loatra ka tsy mba mifaly mihitsy
✅ Fandaniana voasokajy tsara

🤔 Ny LAGOM dia tsy fampijalian-tena akory.
Tsy hoe tsy mahazo mividy n'inon'inona mihitsy.
Tsy hoe mifey tena amin'ny zava-drehetra.
Fa mahalala ny fetra : mividy ny tsara, mifaly tsara, mitahiry tsara.

🍚 Toy ny mihinana vary sy laoka e :
- raha kely loatra ny loaka, dia matsatsotsato ny fiainana
- raha kely loatra ny vary (izany hoe lasa be loatra ny laoka), dia tsy mahavoky mihitsy

Toy izay koa no azo hitantanana ny vola. Tsy mandany be loatra, nefa tsy mihafy be loatra.

Fiadanana ara-bola : izany no tanjona o ?
Ahoana ny hevitrao? Malagasy lagom ve ianao? 👇

26/06/2026

19/06/2026

22:6

18/06/2026

🥰 Mahafinaritra ery fa mihabetsaka ato am facebook ny olona manome toro-hevitra isankarazany ahafahana mitantam-bola ho antsika malagasy 🇲🇬

Mankasitraka Vehivavy Mitantam-bola

14/06/2026

📋 Indro tetibola isam-bolana — ✨maimaimpoana ho anao!

Maro ny olona no tsy mahalala hoe lasa aiza ny volany... 😅
Izany no namoronanay io fandaharana io.

Fomba fampiasana azy 👇
1️⃣ Soraty MIALOHA ny fandaniana rehetra ho an'ny volana — karama, trano, sakafo, jiro, sns.
2️⃣ Rehefa vita ny fandoavana dia ataovy ☑️ ilay boaty kely! Soraty miandalana avy eo izay ambiny nandehanan'ny volanao
3️⃣ Amin'ny faran'ny volana, hitanao mazava tsara izay natao sy izay mbola miandry.

Tsy mila application. Tsy mila ordinateur.
Taratasy sy penina dia vita! ✏️

Izany hoe :
❌ Tsy misy fandaniana mahazatra adino intsony
❌ Tsy misy intsony ny hoe "ary lasa aiza ny volako teo?"
✅ Ianao ihany no tompon'ny volanao! Hianaro aza ny mandamina azy💪

📌Tsiahy kely : nampiharinao ilay fitsinjarana ? Jereo ato am pejy ny andinindininy 😉

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Aty Aminay
Antananarivo
101