11/08/2026
Salama e , mba misy zavatra tiko hamarinina kely Momba ny VTT eto Madagasikara Ary mba te andray ny hevitrareo ao am commentaires aho
Misy olona miteny hoe: â Mamono Tena isika aminâny sport izay tsy hitondra anareo ho aiza akory.â
Fa raha ny marina, iza no manery antsika hanao VTT? Tsy misy. Samy manana ny safidiny ny tsirairay. Raha mitady sport izay manana âavenirâ ara-bola na ara-professionnel dia Mety hoe be dia be eto Madagasikara, dia misy sport hafa maro azonao isafidianana â na dia tsy tokony handainga aminâny tena hoe tsy mora ny manangana carriĂšre sportive eto amintsika.
Fa ny VTT dia tsy natao fotsiny hoe hahazoana vola na laza. Voalohany izy ,Sport individuel,ary ko sport personnel. Mifaninana aminâny hafa ianao, fa indrindra indrindra miady aminâny tenanao ihany: aminâny vatanao, ny sainao, ny tahotrao, ny fetranao, ary ny vĂ©lo-nao. Ary misy sensation sasany omenâny VTT izay tena sarotra ampitahaina aminâny sport hafa. Ilay vitesse, ilay descente, ilay terrain, ilay adrenaline, ilay fifantohana tanteraka aminâizay ataonao⊠izany no passion.
Ary raha misy milaza hoe âmaninona ianareo no manao anâio nefa tsy mitondra anareo any aminâny toerana hafa?â, dia izao no valiny: tsy ny zavatra rehetra ataontsika eo aminâny fiainana no tsy maintsy atao satria hitondra vola na carriĂšre. Misy zavatra ataontsika satria tiantsika. Misy zavatra ataontsika satria manome fahafahana antsika hiala kely aminâny stress sy ny olana isanâandro. Misy zavatra ataontsika satria rehefa eo amboninâilay vĂ©lo isika dia mahatsiaro tena ho afaka. Ary tsy vtt descente ihany ny resaka eto va ny vĂ©lo en gĂ©nĂ©ral mintsy .
Marina, mbola tsy tena mandroso tahaka ny firenena hafa ny VTT eto Madagasikara. Tsy ampy angamba ny infrastructures, ny sponsors, ny moyens, ny compĂ©titions ary indraindray na ny organisation aza. Fa tsy midika izany hoe tsy misy valeur ilay sport. Ny passion dia tsy miandry ny fahafenoanâny conditions vao misy. Izahay no manomboka, izahay no mitaingina, izahay no mifaninana, ary raha tiana hivoatra ilay sport dia mila mandray anjara aminâny fananganana azy ihany koa isika.
Ary misy zavatra iray tiako tenenina aminâireo riders sasany izay mitaky zavatra be dia be rehefa misy compĂ©tition:
âManaova compĂ©tition , dia ho hitanao.â
Mora ny mijery avy any ivelany dia mitsikera hoe ratsy ny organisation, tsy ampy izao, tsy ampy izao, tsy mety iny. Fa andramo ianao mihitsy ny mikarakara compĂ©tition: mitady terrain, mitady autorisation, mitady sponsors, mitady matĂ©riel, miantoka ny sĂ©curitĂ©, mitady olona hanampy, mandamina ny timing, miatrika ny imprĂ©vus⊠vao ho hitanao ny lanjanâny asa ao ambadika.
Tsy midika akory izany hoe tsy tokony hisy critique. Ilaina ny critique raha constructive. Fa raha tena tiana hivoatra ny VTT, dia tsy ampy ny mitaky. Mila manampy koa. Mila manolotra solution. Mila mandray responsabilitĂ©. Mila manaja ny mpikarakara sy ny ezaka ataonâireo olona izay manome ny fotoanany mba hahafahantsika rehetra mitaingina sy mifaninana.
Ary farany, io angamba no zavatra tena tiako asongadina:
Rehefa miditra aminâny course ianao, dia ianao sy ny vĂ©lo-nao no eo.
Raha tsara ny course-nao, dia raiso ny mĂ©rite. Raha ratsy kosa, dia aza mitady olona homen-tsiny foana. Mety ho physique, mety ho mĂ©canique, mety ho mental, mety ho Ă©motionnel, na mety hoe tsy ampy prĂ©paration fotsiny. Fa izay indrindra no mampiavaka ny VTT: mampianatra anao handray responsabilitĂ© aminâny zavatra ataonao.
Mety ho potika ny vélo. Mety ho reraka ny vatana. Mety ho diso ny ligne. Mety ho very concentration. Mety ho lavo. Mety ho very course. Fa mbola misy zavatra iray foana: miverina mitaingina.
Tsy milaza aho hoe ny VTT no sport tsara indrindra ho anâny rehetra. Fa ho anâizay tia azy, dia ampy izay.
Tsy mila manamarina aminâolona rehetra hoe nahoana isika no tia VTT. Tsy mila mitady justification foana hoe âinona no ho azoko aminâio?â Satria indraindray, ny zavatra tena sarobidy aminâny fiainana dia tsy ilay zavatra mitondra vola indrindra, fa ilay zavatra mahatonga antsika hahatsapa hoe velona isika.
Ary ny olon manan-danja am fiainako (ny namako , sy ny mpiara pankafiha ilay taranja) hatramzay ary ankehitriny dia mbola avy aminâito taranja ito , merci be anareo fona mbola eto fona hatram zay ka hatram zao na ireo namana vaovao ary â€ïžđ
VTT no passion-nay. Tsy voatery ho azonâny rehetra izany. Fa raha tsy azonao, farafaharatsiny, hajao. đ”ââïžđČđŹ
10/08/2026
09/08/2026