14/05/2026
raha zaraina ilay zavatra tsapa eo @ ligne de départ dia :
tena tonga dia maivana sa "liberté" no mahalaza azy, tsy misy afatsy feon'ny moteur sy ny lalana... sahala @ tsy eto an-tany fa tena any @ tontolo hafa mihitsy. Tsy misy na inona na inona intsony na olana, na olona .... sns ivelan'ny fiara, tena hoe fiara sy lalana sisa, ohatra ny tsy misy na ny fotoana aza; tena sarotra hazavaina izay moa izy io 😅 izay angamba ilay hoe sahala @ manofy 😇 misy hery ohatra ny calme anefa sady mangotraka te hitroatra be ao anaty ao 😊 eo ilay raha tsy tazona dia mihoraka ny 6.500 tr/mn 😜
Circuit TMF : raha tsy diso ny tadidy dia toa izao ny fehim-potoana vita :
essai chrono 1'52"
1ère manche : 1'50"
2ème manche : 1'48"
tsy hoe tsara be io, mety ho farany tao anaty classement aza angamba tsy hay ilay essai chrono, fa nihatsara aloha no sur dia izay no zava-dehibe teo.
Efa faly ihany afaka nandray anjara aloha voalohany, fa faly ihany koa @ vokatra azo. Indraindray moa ohatra ny mbola te hanohy izany satria mbola mahita ny azo arenina maromaro mety azahoana fotoana tsaratsara kokoa...
@ maha olombelona moa toetra fahita matetika ny tsy afa-po izay fa te hanatsara foana saingy fahendrena ihany koa ny mahay mionona hoe izay aloha no vita t@iny ka @ manaraka indray miezaka mikaroka.
Lesona voaray :
-Tena nanampy be ilay nandalo copilote (namaky note) vao miakatra piste. Tsy voatery ho iraisan'ny besinimaro moa iny fijery iny fa fijery manokana izy io.
-Tena ilaina be ny roulage "tsy misy miracle io " hoy ilay namana iray izay.
-tsara ny manana ny an'ny tena mba ho afaka manome ny max an'ny tena.
à bientôt pour d'autres aventures ... 😊😉