DansEnfamille

DansEnfamille

Share

La danse comme activité familiale pour créer du lien, renforcer la cohésion, partager des moments et bouger ensemble. Rejoignez l'aventure DansEnFamille ! 🎵

Chaque mois, une nouvelle danse apprise ensemble — en couple, parents-enfants, frères et sœurs.

30/06/2026

🎉 Tapitra ny volana voalohany teto amin'ny DansEnFamille !

Mankasitraka indrindra anareo rehetra nanaraka, nankahery, naneho hevitra, nizara ary nijery ny horonan-tsary nandritra ity volana natokana ho an'ny Rock'n Roll ity ❤️

Feno fifaliana, fianarana ary fotoana mamy niarahana tamin'ny fianakaviana ity aventure voalohany ity 💃🕺

📚 Aza adino fa mbola hita eto amin'ny pejy avokoa ireo lesona rehetra momba ny Rock'n Roll : pas de base, figures faciles, astuces ary interviews. Afaka jerena sy averina jerena amin'ny fotoana rehetra izy ireny, ka afaka manohy mianatra sy manazatra amin'ny hafainganam-pandehanareo ianareo.

🥁 Ary izao indray, dia hanomboka aventure vaovao miaraka !

Araka ny safidinareo tamin'ny sondage, ny dihy hianarantsika amin'ny volana faha-2 dia...

✨ TANGO ✨

Faly izahay hanomboka ity dihy vaovao ity miaraka aminareo, hianatra sy hifampizara indray ao anatin'ny hafaliana sy ny firaisan-kina ❤️

📅 Koa miomàna fa tsy ho ela dia hivoaka ny lesona voalohany momba ny pas de base amin'ny Tango !
Aza adino ny mizara ny pejy amin'ireo havana sy namana mba tia hianatra andihy ☺

💬 Iza avy no vonona hiara-hianatra amin'ity aventure vaovao ity ?
Aza adino ny mizara ny pejy amin'ireo havana sy namana mba tia hianatra andihy






26/06/2026

✨ Arabaina ny fianakaviana tsy ankanavaka nahatratra izao asaramanitra izao ! ❤️

💃🕺 Ho antsika eto amin'ny DansEnfamille, dia androany no fotoana farany hisafidianana ny danse manaraka!

Ho fanampiana ireo misalasala sy ireo nangataka izany dia nampianarina an'i Oliver sy Luda ny base an'ireo danse 4 ho safidiana. 😄

✨ Salsa
✨ Bachata
✨ Tango
✨ Valse

❤️ Ny Bachata no tena tian'i Luda
🔥 Ary ny Salsa kosa no tena ankafizin'i Oliver

Ary ianao, iza amin'ireo no tianao hianarana miaraka aminay ?

👀 Jereo ary ny vidéo dia soraty ao amin'ny commentaire ny safidinao !

21/06/2026

🌟 Tratry ny Fetin'ny Ray! 🌟

Mirary fahasalamana, faharetana ary fahombiazana ho an'ny ray rehetra. 🥰

Ho ray be fitiavana, be fahasoavana, ho andry iankinan'ny fianakaviana, ary ho modely tsara ho an'ny zanaka.

💙 Mankasitraka manokana ireo ray rehetra izay miezaka isan'andro ho an'ny ankohonany. Tsy misy ray lavorary, fa maro ianareo no manao izay fara herinareo, miasa mafy, miatrika adidy sy andraikitra isan'andro mba hahasambatra ny vady aman-janakareo.

Anisan'izany ny papa ato an-trano, izay manohana sy miara-miady hahatanteraka ny nofinofin'ny fianakaviana. Misaotra amin'ny fitiavana sy ny ezaka rehetra ataonao.

🕊️ Ary amin'izao andro manokana izao dia mahatsiaro am-pitiavana sy mitondra am-bavaka ireo ray efa nodimandry. Na dia tsy eo anivontsika intsony aza izy ireo, dia mitoetra ao am-pontsika mandrakariva ny fitiavana sy ny soatoavina navelany.

❤️ Tratry ny Fetin'ny Ray ho an'ny ray rehetra!

20/06/2026

Tantaran'i Narovana
Mankahery ny fianakavian'i Narovana.

Tsy tokony hisy hitsara, na i Narovana na ny Ray aman-dreniny.

Ny azontsika atao dia:
- mivavaka ho azy ireo
- mivavaka ho an'ny ankohonantsika sy indrindra indrindra ho an'ny zanatsika
- miezaka araka izay azo atao mba hisian'ny fifandraisana eo amin'ny Ray aman-dreny sy ny zanaka.

Hamafiso ny fifandraisana, ny fifampiresahana, mba ho souvenirs mamy foana no mitoetra na inona na inona mitranga.

Mirary soa antsika rehetra.

15/06/2026

📌🙇‍♀️ Miala tsiny amintsika ...
Fa rehefa namerina nijery ilay vidéo farany nalefa izahay dia nahatsikaritra fa kay tapaka tsy vita hatramin'ny farany 😳ilay vidéo Les clés de la danse navoaka teto amin'ny pejy.

✨ Koa indro averinay androany ilay vidéo feno.

💃🕺 Marihina fa vidéo mikasika ny fikafika ahafahana mandihy hira iray manontolo amin'ny alalan'ny "pas de base" sy ireo "figures faciles 2" efa nianarantsika teto izany.

💬 Efa nisy ve nanandrana nandihy hira iray manontolo ?

14/06/2026

⚽ Coupe du monde sy Rock'n Roll ? 😄
Mandeha ve ny fianarana Rock ao o ? Sa aleo aloha arahana akaiky ity coupe du monde ity fa manao be I Maroc? Iza koa no tsy nanampoa ?😉⚽
2 herinandro sisa dia hifarana ny Mois 1 Rock’n roll DansEnFamille an. Hiroso amin’ny fisafidianana ny dihy hianarana amin'ny Mois 2 isika ! 💃🕺
📊 Sorato ao amin’ny commentaire ny safidinao :
• Salsa ❤
• Valse 👍
• Tango 🥰
• Hafa (soraty ao amin'ny commentaire)
⏳ Amin’ny zoma 19 izao no jerentsika izay danse tianareo.
🍀 Dia mirary soa sy fahombiazana sahady ho an'ireo ankizy hiatrika ny CEPE !
💬 Alefaso ary ny safidinao 😊

12/06/2026

Noho ny olana ara-teknika dia eto no alefa ilay vidéo nendrasantsika 👌

12/06/2026
10/06/2026

📢2ème semaine amin'ny Rock'n Roll : Mbola ao daholo ve isika ô ?

🔑Resaka posture 🧍‍♀️

❌❌❌Ny erreur matetika mahazo antsika cavalière rehefa manomboka mandihy !

Ao anaty vidéo 👇



08/06/2026

😅Ohatran'izao no nahazo an'ireto masositra kelinay reto rehefa nampianarina ballade. 😁

Iza koa no sahirana nianatra Rock'n roll ?

Want your business to be the top-listed Gym/sports Facility in Antananarivo?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Itaosy
Antananarivo
102